Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fiarovana ny Vehivavy: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ny Fiarovana ny Vehivavy: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 An-tapitrisany ny vehivavy sy ny ankizivavikely misy mampijaly maneran-tany. Anisan’izy ireny ve ianao? Ho hitanao ato hoe nahoana no zava-dehibe amin’Andriamanitra ny hoe voaro ianao. Ho hitanao ato koa hoe havelany hitohy foana ve ny fampijaliana vehivavy.

 “Tamin’izaho mbola kely, dia nampijaly ahy foana ny anadahiko isan’andro sady nanao teny mandratra. Ny rafozambaviko indray no nanao ahy an’izany rehefa nanambady aho. Nataon’izy sy ilay rafozandahiko hoatran’ny andevo aho. Dia te hamono tena aho tamin’izany.”​—Madhu, a Inde.

 Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa “fahita eran-tany ny herisetra atao amin’ny vehivavy.” Araka ny tombantombana nataon’izy io, dia efa ho vehivavy iray ao anatin’ny telo no efa nisy nampijaly na nisy nanolana teo amin’ny fiainany.

 Raha efa nitranga taminao izany, dia mety hatahotra ianao, na aiza na aiza toerana alehanao, hoe sao dia hisy hanao teny mahery aminao na hanolana anao indray. Mety hahatsapa àry ianao vokatr’izany hoe mihevitra ‘ny vehivavy ho tsy misy ilana azy’ ny ankamaroan’ny olona. Mieritreritra hoatr’izany koa ve anefa Andriamanitra?

Asehon’ny Baiboly fa tian’Andriamanitra ho voaro ny vehivavy

Ahoana no fahitan’Andriamanitra ny vehivavy?

 Andinin-teny: “Lahy sy vavy no [namoronan’Andriamanitra] azy ireo.”​—Genesisy 1:27.

 Inona no dikan’izany? Namorona lehilahy sy vehivavy Andriamanitra. Samy mendrika ny hohajaina daholo ry zareo aminy. Tiany koa ny lehilahy raha “tia ny vadiny tahaka ny tenany”, fa tsy manampatra fahefana aminy ka manao teny maharary aminy na mikasi-tanana azy. (Efesianina 5:33; Kolosianina 3:19) Hita amin’izany fa te hiaro ny vehivavy Andriamanitra.

 “Nisy havanay sasany nametaveta ahy tamin’izaho mbola kely. Dia tamin’izaho 17 taona koa, dia norahonan’ny mpampiasa ahy aho hoe horoahiny, hono, aho raha tsy manaiky hanao firaisana aminy. Tamin’izaho efa lehibe indray, dia nohambanian’ny vadiko sy ny ray aman-dreniko ary ny manodidina aho. Fa nianatra momba an’i Jehovah, b ilay Mpamorona, anefa aho tatỳ aoriana, dia lasa haiko hoe manaja vehivavy izy. Nanome toky ahy izany hoe tena tiany aho sady sarobidy aminy.”​—Maria, Arzantina.

Inona no afaka manasitrana ny ratram-ponao?

 Andinin-teny: “Misy ... namana mifikitra noho ny rahalahy.”​—Ohabolana 18:24.

 Inona no dikan’izany? Hanohana anao ny tena namana. Raha azo atao, dia resaho amin’ny olona atokisanao ny fihetseham-ponao.

 “Tsy noteniteneniko olona mihitsy, nandritra ny 20 taona, hoe nisy nanolana aho. Dia vokany: Lasa tsy falifaly aho, dia nitebiteby sady niady saina. Nisy an’izay olona izay anefa vonona hihaino ahy. Dia rehefa notantaraiko azy ny zavatra nahazo ahy, dia lasa maivamaivana be mihitsy aho.”​—Elif, Torkia.

 Andinin-teny: “Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”​—1 Petera 5:7.

 Inona no dikan’izany? Rehefa mivavaka ianao dia tena mihaino Andriamanitra. (Salamo 55:22; 65:2) Miahy anao izy, dia azony atao ny manampy anao hahatakatra hoe tena sarobidy ianao.

 “Nihasitrana ny ratram-poko rehefa nianatra momba an’i Jehovah aho. Lasa afaka mamboraka ny fihetseham-poko amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka aho izao. Hoatran’ny namana mahatakatra tsara ny fihetseham-poko izy.”​—Ana, Belize.

Havelan’Andriamanitra hitohy foana ve ny fampijaliana vehivavy?

 Andinin-teny: “Hanome rariny ho an’ny kamboty ray sy izay ampijalina [i Jehovah], mba tsy hampatahotra azy ireo intsony ny olombelona mety maty, dia ny olona etỳ an-tany.”​—Salamo 10:18.

 Inona no dikan’izany? Kely sisa dia hofoanan’Andriamanitra ny tsy rariny rehetra, anisan’izany ny fampijaliana vehivavy sy ny herisetra atao amin-dry zareo.

 “Hoatran’ny hoe avy nihinana fanafody fampitonena fanaintainana aho, rehefa lasa fantatro hoe kely sisa dia hofoanan’Andriamanitra ny fampijaliana vehivavy sy ankizivavy. Lasa nilamin-tsaina aho.”​—Roberta, Meksika.

 Tianao ho fantatra ve hoe inona no ampanantenain’ny Baiboly, nahoana ianao no afaka matoky ny zavatra ampanantenainy, ary ahoana no azon’ny Vavolombelon’i Jehovah anampiana anao amin’ny alalan’ny Baiboly? Mangataha hotsidihina maimaim-poana.

 Haka an’ity lahatsoratra ity amin’ny endrika azo atao pirinty.

a Novana ireo anarana.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?