Hijery ny anatiny

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Tena Tiako ny Haiady”

“Tena Tiako ny Haiady”
  • Teraka: 1962

  • Firenena: Etazonia

  • Fiainany taloha: Mpanao haiady nafana fo

NY FIAINAKO TALOHA

 Nanao ady totohondry aho tamin’izany. Sendra voadakako teo amin’ny orony ilay namako indray mandeha, tamin’izahay nanao fanazaran-tena. Naratra be mihitsy izy! Nenjehin’ny eritreritro aho taorian’izay, dia lasa saina hoe sao dia tokony hajanoko ilay haiady. Fa maninona aho no nieritreritra an’izany, nefa efa aman-taonany aho no nanao haiady sady tiako be ilay izy? Aleo aloha hohazavaiko hoe ahoana no nahatonga ahy hanao haiady.

 Tany akaikin’i Buffalo, eto New York, aho no lehibe. Katolika nafana fo ny fianakaviako, dia tany amin’ny sekoly katolika aho no nianatra. Mpiserivy lamesa aho tamin’izany. Nifankatia be izahay mianakavy. Tian’i Dada sy Neny ho tafita izaho sy ilay anabaviko. Izany no nahatonga an-dry zareo hamela ahy hanao asa madinidinika sy hanao spaoro rehefa tsy nianatra. Tsy maintsy nahazo naoty tsara fotsiny aho. Mbola kely mihitsy aho, noho izany, dia tsy maintsy nianatra nifehy tena.

 Nanomboka nanao haiady aho tamin’izaho 17 taona. Nanao fanazaran-tena nandritra ny adiny telo isan’andro aho taloha, dia iray andro tao anatin’ny herinandro ihany aho no tsy nanao an’izany. Naharitra taona maro mihitsy izany. Nieritreritra be momba an’izay teknika na fihetsika tokony hatao koa aho, dia nijery video hanatsarana ny fahaizako. Nanokana fotoana be dia be hanaovana an’izany aho isan-kerinandro. Tiako rehefa tampenana lamba ny masoko mandritra ny fanazaran-tena. Nanao an’izany aho indraindray na dia nampiasa fitaovam-piadiana aza! Nasiako indray mandeha tamin’ny tanako fotsiny ny hazo na biriky tamin’izany, dia efa vaky. Lasa nahay be aho, dia nandresy tamin’ny fifaninanana maro. Ny haiady no lasa zava-dehibe indrindra tamiko.

 Noheveriko hoe tafita aho tamin’izany. Nahazo diplaoma tany amin’ny oniversite aho, sady nahazo mari-pankasitrahana ambony. Lasa injeniera mpikirakira programa ao amin’ny ordinatera aho, dia niasa tamina orinasa lehibe anankiray. Nahazo tombontsoa be aho tao. Nanana trano koa aho, dia nisy ankizivavy izay niaraka tamiko. Hoatran’ny hoe sambatra be mihitsy aho. Nisy fanontaniana lehibe nanitikitika ny saiko anefa.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO

 Tiako ho fantatra ny valin’ny fanontaniako, dia lasa namonjy lamesa indroa isan-kerinandro aho. Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra koa aho. Tafaresaka tamin’ny namako iray izay aho indray mandeha, dia nanontany azy hoe: “Efa mba noeritreretin’ialahy ve hoe fa maninona àry isika no misy e?” Niteny taminy koa aho hoe: “Be loatra ny olana sy ny tsy rariny!” Nilaza izy hoe efa nieritreritra an’izany koa, dia nahita valiny mahafa-po tao amin’ny Baiboly. Nilaza koa izy hoe mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nomeny boky iray izay aho avy eo, hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. a Saika tsy handray an’ilay izy aho, satria mbola tsy namaky boky avy amin’ny fivavahana hafa mihitsy. Tena te hahalala ny valin’ny fanontaniako anefa aho, dia lasa tiako ho fantatra hoe mitombina ve ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niova tanteraka ny fiainako taorian’iny resaka iny!

 Gaga be aho rehefa nahita hoe inona marina no lazain’ny Baiboly. Nianarako tao hoe tian’Andriamanitra hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona rehefa noforoniny, ary tsy niova izany fikasany izany. (Genesisy 1:28) Gaga be koa aho rehefa hitako tao amin’ny Baiboliko hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques moa ny Baiboliko tamin’izany. Hay Jehovah no anaran’ilay Andriamanitra nivavahako tamin’izaho nanao ny vavaka nampianarin’ny Tompo! (Salamo 83:18; Matio 6:9) Nanjary azoko koa hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana hatramin’izao. Nazava be tamiko daholo ny zava-drehetra! Faly be mihitsy aho!

 Tsy hohadinoiko mihitsy ny zavatra tsapako tamin’izaho sambany nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Sariaka be daholo ry zareo sady nanontany ny anarako daholo. Nisy lahateny manokana tamin’izay nanazava hoe hoatran’ny ahoana ny vavaka henoin’Andriamanitra. Nahaliana ahy ilay izy satria nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra foana aho. Nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy aho taorian’izay. Gaga be aho rehefa nahita hoe na ny ankizy aza nanaraka tao amin’ny Baiboly rehefa nisy andinin-teny novakina tany am-pivoriana. Izaho mantsy tsy nahay nijery toko sy andininy tao amin’ny Baiboly! Fa soa ihany fa nanampy ahy ny Vavolombelon’i Jehovah, dia lasa nahay namadika Baiboly aho.

 Lasa nivory matetika niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, dia hitako hoe tena tsara ny zavatra ampianarin-dry zareo. Be dia be ny zavatra nianarako isaky ny nivory aho. Nankahery sy namelombelona ahy foana koa ilay izy. Nanasa ahy hianatra Baiboly ry zareo taorian’izay.

 Tena tsy nisy ifandraisany tamin’ny zavatra hitako tany amin’ny fiangonako ny hitako teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitako hoe miray saina ry zareo sady tena miezaka hampifaly an’Andriamanitra. Lasa resy lahatra aho hoe tena Kristianina ry zareo satria mifankatia.—Jaona 13:35.

 Arakaraka ny nianarako Baiboly no tsy maintsy nanovako ny fiainako mba hifanaraka tamin’ny fitsipiky ny Baiboly. Hoatran’ny tsy ho vitako mihitsy anefa tamin’izany ny tsy hanao haiady intsony. Tiako mantsy ilay manao fanazaran-tena sy fifaninanana. Nolazaiko an’ilay Vavolombelona nampianatra Baiboly ahy izany, dia niteny tamiko izy hoe: “Tohizo fotsiny ny fianaranao, dia tsy maintsy handray fanapahan-kevitra tsara ianao. Matoky an’izany aho.” Tena nilaiko mihitsy izay fampaherezana izay. Rehefa nianatra foana mantsy aho, dia vao mainka aho te hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra.

 Nanova be ny fiainako ilay zava-nitranga notantaraiko teo am-piandohana iny, ilay izaho nandaka tsy nahy an’ilay olona nanao fanazaran-tena niaraka tamiko. Lasa nieritreritra be aho hoe mety ve ny manara-dia an’i Kristy sy miezaka hihavana amin’ny olona, nefa manao haiady ihany. Nianarako tao amin’ny Isaia 2:3, 4 hoe “tsy hianatra ady intsony” ny olona mankatò an’i Jehovah. Nilaza koa i Jesosy hoe tsy tokony hahery setra mihitsy ny mpianany, na dia iharan’ny tsy rariny aza. (Matio 26:52) Tsy nanao haiady intsony àry aho na dia tena tiako aza ilay izy.

 Narahiko avy eo ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Zaro foana ... ny tenanao hanana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” (1 Timoty 4:7) Atokako hanaovana zavatra ho an’Andriamanitra izao ny fotoana sy hery nolaniko nanaovana haiady. Tsy nanaiky ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly ilay ankizivavy niaraka tamiko, dia nisaraka izahay. Natao batisa aho tamin’ny 24 Janoary 1987, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela taorian’izay dia lasa mpanompo manontolo andro aho, izany hoe nanokana fotoana betsaka kokoa mba hampianarana Baiboly ny olona. Mbola mpanompo manontolo andro aho hatramin’izao, dia nisy fotoana aho nanompo tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, eto New York

NY SOA NORAISIKO

 Hitako hoe inona no banga teo amin’ny fiainako, rehefa nahalala ny marina momba an’Andriamanitra aho. Tena misy dikany ny fiainako izao! Lasa manana tanjona tsara aho, manana fanantenana azo antoka, ary tena sambatra. Mbola tia manao fanatanjahan-tena foana aho, nefa tsy izany intsony no zava-dehibe indrindra amiko, fa ny manompo an’i Jehovah Andriamanitra.

 Mailomailo sy nijery ny olona nanodidina ahy foana aho tamin’izaho nanao haiady, sady nieritreritra hoe ahoana no hiarovako tena raha sendra misy mamely ahy. Mbola mijery ny olona manodidina ahy foana koa aho hatramin’izao, fa ny hanampy azy ireo indray no tanjoko. Nampian’ny Baiboly aho mba ho lasa tia manome sy ho vady tsara kokoa ho an’i Brenda.

 Tena tiako ny haiady taloha, nefa novako zavatra tsara kokoa izany izao. Mety mihitsy ny fomba ilazan’ny Baiboly an’ilay izy, hoe: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena, fa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra kosa no mahasoa amin’ny zava-drehetra, satria izy io no misy fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy.”—1 Timoty 4:8.

a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.