Hijery ny anatiny

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Izao Aho vao Tena Manankarena!

Izao Aho vao Tena Manankarena!
  • Teraka: 1968

  • Firenena: Etazonia

  • Fiainany Taloha: Mpitantana orinasa, nivavaka mba ho lasa mpanankarena

NY FIAINAKO TALOHA

 Tany Rochester, any New York, aho no lehibe. Katolika izahay. Nisaraka i Dada sy Neny tamin’izaho valo taona. Tany amin’i Neny, tany amin’ny trano tsotsotra natao ho an’ny olona mahantra, àry aho no nipetraka rehefa andavanandro. Dia tany amin’i Dada, tany amin’ny tanànan’ny mpanana, indray rehefa faran’ny herinandro. Hitako hoe sahirana be i Neny namelona anay enina mianadahy, dia lasa nofinofiko ny hoe ho lasa mpanankarena. Amin’izay aho mba afaka manampy ny fianakaviako.

 Tian’i Dada ho tafita aho, dia nasainy nitsidika oniversite iray nalaza be, fianarana mitantana hotely. Tiako be ilay izy, dia nianatra tany aho. Nieritreritra aho mantsy hoe nivaly ilay vavaka nataoko hoe enga anie aho mba ho lasa mpanankarena dia ho sambatra. Dimy taona aho no nianatra. Nianatra momba ny fitantanana hotely sy ny lalànan’ny fandraharahana ary ny fitantanam-bola amina orinasa aho. Sady nianatra aho tamin’izany no niasa tao amina hotely filokana tany Las Vegas, any Nevada.

Anisan’ny asako ny nikarakara an’izay nilain’ny mpiloka nanankarena be

 Lasa filoha lefitra tao amin’ny hotely filokana iray aho, tamin’izaho 22 taona. Nanankarena sy tafita aho, hozy ny olona. Nihinana an’izay sakafo tsara indrindra aho matetika, dia nisotro ny divay sy ny toaka lafo indrindra koa. Hozy foana ny namako hoe: “Tadidio foana hoe ny vola ihany no zava-dehibe indrindra eto an-tany.” Nieritreritra ry zareo hoe rehefa manam-bola be ianao dia sambatra.

 Nisy olona nanankarena be mpankany Las Vegas mba hiloka, dia anisan’ny asako ny nikarakara an’izay nilain-dry zareo. Tena nanan-karena ry zareo, nefa hoatran’ny hoe tsy sambatra. Tsapako koa hoe tsy sambatra aho. Nihananan-karena be aho, nefa vao mainka niady saina sady tsy nahita tory mihitsy. Lasa nieritreritra aho hoe aleoko maty. Diso fanantenana be aho, dia nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Inona no tokony hataoko fa tena te ho sambatra aho?”

NANOVA NY FIAINAKO NY BAIBOLY

 Efa lasa Vavolombelon’i Jehovah ny anabaviko anankiroa tamin’izany, ary lasa nipetraka tany Las Vegas. Tsy nety nandray ny bokin-dry zareo mihitsy aho. Nanaiky hiara-mamaky ny Baiboliko tamin-dry zareo anefa aho. Menamena daholo ny tenin’i Jesosy, tao amin’ilay Baiboliko. Ny zavatra notenenin’i Jesosy no tena noresahin’izy roa tamiko, satria fantany hoe raha vao tenin’i Jesosy dia nanaiky aho. Namaky Baiboly irery koa aho.

 Be dia be ny zavatra nahagaga ahy, tamin’izay novakiko. Niteny, ohatra, i Jesosy hoe: “Raha mivavaka ianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny Jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.” (Matio 6:7, Fandikan-teny Katolika) Nisy mompera iray izay anefa nanome ahy sarin’i Jesosy, dia nasainy nivavaka tamin’ilay izy aho, sady nanao Rainay Izay any An-danitra impolo sy Masina Maria impolo. Amin’izay, hono, aho homen’Andriamanitra an’izay vola ilaiko. Tonga saina anefa aho hoe maro teny aho raha manao an’izany, satria zavatra mitovy foana no averimberiko. Novakiko koa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.” (Matio 23:9, Kat.) Dia lasa saina indray aho hoe fa maninona izahay Katolika no miantso ny momperanay hoe “Ray.”

 Tamin’izaho namaky ny bokin’i Jakoba vao tena nandinika lalina ny fiainako. Nilaza i Jakoba ao amin’ny toko faha-4 hoe: “Tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.” (Jakoba 4:4, Kat.) Vao mainka aho tonga saina rehefa namaky ny andininy faha-17 hoe: “Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka.” Nantsoiko ny anabaviko taorian’izay, dia noteneniko ry zareo hoe tsy hiasa amin’ny hotely filokana intsony aho, satria mbola hanao an’ireo zavatra tsy tiako intsony aho raha mbola miasa any. Anisan’izany ny hoe miloka sy ny hoe tia vola.

“Tamin’izaho namaky ny bokin’i Jakoba vao tena nandinika lalina ny fiainako”

 Tiako hatsaraina ny fifandraisako tamin’Andriamanitra sy tamin’i Dada sy Neny ary tamin’ny iray tam-po amiko. Tapa-kevitra aho hoe hotsoriko ny fiainako, amin’izay aho mba manam-potoana tsara hanaovana an’izany. Tsy mora anefa ilay izy. Nisy fotoana, ohatra, aho nisy nanolotra asa ambony kokoa tany amina hotely filokana. Mety ho lasa indroa na intelon’ny karamako tamin’izany ny karamako ho azoko. Nivavaka momba an’ilay izy anefa aho, dia nanapa-kevitra hoe hovako tanteraka ny fiainako. Niala tamin’ny asako aho, dia namboariko ny garazin’i Neny, dia tao aho no nipetraka sy niasa. Namono plastika an’ireny lisitra sakafo any amin’ny hotely ireny no lasa asako.

 Nanampy ahy ny Baiboly, dia lasa hitako hoe inona no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Mbola tsy nivory niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany anefa aho. Nanontanian’ny anabaviko aho hoe inona no tena tsy nitiavako ny Vavolombelona. Hozy aho tamin-dry zareo hoe: “Satria mampisaraka fianakaviana i Jehovah Andriamanitrareo. Izaho rehefa Krismasy sy aniversera ihany vao afaka miaraka amin’ny fianakaviako, nefa ianareo tsy manao an’ireo.” Nitomany ny iray tamin-dry zareo sady niteny hoe: “Fa aiza foana ianao rehefa tsy Krismasy sy aniversera? Izahay ange mba te hiaraka aminao amin’ireny e! Fa ianao amin’ireo fety ireo ihany vao te ho any aminay, sady amin’izay tsy mba hoe sitraponao fa satria fotsiny ianao mieritreritra hoe tsy maintsy manao an’izany.” Nanohina ny foko ny teniny, dia lasa niara-nitomany taminy koa aho.

 Tsapako hoe tena diso hevitra aho fa hay ny Vavolombelon’i Jehovah tena tia ny fianakaviany. Nandeha nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho taorian’izay, dia nihaona tamin’i Kevin. Mpampianatra Baiboly tena mahay izy. Nampianariny Baiboly aho.

 Nanatsotra ny fiainany i Kevin sy ny vadiny, amin’izay afaka nanokana fotoana betsaka araka izay atao hanampiana ny olona hahazo an’izay lazain’ny Baiboly. Ampy nandehanan-dry zareo nankany Afrika sy Amerika Afovoany koa ny volany. Nanampy tamin’ny fanorenana sampana ho an’ny Vavolombelona tany ry zareo. Tena sambatra izy mivady sady nifankatia be. Dia nieritreritra aho hoe: ‘Raha mba hoatran’ny an-dry zareo izao ny fiainako a!’

 Nisy video izay nasehon’i Kevin ahy. Miresaka ilay izy hoe tena mahasambatra ny manao misionera. Tapa-kevitra aho hoe hanao misionera. Niezaka be nianatra Baiboly aho nandritra ny enim-bolana. Natao batisa aho avy eo tamin’ny 1995, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nangataka tamin’Andriamanitra intsony aho hoe mba ataovy manankarena, fa lasa nivavaka indray hoe: “Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa.”—Ohabolana 30:8.

NY SOA NORAISIKO

 Izao aho vao tena manankarena! Tsy hoe satria manam-bola be, fa satria mifandray tsara amin’Andriamanitra sady sambatra. Nihaona tamin’i Nuria vady malalako tany Honduras aho. Lasa misionera tany Panama izahay, ary atỳ Meksika indray izahay izao. Tena marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.”—Ohabolana 10:22.