Hijery ny anatiny

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

‘Be dia Be ny Fanontaniako Mbola Tsy Voavaly’

‘Be dia Be ny Fanontaniako Mbola Tsy Voavaly’
  • Teraka: 1976

  • Firenena: Honduras

  • Fiainany Taloha: Pasitera

NY FIAINAKO TALOHA

 Teraka teto La Ceiba, eto Honduras, aho. Dimy mianadahy izahay ary izaho no faralahy sady lahitokana. Izaho irery koa no marenina ao amin’ny fianakavianay. Nampidi-doza ny toerana nisy anay ary nahantra kely izahay. Nihasarotra ny fiainanay rehefa maty tamin’ny loza tany am-piasana i Dada. Mbola vao efa-taona teo ho eo aho tamin’izay.

 Nanao izay azony natao i Neny mba hikarakarana anay, nefa zara raha nanam-bola hividianana akanjo ho ahy izy. Matetika aho no nangatsiaka rehefa avy ny orana satria tsy mba nanana akanjo mafana.

 Nianatra ny Tenin’ny Tanana any Honduras aho rehefa nihalehibe, amin’izay mba afaka mifampiresaka amin’ny marenina hafa. Tsy mahay an’ilay izy anefa ny mamanay sy ny anabaviko. Fihetsika vitsivitsy fotsiny no mba hain-dry zareo na ry zareo nanao baiko moana rehefa hiresaka amiko. Tia sy niaro an’ahy foana anefa i Neny. Izay fihetsika kely mba hainy no nampiasainy mba hampitandremana ahy tsy hanao zava-dratsy, ohatra hoe mifoka sigara na miboboka toaka. Faly aho hoe tsy mba nandevozin’ireo zavatra ireo rehefa nihalehibe.

 Nentin’ny mamanay nivavaka tany amin’ny Fiangonana Katolika foana aho tamin’izaho mbola kely. Tsy nisy zavatra azoko anefa tany satria tsy mba nisy nandika teny ho an’ahy. Leo be aho tamin’izaho folo taona, dia tsy nandeha niangona intsony. Mbola te hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra anefa aho.

 Nihaona tamin’ny vehivavy iray avy any Etazonia aho tamin’ny 1999, tamin’izaho 23 taona. Nivavaka tao amin’ny fiangonana ara-pilazantsara izy. Nampianariny Baiboly aho sady nampianariny Tenin’ny Tanana Amerikanina. Tiako ny zavatra nianarako momba ny Baiboly ka te ho lasa pasitera aho. Nankany Porto Rico àry aho mba hanaraka fampiofanana kristianina ho an’ny marenina. Nanangana fiangonana ho an’ny marenina aho rehefa niverina teto La Ceiba, tamin’ny 2002. Nisy namana vitsivitsy nanampy ahy tamin’izay ka anisan’izany i Patricia. Lasa vadiko izy tatỳ aoriana.

 Nanao toriteny tamin’ny Tenin’ny Tanana any Honduras aho, nampiseho sary momba ny tantara ao amin’ny Baiboly, ary nilalao ny tantara tao mba hahafahan’ny marenina mahazo an’ilay izy. Nitsidika an’ireo marenina teny amin’ny manodidina koa aho mba hampaherezana azy ireo sy hanampiana azy ireo amin’ny olana mahazo azy. Nanao dia misionera tany Etazonia sy Zambia mihitsy aza aho. Mbola vitsy ihany anefa ny zavatra fantatro momba ny Baiboly. Izay nampianarina an’ahy sy izay fahazoako an’ireo sary ihany no noresahiko tamin’ny olona. Be dia be, raha ny marina, ny fanontaniako mbola tsy voavaly.

 Nanomboka nanely lainga momba an’ahy ny mpivavaka sasany tao amin’ilay fiangonako, indray mandeha. Mamo lava, hono, aho sady mampirafy. Kivy be aho sady tezitra. Niala tao amin’ilay fiangonana izaho sy Patricia, tsy ela taorian’izay.

NANOVA NY FIAINAKO NY BAIBOLY

 Matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no tonga tao aminay sy Patricia, fa tsy nihaino azy ireo mihitsy izahay. Rehefa niala tamin’ilay fivavahanay anefa izahay, dia nanaiky hianatra Baiboly tamin’ny mpivady Vavolombelon’i Jehovah ihany i Patricia. Thomas sy Liccy no anaran’izy ireo. Gaga be aho hoe nahay tenin’ny tanana ry zareo nefa tsy marenina. Lasa niara-nianatra tamin’i Patricia koa àry aho.

 Nampiasa video tamin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina izahay, nandritra ny volana maromaro, rehefa nianatra. Rehefa nisy namanay nilaza tamiko anefa hoe manaraka olona ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy nianatra Baiboly intsony izahay. Niezaka nanaporofo tamiko i Thomas hoe tsy manaraka mpitarika olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy nino azy aho.

 Kivy be i Patricia, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nivavaka tamin’Andriamanitra mba haniraka Vavolombelon’i Jehovah hitsidika azy indray. Tsy ela dia nisy Vavolombelon’i Jehovah mpiray tanàna taminay nitsidika an’i Patricia sady nilaza hoe azony resahina i Liccy mba hitsidika azy. Hita hoe tena namana i Liccy. Nitsidika an’i Patricia foana izy isan-kerinandro mba hampahery sy hampianatra Baiboly azy. Mbola tsy tena natoky ny Vavolombelon’i Jehovah anefa aho.

 Nanao ezaka manokana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2012 mba hampisehoana an’ilay video hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina?, tamin’ny Tenin’ny Tanana any Honduras. Nasehon’i Liccy anay koa ilay video. Taitra be aho rehefa nijery an’ilay izy. Fantatro mantsy tamin’izay hoe tsy hita ao amin’ny Baiboly akory ny ankamaroan’ny zavatra nampianariko hatramin’izay, ohatra hoe ny afobe na ny fanahy tsy mety maty.

 Nankany amin’ny Efitrano Fanjakana aho ny herinandro nanaraka mba hiresaka tamin’i Thomas. Nilazako izy hoe te hampianatra ny marina momba ny Baiboly amin’ny olona marenina aho fa tsy te ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny tanjoko dia hoe hamorona fiangonana mitokana ho an’ny marenina. Nidera an’ahy i Thomas noho ny zotom-poko, nefa avy eo nasehony an’ahy ny Efesianina 4:5. Asongadin’io andininy io hoe ilaina ny miray saina eo anivon’ny fiangonana kristianina.

 Nomen’i Thomas an’ahy koa ilay video hoe Nampiseho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah, Fizarana Voalohany: Niala Tamin’ny Haizina, amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina. Asehon’io video io hoe nisy lehilahy vitsivitsy nandinika tsara ny Baiboly mba hahatakarana an’ireo fampianarana fototra ao. Rehefa nijery an’ilay video aho dia azoko hoe inona no tsapan’ireo lehilahy ireo. Nitady ny marina hoatran-dry zareo koa mantsy aho. Io video io no naharesy lahatra ahy hoe avy ao amin’ny Baiboly daholo ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nianatra Baiboly indray àry aho, ary natao batisa izaho sy i Patricia tamin’ny 2014 ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO

 Tiako ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah satria madio, hoatran’Andriamanitra. Madio ny zavatra resahin’ny mpivavaka ao sady madio koa ny fifandraisany amin’ny hafa. Mihavana tsara izy ireo sady mifampahery. Miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah, ary fahamarinana ara-baiboly mitovy ihany no ampianariny na aiza na aiza firenena misy azy ary na inona na inona fiteniny.

 Tiako ny mianatra an’izay tena ampianarin’ny Baiboly. Nianarako, ohatra, hoe i Jehovah no Andriamanitra Mahery Indrindra ary izy no manana zo hitondra manerana ny tany. Samy tiany na ny marenina na ny mandre. Sarobidy amiko ny hoe tia an’ahy Andriamanitra. Nianarako koa hoe ho lasa paradisa tsara tarehy ny tany ary afaka ny hiaina mandrakizay isika sady ho salama tsara. Efa tsy andriko erỳ ny fotoana hahatanterahan’ireo!

 Tianay sy Patricia ny miresaka momba ny Baiboly amin’ny olona marenina. Misy amin’ireo tao amin’ny fiangonanay taloha izao ampianarinay Baiboly. Tsy manana fanontaniana momba ny zavatra ampianariko intsony anefa aho izao, tsy hoatran’ny tamin’izaho mbola pasitera. Voavaly ihany ny fanontaniako rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho.