Hijery ny anatiny

Tsy Mora Kivy Izy na dia Marary Mafy Aza

Tsy Mora Kivy Izy na dia Marary Mafy Aza

 Vavolombelon’i Jehovah i Virginia. Voan’ny aretin’ny atidoha izy, dia lasa malemy ny vatany iray manontolo. Mbola mahita tsara izy sady maheno tsara. Azony ahiratra sy akimpy koa ny masony, sady mbola afaka manodina ny lohany tsikelikely izy. Tsy afaka miteny anefa izy sady tsy afaka misakafo. Salama tsara foana izy taloha sady tena natanjaka. Nisy zavatra nanaintaina be nefa tao amin’ny lohany, indray maraina, tamin’ny 1997. Nentin’ny vadiny tany amin’ny hopitaly haingana izy, ary lasa tsy nahatsiaro tena ny harivan’iny. Roa herinandro taorian’izay izy vao nahatsiaro tena, sady tao amin’ny fitsaboana olona marary mafy. Lasa nalemy ny vatany iray manontolo, ary nasiana milina manampy azy hifoka rivotra izy. Tsy nisy na inona na inona tadidiny mihitsy, nandritra ny andro vitsivitsy. Na ny tenany aza tsy hainy hoe iza izy.

 Nohazavain’i Virginia hoe inona no nitranga taorian’izay. Hoy izy: “Niverina tsikelikely ihany ny fitadidiako. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho. Tena mbola tsy te ho faty aho mantsy, sady mampalahelo ahy ilay zanako lahikely raha ho lasa kamboty reny. Niezaka nitadidy andinin-teny be dia be araka izay vitako aho, amin’izay mba tsy ho kivy be.

 “Navoakan’ny dokotera tao amin’ilay efitra fitsaboana olona marary mafy ihany aho, tatỳ aoriana. Imbetsaka aho no nafindrafindra hopitaly, ary nalefa nody aho rehefa afaka enim-bolana. Mbola nalemy tanteraka ny vatako iray manontolo, dia nila olona nanampy ahy foana aho, rehefa manao zavatra. Tena kivy tanteraka aho! Nieritreritra aho hoe tsy misy ilana an’ahy intsony. Sady tsy ilain’ny olona intsony aho no tsy ilain’i Jehovah. Niasa saina be koa aho hoe ahoana izao no hitaizako an’ilay zanako.

 “Nanomboka namaky tantarana Vavolombelon’i Jehovah efa narary mafy hoatran’ahy koa aho. Gaga be mihitsy aho hoe tena mbola nahavita nanompo tsara an’i Jehovah ry zareo. Niezaka nanana toe-tsaina tsara koa àry aho, dia nifantoka tamin’izay zavatra mbola azoko natao. Tamin’izaho mbola tsy narary, dia voafetra ny fotoana azoko nanaovana zavatra ara-panahy, ohatra hoe nianatra Baiboly, nitory, na nivavaka tamin’i Jehovah. Izao anefa aho lasa afaka manao zavatra ara-panahy foana isan’andro isan’andro, tontolo andro. Naleoko àry nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah, toy izay nitsetra tena fotsiny.

 “Nianatra ordinatera aho. Misy programan’ordinatera iray manampy ahy ho lasa afaka manoratra fehezanteny. Misy litera maromaro mipoitra eo amin’ilay ordinatera, dia ny fihetsiky ny lohako no mifidy an’izay litera ilaiko mba hahafahako mamorona fehezanteny. Mandreraka ny manao an’ilay izy, nefa manampy ahy ho afaka hianatra Baiboly sy hiresaka ny fanantenako amin’olona, amin’ny alalan’ny taratasy sy ny e-mail. Manana tabilao misy abidy aho, dia izay no ampiasaiko rehefa miresaka amin’olona aho. Misy litera maromaro, ohatra, tondroin’ilay olona amiko. Rehefa litera diso no tondroiny dia ahiratro ngezabe ny masoko, fa rehefa litera marina indray no tondroiny, dia akimpiko ny masoko. Dia hoatr’izay foana no ataonay mandra-pahavitanay mamorona teny na fehezanteny. Misy rahavavy sasany efa miaraka amiko matetika, dia efa lasa mahafantatra ny zavatra tiako holazaina. Indraindray anefa manao tsianjery fotsiny ry zareo dia diso ny litera tondroiny, dia ataonay fihomehezana fotsiny ilay izy.

Miresaka amin’olona amin’ny alalan’ny tabilao misy abidy

 “Tena tiako ny miaraka amin’ny fiangonana. Manaraka fivoriana amin’ny alalan’ny vidéoconférence foana aho. Afaka manoratra ny valin-teniko mihitsy aza aho, dia misy olona mamaky an’ilay izy, rehefa misy fanontaniana sy valiny ny anjara atao any am-pivoriana. Manao vidéoconférence amin’ny andia-mpitory iray koa aho rehefa mijery ny Tele JW isam-bolana. a

 “Efa 23 taona aho izao no tratran’ity aretina ity. Marina hoe malahelo ihany aho indraindray. Tsy maninona intsony anefa aho rehefa mivavaka amin’i Jehovah sy miaraka amin’ny mpiara-manompo ary manao zavatra ara-panahy foana. Afaka nanao mpisava lalana mpanampy foana aza aho nandritra izay enin-taona mahery lasa izay, satria nampian’ny mpiara-manompo. Niezaka mba ho modely tsara ho an’i Alessandro zanako lahy koa aho. Efa manambady izy izao sady efa anti-panahy. Samy mpisava lalana koa izy mivady.

 “Mieritreritra foana an’izay zavatra ho azoko atao any amin’ny paradisa aho. Ny zavatra tiako hatao voalohany izao dia ny hoe hiresaka amin’olona momba an’i Jehovah. Te handehandeha any ambanivohitra koa aho, dia manaraka sakelidrano, sady mankafy ny hakanton’ny manodidina. Efa tsy andriko koa ny hioty paoma eny am-potony, dia mba afaka manaikitra an’ilay izy. Efa 20 taona aho izao mantsy no tsy mba afaka nihinan-javatra, fa alefa amin’ny alalan’ny fantsona ny sakafoko. Izaho koa moa Italianina, dia tsy andriko ny hanaovana an’izay sakafo italianina tiako indrindra, ohatra hoe pizza!

 “Ny ‘fanantenana famonjena’ no niaro ny saiko. (1 Tesalonianina 5:8) Na dia malemy aza aho, dia falifaly foana rehefa mieritreritra ny tenako hoe any amin’ny paradisa. Fantatro mantsy hoe efa tsy ho ela intsony izany. Tena efa tsy andriko ny hankafy an’ilay ‘tena fiainana’ nampanantenain’i Jehovah hoe homena antsika, amin’ny alalan’ny Fanjakany.”—1 Timoty 6:19; Matio 6:9, 10.

a Misy rohy mankany amin’ny Tele JW ao amin’ny jw.org.