Hijery ny anatiny

Fivavahana Protestanta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Fivavahana Protestanta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Tsia. Marina fa Kristianina izahay Vavolombelon’i Jehovah nefa tsy Protestanta izahay. Nahoana?

 Misy milaza fa ny atao hoe Fivavahana Protestanta dia izay “fikambanana ara-pivavahana manohitra ny Fivavahana Katolika.” Marina fa tsy manaiky ny fampianaran’ny Eglizy Katolika ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mihevitra ny tenanay ho Protestanta anefa izahay noho ireto antony ireto:

  1.   Misy zavatra maromaro inoan’ny Protestanta nefa mifanohitra amin’ny Baiboly. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “iray ny Andriamanitra”, fa tsy telo izay iray. (1 Timoty 2:5; Jaona 14:28) Voalaza mazava tsara ao koa fa hosazin’Andriamanitra ny ratsy fanahy, ka horinganiny mandrakizay fa tsy hoe halefany any amin’ny afobe.—Salamo 37:9; 2 Tesalonianina 1:9.

  2.   Tsy manohitra na miezaka manova ny Eglizy Katolika sy ny fivavahana hafa izahay. Mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra fotsiny izahay, ary manampy ny olona hino an’izany vaovao tsara izany. (Matio 24:14; 28:19, 20) Tsy hoe hanova antokom-pivavahana no tanjonay fa ny hanampy ny olona tso-po hianatra ny marina momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly.—Kolosianina 1:9, 10; 2 Timoty 2:24, 25.