Hijery ny anatiny

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandray Anjara Amin’ny Fombafomba Mampiseho Fitiavan-tanindrazana?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandray Anjara Amin’ny Fombafomba Mampiseho Fitiavan-tanindrazana?

 Manaja ny fitondram-panjakana sy ny marika famantarana azy ireny ny Vavolombelon’i Jehovah. Manaiky koa izy ireo fa mety hifidy ny hanangan-tsaina na hanao hiram-pirenena ny olon-kafa, na hianiana tsy hivadika amin’ny tanindrazana.

 Tsy mandray anjara amin’ny fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana hoatr’izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitanay mantsy hoe mifanohitra amin’ny zavatra ampianarin’ny Baiboly izany. Tianay koa raha mba manaja ny zavatra inoanay ny olon-kafa hoatran’ny ataonay manaja ny safidy ataon’izy ireo.

Ho hitantsika ato hoe:

 Inona no ampianarin’ny Baiboly momba an’izany?

 Misy toro lalan’ny Baiboly anankiroa mahatonga anay hanao an’izany safidy izany. Ireto avy izy ireo:

  •   Andriamanitra irery no tokony hotompoina. Izao no lazain’ny Baiboly: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.” (Lioka 4:8) Matetika anefa ireny fianianana sy hiram-pirenena ireny no ahitana fampanantenana hoe tsy hivadika amin’ny tanindrazana mihitsy ka vonona ny hanome ny zava-drehetra ho an’ny taniny. Tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretan’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny mandray anjara amin’ny fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana hoatr’izany.

     Mihevitra koa ny Vavolombelon’i Jehovah fa toy ny manompo sampy ny manangan-tsaina. Raran’ny Baiboly anefa ny fanompoan-tsampy. (1 Korintianina 10:14) Misy mpahay tantara milaza fa, raha ny marina, dia famantarana ara-pivavahana ny sainam-pirenena. Nanoratra i Carlton Hayes mpahay tantara fa “ivavahana ny sainam-pirenena.” a Nilaza toy izao koa i Daniel Mannix momba ny Kristianina voalohany: “Tsy nety nanao . . . sorona ho an’ilay emperora [romanina] neken-teny ny Kristianina. Mitovitovy amin’ny tsy fetezana hanangan-tsaina amin’izao andro izao izany.” b

    Marina hoe tsy manangan-tsaina ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy izy ireo mihitsy anefa no hanao fanahy iniana hanimba, handoro, na tsy hanaja ny sainam-pirenena na marika hafa mampiavaka firenena iray.

  •   Mitovy daholo ny olona rehetra amin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Milaza ny Baiboly fa “avy tamin’ny olona anankiray no nanaovany ny firenena rehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:26) Mino àry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy mety ny manindrahindra foko na firenena iray. Hajainay ny olona rehetra na inona na inona fiaviany ary na aiza na aiza misy azy.​—1 Petera 2:17.

 Ahoana raha mitaky ny lalàna hoe tsy maintsy mandray anjara amin’ilay izy izahay?

 Tsy manohitra ny fitondram-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mino izahay fa anisan’ny “lamina napetrak’Andriamanitra” izy ireny ary mbola avelany hisy. (Romanina 13:1-7) Mino koa izahay fa tokony hanaraka ny tenin’ny manam-pahefana ny Kristianina.​—Lioka 20:25.

 Ahoana anefa raha mitaky anay hanao zavatra raran’Andriamanitra ny lalàna? Azo atao indraindray ny manao fangatahana amin’ny fanjakana hoe ahitsy ny lalàna. c Rehefa tsy misy fanovana azo atao anefa dia mifidy amim-panajana ny hankatò an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah satria “Andriamanitra no mpitondra anay … fa tsy olona.”​—Asan’ny Apostoly 5:29.

 Te haneho hevitra amin’ny resaka politika na sosialy ve ny Vavolombelon’i Jehovah matoa tsy mandray anjara amin’izany?

 Tsia. Tsy mandray anjara amin’ny adihevitra ara-politika sy ara-tsosialy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy hoe mikomy amin’ny fitondrana akory izahay matoa tsy manaiky hivoady hoe tsy hivadika amin’ny tanindrazana, na tsy manangan-tsaina na tsy manao hiram-pirenena. Miezaka manaraka ny zavatra inoanay ao amin’ny Baiboly momba an’ireny fanao ireny kosa izahay.

a Essays on Nationalism, pejy 107-108.

b The Way of the Gladiator, pejy 212.