Hijery ny anatiny

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | JONATANA

“Tsy Misy Mahasakana An’i Jehovah”

“Tsy Misy Mahasakana An’i Jehovah”

Alao sary an-tsaina hoe mahita toby miaramila mitokana kely ianao. Toby nataon’ny Filistinina hitiliana ny fahavalony ilay izy. Tsy misy afa-tsy tany karakaina sy harambato no tazana avy eny, ary misy hantsana be eo ambaniny. Taitra kely ry zareo fa nisy lehilahy roa teny amin’ny toerana avoavo teny ampitan’ilay hantsana, sady tsy mba niafinafina akory. Vao fantatry ny Filistinina anefa hoe Israelita izy roa lahy, dia tsy taitra indray ry zareo fa nihomehy kely fotsiny. Tsy natahorana mantsy ny Israelita satria efa hatramin’ny ela ny Filistinina no nanjakazaka tamin-dry zareo. Na ny fitaovana vy nampiasain’ny Israelita tamin’ny fambolena aza tsy maintsy tany amin’ny Filistinina no noranitina. Tsy dia nanana fitaovam-piadiana koa àry ny Israelita. Sady roa lahy fotsiny ilay teny ampitan’ilay hantsana, ka na nanana fitaovam-piadiana aza, dia hahavita inona eo? Sady nanesoeso àry ny Filistinina no niantsoantso azy roa lahy hoe: “Miakara etỳ aminay, fa ataonay mahita faisana ianareo!”—1 Samoela 13:19-23; 14:11, 12.

Nivadika anefa ny rasa. Ny Filistinina no tena hahita faisana! Nihazakazaka nidina haingana ireo Israelita roa lahy, dia niampita ary nianika an’ilay hantsana mba ho eny amin’ny Filistinina. Nideza be ilay hantsana sady feno harambato, ka tsy maintsy nandady ry zareo rehefa nianika an’ilay izy. Tsy nijanona mihitsy anefa ry zareo fa nanovokovoka be, dia nanao izay hahatongavana haingana teny amin’ilay toby. (1 Samoela 14:13) Izay vao hitan’ny Filistinina hoe hay nitondra fitaovam-piadiana ilay lehilahy tafakatra voalohany, ary mpitondra fiadiany ilay nanaraka azy avy ao aoriana. Mety ho nieritreritra ny Filistinina hoe: ‘Lehilahy iray koa ve dia hahavita hanafika toby iray manontolo e? Sady amin’izay olona iray fotsiny no entiny. Adala angamba io!’

Tsy adala mihitsy izy, fa tena nanam-pinoana. Jonatana no anarany, ary mbola afaka mandray lesona avy amin’ny tantarany ny tena Kristianina. Tsy mandeha miady isika, nefa afaka manahaka an’i Jonatana. Be herim-po sy tsy nivadika ary tsy nitady izay hahasoa ny tenany izy. Tena ilaina ireo toetra ireo raha te hanana finoana matanjaka.—Isaia 2:4; Matio 26:51, 52.

Nankatò an-drainy foana sady tsy nilavo lefona mihitsy

Fa nahoana i Jonatana no nanafika an’ilay toby? Andao hojerentsika ny mombamomba azy. Lahimatoan’i Saoly izy. I Saoly no mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely. Efa 20 taona na mahery kely angamba i Jonatana tamin’i Saoly notendren’i Jehovah ho mpanjaka. Nifankatia be foana izy mianaka. Matetika mantsy i Saoly no nitantara tsiambaratelo tamin’i Jonatana. Fantatr’i Jonatana hoe tsara tarehy ny rainy sady lava be, ary miaramila be herim-po. Tsy izay ihany anefa fa nanam-pinoana sy nanetry tena koa izy, ary hain’i Jonatana hoe ireo no tena antony nifidianan’i Jehovah azy ho mpanjaka. Na i Samoela mpaminany aza niaiky hoe hafa mihitsy i Saoly!—1 Samoela 9:1, 2, 21; 10:20-24; 20:2.

Matetika no nandeha niady ry Saoly. Azo antoka fa faly i Jonatana nanampy ny rainy. Tsy hoe tia tanindrazana ry zareo, dia nandeha niady. Nofidin’i Jehovah hisolo tena azy kosa ny Israelita, nefa notafihin’ny firenena mpanompo sampy foana. Anisan’izany ny Filistinina, izay nivavaka tamin’i Dagona sy tamin’ny andriamani-diso hafa. Matetika ny Filistinina no nitady hanjakazaka tamin’ny vahoakan’i Jehovah, ary nitady handringana an-dry zareo mihitsy aza.

Nandeha niady àry ny lehilahy israelita, satria anisan’ny fanompoana an’i Jehovah ilay izy tamin’izany. Niezaka nanao an’izany i Jonatana, ka notahin’i Jehovah. Vao lasa mpanjaka kelikely i Saoly, dia nanendry azy hitarika miaramila 1 000. Nandeha nanafika ny tobin’ny Filistinina tany Geba i Jonatana sy ny miaramilany avy eo. Zara raha nanana fitaovam-piadiana ry zareo, nefa naharesy satria nampian’i Jehovah. Tezitra ny Filistinina, ka nanangona miaramila maro be mba hanafika ny Israelita. Be dia be ny miaramilan’i Saoly nihorohoro, ka nandositra ny sasany, dia niafina. Nisy mihitsy aza lasa niandany tamin’ny Filistinina! I Jonatana anefa tsy nilavo lefona fa be herim-po foana.—1 Samoela 13:2-7; 14:21.

Tamin’izay no nitranga ilay tantara terỳ am-piandohana. Nanapa-kevitra i Jonatana hoe hanafika ny Filistinina any Mikmasy. Tsy niteniteny tamin’iza na iza izy, fa ny mpitondra fiadiany ihany no nentiny. Rehefa akaiky ho tonga izy roa lahy vao nohazavain’i Jonatana taminy hoe izao no noeritreretiny hatao: Hataon’izy roa lahy izay hahitan’ny miaramila filistinina azy, ka raha asain’ny Filistinina miakatra eny aminy ry zareo, dia izay no famantarana hoe hanampy ny mpanompony i Jehovah. Tonga dia nanaiky ilay mpitondra fiadiany. Nanohina ny fony angamba ny tenin’i Jonatana hoe: “Tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hamonjy, na maro na vitsy no ampiasainy.” (1 Samoela 14:6-10) Inona no tian’i Jonatana holazaina?

Hita hoe fantatr’i Jonatana tsara ny Andriamaniny. Azo antoka fa tadidiny hoe efa nanampy ny vahoakany foana i Jehovah taloha, ka na be dia be hoatran’ny inona aza ny fahavalon-dry zareo, dia resy. Efa nisy fotoana aza olona iray fotsiny no nampiasain’i Jehovah. (Mpitsara 3:31; 4:1-23; 16:23-30) Fantatr’i Jonatana àry hoe tsy isa na tanjaka na fitaovam-piadiana no zava-dehibe, fa finoana. Nino izy hoe hampahafantarin’i Jehovah azy sy ilay mpitondra fiadiany raha tokony hanafika an’ilay tobin’ny Filistinina ry zareo na tsia. Tanteraka tokoa ilay famantarana noteneniny, ka tsy nisalasala i Jonatana fa tonga dia nandeha.

Zavatra roa no ahitana hoe nanam-pinoana i Jonatana. Voalohany, niaiky izy hoe tsy misy hoatran’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Fantany hoe tsy mila olombelona hanampy azy i Jehovah vao mahavita manatanteraka ny an’izay tiany hatao. Izy mantsy no Mahery Indrindra. Mahafinaritra azy anefa ny mampiasa olombelona, ary tahiny ilay olona. (2 Tantara 16:9) Faharoa, nitady ny tari-dalan’i Jehovah aloha izy vao nanao zavatra. Ary isika? Tsy afaka manantena fahagagana avy amin’Andriamanitra intsony isika amin’izao, mba hamantarana raha mety ny zavatra tiantsika hatao na tsia. Isika anefa manana ny Tenin’Andriamanitra iray manontolo, ka afaka mamantatra ny sitrapony. (2 Timoty 3:16, 17) Eritrereto àry izao: ‘Mandinika tsara ny Baiboly ve aho alohan’ny handraisako fanapahan-kevitra lehibe?’ Manahaka an’i Jonatana isika raha manao an’izany. Ho hita mantsy hoe ny sitrapon’Andriamanitra no tiantsika kokoa fa tsy ny antsika.

Nianika haingana an’ilay havoana mideza be i Jonatana sy ny mpitondra fiadiany mba hanafika an’ilay toby. Teo vao tonga saina ny Filistinina hoe tena hanafika izy roa lahy. Naniraka lehilahy maromaro àry ny Filistinina hiady amin-dry zareo. Betsaka kokoa ny Filistinina sady ambony kokoa ny toerana nisy azy, ka tokony ho mora taminy ny namono azy roa lahy. Nasian’i Jonatana tsirairay anefa ry zareo. Ilay mpitondra fiadiana indray nanaraka azy avy ao aoriana, dia namono azy ireo ho faty. Tsy lasa lavitra akory izy roa lahy dia nahafaty miaramila 20. Tsy izay ihany fa mbola nisy zavatra nataon’i Jehovah mba hanampiana azy roa lahy. Izao no tohin’ilay tantara: “Dia nihorohoro ny tao an-toby izay teny ambanivohitra, sy ny olona rehetra tao amin’ilay toby mpitily. Ny mpandroba koa aza nihorohoro. Ary nanomboka nihovotrovotra ny tany. Avy tamin’Andriamanitra daholo izany.”—1 Samoela 14:15.

Toby miaramila iray manontolo no notafihin-dry Jonatana nefa ry zareo roa lahy fotsiny

Tazan’i Saoly sy ny miaramilany avy teny lavidavitra hoe nisahotaka be ny Filistinina. Hita hoe natahotra be izy rehetra. Gaga ry Saoly fa ry zareo samy zareo indray no nifamono! (1 Samoela 14:16, 20) Lasa tsy natahotra intsony àry ny Israelita, ka tonga dia nasiany izay Filistinina tratrany. Ny fitaovam-piadian’ireo Filistinina maty angamba no nampiasain-dry zareo. Nampitaintaina ilay ady! Resy tanteraka ny Filistinina tamin’izay, satria nampian’i Jehovah ny vahoakany. Mbola tsy miova i Jehovah hatramin’izao, ka tsy hanenina mihitsy isika raha matoky azy, hoatran’ny nataon’i Jonatana sy ilay mpitondra fiadiany.—Malakia 3:6; Romanina 10:11.

“Niara-niasa tamin’Andriamanitra izy”

Noho i Jonatana no nahatonga ny Israelita handresy tamin’iny ady iny, fa tsy noho i Saoly. Nanao fahadisoana lehibe mantsy i Saoly. Tsy nankatò an’i Samoela mpaminanin’i Jehovah, ohatra, izy. Nanolotra sorona ho an’i Jehovah i Saoly nefa i Samoela no tokony ho nanao an’izany, satria izy Levita. Rehefa tonga àry i Samoela, dia noteneniny i Saoly hoe tsy haharitra ny fanjakany satria izy tsy nankatò. Mbola nanao fahadisoana indray i Saoly avy eo. Nisy fianianana nataony talohan’ny nandefasany ny miaramilany hiady, ary notereny hanaraka an’ilay izy koa ry zareo. Hoy izy: “Voaozona izay olona mihinan-kanina alohan’ny takariva, mandra-pamitako ny valifatiko amin’ny fahavaloko!”—1 Samoela 13:10-14; 14:24.

Hita avy amin’izany hoe niova be i Saoly. Mba nanetry tena sy nifandray tsara tamin’i Jehovah ihany izy taloha, nefa lasa te hoderaina sy tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany. Tafahoatra loatra ny zavatra notakiny tamin’ny miaramilany, nefa ry zareo aza niasa mafy sy nanao vivery ny ainy. Tsy hampanao zavatra hoatr’izany mihitsy i Jehovah! Diniho koa ilay tenin’i Saoly hoe: “Mandra-pamitako ny valifatiko amin’ny fahavaloko!” Mety ho nieritreritra i Saoly hoe adiny ilay izy fa tsy an’i Jehovah. Ny hahazo voninahitra angamba no nahamaika azy, na ny hamaly faty, na ny handresy. Hadinony tanteraka angamba hoe i Jehovah no nanao an’io ady io satria niharan’ny tsy rariny ny vahoakany.

Tsy nahafantatra an’ilay fianianana nataon’ny rainy i Jonatana. Reraka be avy tany an’ady izy, ka vao nahita toho-tantely, dia naka tantely kely tamin’ny tehiny. Vao nihinana izy, dia lasa natanjaka indray. Nisy miaramila niteny taminy anefa avy eo hoe efa noraran’i Saoly tsy hihinan-javatra ny olona. Izao no navalin’i Jonatana: “Nahatonga loza tamin’ny tanintsika ny raiko. Mba jereo ange ny fihiratry ny masoko rehefa nihinana an’iny tantely kely iny aho e! Mainka fa raha nihinana tamin’ny zavatra nobaboina tamin’ireo fahavalony ny olona androany! Fa izao dia tsy betsaka loatra ny maty tamin’ny Filistinina.” (1 Samoela 14:25-30) Marina ny azy! Tsy hoe nankatò an-jambany fotsiny i Jonatana. Tsy hoe nekeny be fahatany izay zava-drehetra nataon’ny rainy sy noteneniny. Nisaina tsara kosa izy, dia lasa nohajain’ny olona.

Henon’i Saoly avy eo hoe tsy nanaraka ny baikony ny zanany. Mbola tsy tonga saina ihany anefa izy hoe tsy nety ilay fianianana nataony. Nasainy novonoina àry i Jonatana, na dia zanany naterany aza! Tsy mba nanohitra anefa i Jonatana na nitalaho famindram-po. Jereo ange ny valin-teniny e! Tsy niaro tena izy fa tonga dia niteny hoe: “Intỳ aho! Aoka aho ho faty!” Hoy anefa ny vahoaka: “Ho faty ve i Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe teo amin’ny Israely izao? Sanatria izany! Raha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy hisy ho latsaka amin’ny tany na dia ny singam-bolony iray aza. Fa niara-niasa tamin’Andriamanitra izy androany.” Inona no vokany? Izay vao tonga saina i Saoly hoe tsy nety ny nataony. Izao no tohin’ilay tantara: “Toy izany no nanavotan’ny olona an’i Jonatana, ka tsy maty izy.”—1 Samoela 14:43-45.

“Intỳ aho! Aoka aho ho faty!”

Be herim-po i Jonatana. Nafana fo koa izy, sady tsy nitady izay hahasoa ny tenany. Lasa tsara laza àry izy, ka navotan’ny olona rehefa saika maty. Ary ianao? Miezaka ny ho tsara laza ve ianao isan’andro? Resahin’ny Baiboly hoe sarobidy be ny laza tsara. (Mpitoriteny 7:1) Tokony hiezaka ho tsara laza eo anatrehan’i Jehovah isika, toy ny nataon’i Jonatana, satria tena hahasoa antsika izany.

Niova be ny rainy

Tsy nitsoaka an-daharana mihitsy i Jonatana, na dia nanao fahadisoana aza ny rainy. Nanampy azy foana izy isaky ny nisy ady. Vao mainka anefa i Saoly tsy nankatò an’i Jehovah sady nanambony tena. Niharatsy toetra izy. Azo antoka hoe nalahelo be i Jonatana nahita an’izany, nefa tsy nisy azony natao.

Tafahoatra loatra ny nataon’i Saoly taorian’izay, rehefa nasain’i Jehovah niady tamin’ny Amalekita izy. Ratsy toetra be ny Amalekita, ary efa tamin’ny andron’i Mosesy i Jehovah no niteny hoe tokony haringana tanteraka ry zareo. (Eksodosy 17:14) Notenenin’i Jehovah i Saoly hoe tsy tokony hasiana miangana ny biby fiompin’ny Amalekita, ary tokony hovonoina i Agaga mpanjakan’izy ireo. Naharesy i Saoly tamin’izay. Azo inoana fa nanampy azy toy ny mahazatra i Jonatana, ary tena nanao izay ho afany mihitsy. Tsy nankatò an’i Jehovah anefa i Saoly, ary fanahy iniany ilay izy. Tsy novonoiny mantsy i Agaga sy ireo biby fiompy. Nalainy daholo koa izay zavatra sarobidy rehetra hitany. Tamin’izay vao tena nosazin’i Jehovah i Saoly. Nasainy niteny taminy i Samoela mpaminany hoe: “Nanda ny tenin’i Jehovah ianao, ka laviny tsy ho mpanjaka.”—1 Samoela 15:2, 3, 9, 10, 23.

Nesorin’i Jehovah tamin’i Saoly ny fanahiny masina, tsy ela taorian’izay. Tsy nanohana azy intsony i Jehovah, fa navelany hikorontan-tsaina izy. Lasa niovaova be àry ny fihetseham-pon’i Saoly. Mbetika izy tezitra be, dia mbetika natahotra be. (1 Samoela 16:14; 18:10-12) Vao mainka izao i Jonatana nalahelo nahita an’izany! Olona mba nanana ny naha izy azy ihany ny rainy, nefa niova be. Na izany aza, dia niezaka nanao izay rehetra azony natao i Jonatana mba hanampiana azy. Nisy fotoana aza izy tsy nihafahafa fa nampisaintsaina an’i Saoly. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Jonatana fa nanompo azy foana, na teo aza izany rehetra izany. Fantany mantsy hoe tsy mba miovaova ilay Rainy any an-danitra.—1 Samoela 19:4, 5.

Efa nisy olona tena tianao ve, nefa lasa niova be? Nalahelo be izao ianao, indrindra raha fianakavianao akaiky ilay izy. Mampahery antsika anefa ny tantaran’i Jonatana. Tadidio ilay tenin’ny mpanao salamo hoe: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.” (Salamo 27:10) Mety handiso fanantenana anao ny olombelona tsy lavorary, na mety hanary anao mihitsy aza. I Jehovah anefa tsy mba miova. Handray anao ho toy ny zanany izy, ary tsy hahita Ray tsara noho izy ianao.

Azo inoana fa henon’i Jonatana hoe tian’i Jehovah hesorina tsy ho mpanjaka i Saoly. Dia inona no noeritreretin’i Jonatana? Lasa saina ve izy hoe hanao ahoana re raha izy no lasa mpanjaka e? Nieritreritra ve izy hoe raha lasa mpanjaka eo izy, dia tsy hanao hoatran’ny rainy, fa hiezaka tsy hivadika amin’i Jehovah sy hankatò azy foana? Tsy haintsika raha izany tokoa no noeritreretiny na tsia, fa raha izany no izy, dia tsy tanteraka ilay izy. Midika ve izany fa nafoin’i Jehovah izy, na dia nanompo azy foana aza? Tsy izany mihitsy! Nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Baiboly hoe nahazo namana i Jonatana tatỳ aoriana, ary tsy nivadika tamin’io namany io mihitsy. Anisan’ny modely tsara indrindra amin’izany izy. Izany indray no ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka momba an’i Jonatana.