Hijery ny anatiny

Inona no Hanampy Anao Tsy Hatahotra ny ho Faty?

Inona no Hanampy Anao Tsy Hatahotra ny ho Faty?

Valiny ara-baiboly

 Ara-dalàna raha mihevitra ny fahafatesana ho toy ny fahavalo isika, ka manao zavatra mba hiarovana ny aintsika. (1 Korintianina 15:26) Lasa matahotra fahafatesana loatra anefa ny olona sasany, noho ny fampianaran-diso na ny finoanoam-poana, ka manjary andevozin’izany ‘mandritra ny androm-piainany.’ (Hebreo 2:15) Hanafaka anao amin’izany tahotra izany ny fahalalana ny marina, ka ho afaka hankafy fiainana ianao.—Jaona 8:32.

Ny marina momba ny fahafatesana

  •   Tsy mahatsiaro tena ny maty. (Salamo 146:4) Oharin’ny Baiboly amin’ny torimaso ny fahafatesana, ka tsy tokony hatahotra ianao hoe handre fanaintainana na hijaly rehefa maty.—Salamo 13:3; Jaona 11:11-14.

  •   Tsy afaka manisy ratsy antsika ny maty. Na ireo olona nahery setra taloha aza “tsy mahefa na inona na inona” rehefa maty. (Ohabolana 21:16) Milaza ny Baiboly fa ‘efa foana ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany.’—Mpitoriteny 9:6.

  •   Tsy hoe tsy misy fanantenana intsony akory rehefa maty ny olona. Hanangana ny maty mantsy Andriamanitra, ka ho velona indray izy ireo.—Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

  •   Mampanantena Andriamanitra fa “tsy hisy fahafatesana intsony” amin’ny hoavy. (Apokalypsy 21:4) Hoy ny Baiboly: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay”, ary tsy hatahotra ny ho faty intsony.—Salamo 37:29.