Hijery ny anatiny

Miovaova Hevitra ve Andriamanitra?

Miovaova Hevitra ve Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Eny, miova hevitra izy rehefa manova ny fitondran-tenany ny olona. Nilaza toy izao, ohatra, izy rehefa naniraka olona mba hanambara ny didim-pitsarany tamin’ny Israely fahiny: “Hihaino ihany angamba izy ireo, ka samy hiala amin’ny lalan-dratsiny. Dia hanenenako ny loza noeritreretiko hamelezana azy ho valin’ny ratsy nataony.”—Jeremia 26:3.

 Baiboly maro no mandika an’io andininy io hoe “mibebaka” Andriamanitra noho ny loza saika hataony. Toa te hilaza izany fa nanao fahadisoana izy. Midika hoe “miova hevitra na fikasana” anefa ilay teny hebreo nandikana an’io teny io. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Raha miova ny fitondran-tenan’ny olona, dia miova koa ny didim-pitsaran’Andriamanitra.”

 Marina fa mety hiova hevitra Andriamanitra, nefa tsy midika izany hoe tsy maintsy miova hevitra izy. Tsy niova hevitra, ohatra, izy tamin’ireto toe-javatra ireto:

  •   Tsy navelan’Andriamanitra hampiova hevitra azy sy hanozona ny firenen’Israely i Balaka.—Nomery 23:18-20.

  •   Nolavin’Andriamanitra tsy ho mpanjaka i Saoly rehefa nanao ratsy ka tsy nety niova. Tsy niova hevitra intsony Andriamanitra avy eo.—1 Samoela 15:28, 29.

  •   Nampanantena Andriamanitra fa hataony mpisorona mandrakizay ny Zanany. Tsy hiova hevitra izy fa tena hanatanteraka an’izany.—Salamo 110:4.

Tsy milaza angaha moa ny Baiboly fa tsy miova mihitsy Andriamanitra?

 Marina izany, satria milaza toy izao Andriamanitra ao amin’ny Baiboly: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.” (Malakia 3:6) Milaza koa ny Baiboly fa “tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka” Andriamanitra. (Jakoba 1:17) Izany akory tsy mifanohitra amin’ilay lazain’ny Baiboly hoe miova hevitra Andriamanitra. Tsy miova izy satria tsy manova ny toetrany sy ny fitsipiny momba ny fitiavana sy ny rariny mihitsy izy. (Deoteronomia 32:4; 1 Jaona 4:8) Mety tsy hitovy anefa ny toromarika omeny, amin’ny fotoana samihafa. Tsy nitovy, ohatra, ny toromarika nomeny an’i Davida Mpanjaka tamin’ny ady indroa nisesy nataony. Samy nahomby anefa ireo.—2 Samoela 5:18-25.

Nanenina ve Andriamanitra noho izy namorona ny olona?

 Tsia, na dia malahelo aza izy satria tsy miraharaha na tsy tia azy ny ankamaroan’ny olona. Hoy ny Baiboly rehefa nilazalaza ny zava-nisy talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa: “Nanenina i Jehovah noho ny nanaovany ny olona ambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony.” (Genesisy 6:6) Ilay hoe “nanenina” ao amin’io andininy io, dia avy amin’ny teny hebreo midika hoe “miova hevitra.” Lasa ratsy fanahy ny ankamaroan’ny olona niaina talohan’ny Safodrano, ka niova hevitra momba azy ireo Andriamanitra. (Genesisy 6:5, 11) Marina fa nalahelo Andriamanitra rehefa nifidy ny hanao ratsy izy ireo. Tsy nanova ny fiheverany ny olombelona rehetra anefa izany. Niaro an’i Noa sy ny fianakaviany izy tamin’ny Safodrano, mba hisy olombelona foana eto an-tany.—Genesisy 8:21; 2 Petera 2:5, 9.