Hijery ny anatiny

Inona moa ny Paska?

Inona moa ny Paska?

Valiny ara-baiboly

 Fetin’ny Jiosy, na ny Israelita, ny Paska. Tamin’io ry zareo no nankalaza an’ilay fotoana namonjen’Andriamanitra an-dry zareo tany Ejipta. Andevo tany mantsy ry zareo taloha, dia nafahana tamin’ny taona 1513 T.K. Nasain’Andriamanitra notsarovan-dry zareo foana àry io fotoan-dehibe io isan-taona, isaky ny 14 Abiba, volana jiosy, izay nantsoina hoe Nisana tatỳ aoriana.—Eksodosy 12:42; Levitikosy 23:5.

Nahoana io fotoana io no nantsoina hoe Paska?

 Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “fandalovana” ilay teny hoe “Paska.” Tamin’io fotoana io Andriamanitra no namono ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, fa ny Israelita kosa tsy novonoiny. (Eksodosy 12:27; 13:15) Nasain’Andriamanitra namono zanak’ondry na zanak’osy ny Israelita, talohan’io, dia nasainy nohosoran-dry zareo teo amin’ny varavarany ny ran’ilay biby. (Eksodosy 12:21, 22) Amin’izay mantsy hitan’Andriamanitra iny marika iny, dia ‘handalovany’ fotsiny ilay trano fa tsy hovonoiny ny lahimatoa ao.—Eksodosy 12:7, 13.

Ahoana no nankalazana ny Paska fahiny?

 Natoron’Andriamanitra tsara an’ireo Israelita hoe ahoana no hankalazana ny Paska voalohany. a Izao avy, ohatra, no atao amin’ilay izy, araka ny lazain’ny Baiboly:

  •   Nanao sorona: Nifantina zanak’ondry na zanak’osy herintaona ny fianakaviana israelita tamin’ny 10 Abiba (Nisana), dia novonoin-dry zareo ilay izy tamin’ny 14 Abiba. Nakan-dry zareo ilay ra dia nohosorany teo amin’ny tataom-baravarany sy teo amin’ny tolàm-baravarany izany. Natsatsika tamin’ny afo avy eo ilay biby manontolo dia nohaniny.—Eksodosy 12:3-9.

  •   Nihinana sakafo: Ankoatra an’ilay zanak’ondry na zanak’osy, dia nihinana mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy koa ny Israelita, tamin’ny Paska.—Eksodosy 12:8.

  •   Nanao fety: Nankalaza ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay ny Israelita nandritra ny fito andro taorian’ny Paska. Tsy nahazo nihinana mofo misy lalivay ry zareo nandritra an’izany.—Eksodosy 12:17-20; 2 Tantara 30:21.

  •   Nampianatra: Ny Paska no anisan’ny fotoana nampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany momba an’i Jehovah Andriamanitra.—Eksodosy 12:25-27.

  •   Nanao dia lavitra: Nankany Jerosalema ny Israelita, tatỳ aoriana, mba hankalaza ny Paska.—Deoteronomia 16:5-7; Lioka 2:41.

  •   Zavatra hafa: Lasa anisan’ny fanao tamin’ny Paska ny nisotro divay sy nihira, tamin’ny andron’i Jesosy.—Matio 26:19, 30; Lioka 22:15-18.

Hevi-diso momba ny Paska

 Hevi-diso: Tamin’ny 15 Nisana ny Israelita no nihinana ny sakafon’ny Paska.

 Ny tena marina: Nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro ny andro iray, tamin’ny Israelita. (Levitikosy 23:32) Taoriana kelin’ny filentehan’ny masoandro, izany hoe tamin’ny 14 Nisana, anefa no nasain’Andriamanitra namono zanak’ondry ny Israelita, ary tamin’iny alina iny ihany no nasainy nohanin-dry zareo ilay izy. (Eksodosy 12:6, 8) Vao nanomboka mihitsy àry ny 14 Nisana no namono sy nihinana an’ilay zanak’ondry ny Israelita.

 Hevi-diso: Tokony hankalaza ny Paska ny Kristianina.

 Ny tena marina: Namorona fankalazana vaovao i Jesosy tamin’ny 14 Nisana taona 33, rehefa avy nankalaza ny Paska. (Lioka 22:19, 20) Antsoina hoe Ny Sakafo Harivan’ny Tompo ilay fankalazana. (1 Korintianina 11:20) Solon’ny Paska izy io, satria ny sorona nataon’i “Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska” no tsarovana amin’io. (1 Korintianina 5:7) Mbola lehibe lavitra noho ny sorona tamin’ny Paska ny sorona nataon’i Jesosy, satria ny olona rehetra mihitsy no navotany mba tsy handevozin’ny ota sy ny fahafatesana intsony.—Matio 20:28; Hebreo 9:15.

a Nisy niova ihany anefa ny fomba nankalazana an’ilay izy tatỳ aoriana. Nasaina nankalaza an’ilay izy “haingana” be, ohatra, ny Israelita tamin-dry zareo nankalaza ny Paska voalohany, satria maika hiala tany Ejipta ry zareo. (Eksodosy 12:11) Tsy voatery nanao an’ilay izy maimaika intsony anefa ry zareo rehefa tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina.