Hijery ny anatiny

Iza no Atao hoe Antikristy?

Iza no Atao hoe Antikristy?

Valiny ara-baiboly

 Tsy olona iray fotsiny na fitambaran’olona na fikambanana no atao hoe antikristy satria milaza ny Baiboly fa “misy antikristy maro.” (1 Jaona 2:18) Avy amin’ny teny grika midika hoe “manohitra an’i Kristy na maka ny toerany” ny hoe “antikristy”, ary manondro ny olona manao an’ireto:

 Izay olona manao an’ireo no atao hoe antikristy, ao amin’ny Baiboly. Antsoina hoe ‘ilay antikristy’ koa anefa izy rehetra mitambatra. (2 Jaona 7) Tamin’ny andron’ny apostoly no nisy antikristy voalohany ary mbola misy foana izy ireo hatramin’izao. Efa nilaza an’izany mialoha ny Baiboly.—1 Jaona 4:3.

Ahoana no ahafantarana ny antikristy?

  •   Mampianatra hevi-diso momba an’i Jesosy izy ireo. (Matio 24:9, 11) Manohitra ny fampianaran’i Jesosy, ohatra, izay mampianatra momba ny Andriamanitra telo izay iray, na izay mampianatra hoe i Jesosy no Andriamanitra Mahery Indrindra. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.”—Jaona 14:28.

  •   Tsy eken’ny antikristy ny zavatra nolazain’i Jesosy momba ny fomba fiasan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy mpitondra fivavahana milaza, ohatra, hoe miara-miasa amin’ny fanjakan’olombelona i Kristy. Mifanohitra amin’ity fampianaran’i Jesosy ity anefa izany: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.”—Jaona 18:36.

  •   Lazain’izy ireo fa Tompony i Jesosy nefa tsy ankatoavin’izy ireo ny didiny, anisan’izany ilay hoe tokony hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.​—Matio 28:19, 20; Lioka 6:46; Asan’ny Apostoly 10:42.