Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Romanina 15:13: “Andriamanitry ny Fanantenana Anie Hameno Anareo Amin’ny Fifaliana sy ny Fiadanana”

Romanina 15:13: “Andriamanitry ny Fanantenana Anie Hameno Anareo Amin’ny Fifaliana sy ny Fiadanana”

 “Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana ny fonareo, satria matoky azy ianareo! Amin’izay dia vao mainka ho azo antoka ny fanantenanareo noho ny herin’ny fanahy masina.”​—Romanina 15:13, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina.”​—Romanina 15:13, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Romanina 15:13 holazaina?

 Hita amin’ireo tenin’ny apostoly Paoly ireo fa tiany raha fenoin’Andriamanitra “fifaliana sy fiadanana” ny mpiray finoana taminy. Misy ifandraisany amin’ny fanantenana omen’Andriamanitra sy ny herin’ny fanahy masina ireo toetra tsara ireo.

 Hitantsika ao amin’ny Baiboly ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra. Milaza ny Romanina 15:4 hoe: “Izay rehetra voasoratra taloha [ao amin’ny Baiboly] dia nosoratana mba hampianarana antsika. Amin’izay isika dia hanana fanantenana, satria manampy antsika hiaritra sady manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.” Hoatran’ny tsy misy fanantenana mihitsy ny fiainana amin’izao satria be dia be ny olana, ohatra hoe ny fahantrana, tsy rariny, aretina, ary fahafatesana. Resahin’ny Baiboly anefa hoe hofoanan’Andriamanitra daholo ireny. (Apokalypsy 21:4) Hampiasa an’i Jesosy Kristy Andriamanitra mba hanatanterahana an’ireny fampanantenany ireny, ka afaka matoky isika hoe ho tsara be ny fiainana amin’ny hoavy.​—Romanina 15:12.

 Rehefa matoky an’Andriamanitra ihany isika vao “ho tondraka” na hitombo be io fanantenana omeny io. Arakaraka ny ianarantsika momba an’Andriamanitra no hahatonga antsika hatoky hoe mitana ny teniny foana izy. (Isaia 46:10; Titosy 1:2) Afaka ny ho feno fifaliana sy fiadanana ny olona iray na dia miatrika zava-tsarotra aza, noho ny fanantenana azo antoka omen’Andriamanitra.​—Romanina 12:12.

 Misy ifandraisany amin’ny “fanahy masina” koa ny fiadanana sy ny fifaliana ary ny fanantenana. Hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina. a Mampiasa azy io izy mba hanatanterahana ny teniny, ary manome fanantenana antsika izany. Io fanahy io koa no manampy ny olona hanana toetra tsara, anisan’izany ny fifaliana sy ny fiadanana.​—Galatianina 5:22.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Romanina 15:13?

 Taratasy ho an’ny Kristianina nipetraka tany Roma ny bokin’ny Romanina. Taranaka jiosy ny sasany tamin’ireo Kristianina ireo, fa ny hafa tsy hoatr’izay. Nampirisika azy rehetra i Paoly mba hiezaka hiray saina na dia tsy mitovy aza ny fiaviany sy ny kolontsainy.​—Romanina 15:6.

 Nampahatsiahy an’ireo Kristianina tany Roma i Paoly hoe efa nilaza Andriamanitra fa hisy olona avy amin’ny firenena rehetra hiray saina hanompo azy. Inefatra izy no nanonona teny avy ao amin’ny Soratra Hebreo b mba hanaporofoana an’izany. (Romanina 15:9-12) Inona no hevitra tian’i Paoly hampitaina? Samy afaka mandray soa avy amin’ny fanompoan’i Jesosy daholo na ny Jiosy na ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Mitovy ihany ny fanantenana omen’Andriamanitra azy ireo. Tokony ‘handray tsara ny hafa’ àry ny olona rehetra tao amin’ilay fiangonana tany Roma, na inona na inona fiaviany.​—Romanina 15:7.

a Raha mila fanazavana fanampiny, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona moa ny Fanahy Masina?

b Antsoina hoe Testamenta Taloha koa indraindray ny Soratra Hebreo.