Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Romanina 12:2: “Miovà Amin’ny Fanavaozana ny Saina”

Romanina 12:2: “Miovà Amin’ny Fanavaozana ny Saina”

 “Aza manaiky hovolavolain’izao tontolo izao intsony. Fa miovà kosa ka havaozy ny sainareo mba hamantaranareo tsara ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy tena mety ary tonga lafatra.”​—Romanina 12:2, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.”​—Romanina 12:2, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Romanina 12:2 holazaina?

 Tsy manaiky ho voataona hanao ratsy ny olona te hampifaly an’Andriamanitra. Mila manova ny toetrany koa anefa izy ireo. Tsy hoe manery azy ireo hiova Andriamanitra. Tapa-kevitra ny hiova kosa izy ireo satria tia azy, ary mahatsapa hoe ara-drariny sady mahasoa ny zavatra asainy atao.​—Isaia 48:17.

 “Aza manaiky hovolavolain’izao tontolo izao intsony.” Ilay hoe “izao tontolo izao” dia manondro fitambaran’olona manana ny fitsipiny sy ny fanaony ary ny fomba fiainany, fa tsy manaraka ny fitsipik’Andriamanitra sy ny fomba fisainany. (1 Jaona 2:15-17) Tereny foana hanaraka ny toe-tsainy ny olona, dia izay no lasa mamolavola ny toetran-dry zareo sy ny fitondran-tenany. Tsy maintsy manohitra ny fitaoman’izao tontolo izao ny olona iray raha tiany heken’Andriamanitra ny fanompoana ataony. Raha tsy manao an’izany izy, dia lasa hanana toetra mety hanimba azy sy tsy hampifaly an’Andriamanitra.​—Efesianina 2:1-3; 4:17-19.

 “Miovà … ka havaozy ny sainareo.” Tsy maintsy miezaka manova ny toe-tsainy sy ny fihetseham-pony lalina indrindra koa ilay olona. Hoatran’ny ahoana ilay fiovana tokony hataony? Tena lehibe satria fiovana tanteraka, hoatran’ny fanday miova ho lolo, no tiana holazaina amin’ilay teny grika nadika hoe “miovà.” Tsy maintsy mitafy ny “toetra vaovao” izay rehetra manompo an’Andriamanitra.​—Efesianina 4:23, 24; Kolosianina 3:9, 10.

 “[Fantaro] tsara ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy tena mety ary tonga lafatra.” Tian’Andriamanitra raha tena resy lahatra tanteraka amin’ny zavatra inoany izay manompo azy. Amin’ny fomba ahoana? Mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra an’izay ianarany ao izy ireo, dia avy eo mahita hoe mahasoa ny manaraka ny fitsipik’Andriamanitra eo amin’ny fiainana. Izy ireo mihitsy amin’izay no hahatsapa hoe ny fitsipik’Andriamanitra no tsara indrindra.​—Salamo 34:8.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Romanina 12:2?

 Manazava ny Romanina toko faha-12 hoe inona no tokony hataon’ny olona iray raha tiany heken’Andriamanitra ny fanompoana ataony. Mila vonona hanova ny fiainany manontolo izy, sady mila ‘mampiasa tsara ny sainy’ fa tsy manao zavatra an-jambany fotsiny na entin’ny fihetseham-pony. (Romanina 12:1, 3) Ahitana torohevitra azo ampiharina koa ao amin’io toko io, ohatra hoe ahoana no hananana toetra tsara, ahoana no atao rehefa mifandray amin’ny hafa, ary ahoana no atao rehefa misy manisy ratsy antsika.​—Romanina 12:9-21.