Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Ohabolana 16:3: “Ankino Amin’ny TOMPO ny Asanao”

Ohabolana 16:3: “Ankino Amin’ny TOMPO ny Asanao”

 “Ankino amin’i Jehovah daholo izay ataonao, Dia hahomby izay kasainao hatao.”​—Ohabolana 16:3, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Ankino amin’ny TOMPO ny asanao, dia ho tanteraka izay kasainao.”​—Ohabolana 16:3, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara (DIEM).

Inona no tian’ny Ohabolana 16:3 holazaina?

 Mampirisika an’izay manompo an’ilay tena Andriamanitra io ohabolana io mba hitady ny tari-dalany sy hanaraka an’izany rehefa misy zavatra tiany hatao. Manome toky izy io hoe raha miantehitra amin’Andriamanitra hoatr’izany ry zareo dia hahomby foana.

 “Ankino amin’i Jehovah daholo izay ataonao.” Manetry tena sy mangataka ny tari-dalan’i Jehovah a ny mpanompony isaky ny handray fanapahan-kevitra. (Jakoba 1:5) Fa maninona? Satria rehefa misy zavatra mitranga eo amin’ny fiainan’ny olombelona, dia matetika no zara raha misy azon-dry zareo atao, na ry zareo tsy afa-manoatra. (Mpitoriteny 9:11; Jakoba 4:13-15) Ankoatra izay, dia mety tsy ho ampy fahendrena ry zareo dia tsy hahavita tsara an’izay tiany hatao. Be dia be àry no manapa-kevitra hoe aleo miantehitra amin’Andriamanitra rehefa hanao zavatra. Ahoana no hanaovan’izy ireo an’izany? Mivavaka amin’Andriamanitra ry zareo dia mangataka ny tari-dalany. Ataon-dry zareo mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra resahin’ny Baiboly koa ny zavatra ataony.​—Ohabolana 3:5, 6; 2 Timoty 3:16, 17.

 Midika ara-bakiteny hoe ‘manakodia’ ilay hoe ‘manankina’ ao amin’ilay andininy hoe “ankino amin’ny TOMPO b ny asanao.” Milaza ny boky iray momba ny Baiboly fa io teny io dia mampiseho “lehilahy iray mamindra ny entana mavesatra eo an-damosiny ho any an-damosin’ny olona matanjaka noho izy sady mahazaka kokoa an’ilay entana.” Afaka matoky izay miantehitra amin’Andriamanitra fa tena hanampy sy hanohana azy ireo izy.​—Salamo 37:5; 55:22.

 Milaza koa ilay ohabolana hoe azo ankinina amin’Andriamanitra “daholo” izay ataontsika. Tsy midika akory izany hoe heken’Andriamanitra na hotahiny daholo izay zavatra tian’ny olona hatao. Tsy hotahin’i Jehovah mihitsy ny zavatra iray raha tsy mifanaraka amin’ny sitrapony sy ny fitsipiny ilay izy. (Salamo 127:1; 1 Jaona 5:14) Raha tsy mankatò koa ny olona iray, dia tsy hitahy azy i Jehovah. “Ataony tsy tanteraka” mantsy “ny fikasan’ny ratsy fanahy.” (Salamo 146:9) Raha mampiseho kosa ny olona iray hoe manaiky sy manaja ny fitsipika ao amin’ny Baiboly, dia hanohana azy i Jehovah.​—Salamo 37:23.

 “Dia hahomby izay kasainao hatao.” Misy Baiboly sasany mandika azy io hoe “ho mafy orina izay kasainao hatao.” Manana heviny hoe mametraka fototra ilay teny nadika hoe “mafy orina” ao amin’ny Soratra Hebreo na ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Taloha. Matetika izy io no ampiasaina mba hampisehoana fa mafy orina ny zavatra noforonin’Andriamanitra. (Ohabolana 3:19; Jeremia 10:12) Hataon’Andriamanitra mafy orina hoatr’izany koa ny zavatra kasain’ny olona manao izay tsara eo imasony. Hampiany izy ireo mba hilamin-tsaina sy ho sambatra, sady hanana fiainana milamina tsara.​—Salamo 20:4; Ohabolana 12:3.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Ohabolana 16:3?

 I Solomona Mpanjaka no nanoratra an’io andinin-teny io. Izy koa no nanoratra ny ampahany betsaka indrindra amin’ny bokin’ny Ohabolana. Nahazo fahendrena avy amin’Andriamanitra izy dia afaka namorona ohabolana an’arivony.​—1 Mpanjaka 4:29, 32; 10:23, 24.

 Nidera ny fahendren’Andriamanitra aloha i Solomona rehefa nanomboka ny toko faha-16, dia avy eo nampiseho hoe tena tsy tiany ny olona mirehareha. (Ohabolana 16:1-5) Nilaza hevitra lehibe miverimberina ao amin’ny bokin’ny Ohabolana izy taorian’izay: Izay olona manetry tena sy mamela an’Andriamanitra hitari-dalana azy ihany no tena ho hendry sy hahomby amin’izay ataony. (Ohabolana 16:3, 6-8, 18-23) Resahina matetika ao amin’ny Baiboly koa io hevitra lehibe io.​—Salamo 1:1-3; Isaia 26:3; Jeremia 17:7, 8; 1 Jaona 3:22.

 Jereo ity video fohy ity raha tianao ho hita ny mombamomba ny bokin’ny Ohabolana.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?

b Nosoloan’ny mpandika Baiboly maro tamin’ny hoe “ny Tompo” (na “NY TOMPO”) ny anaran’Andriamanitra. Raha tianao ho fantatra hoe nahoana izany no mety hampisafotofoto ny mpamaky Baiboly, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Isaia 42:8: ‘Izaho no TOMPO’” ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.