Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Hebreo 4:12: “Velona sy Mahery ny Tenin’Andriamanitra”

Hebreo 4:12: “Velona sy Mahery ny Tenin’Andriamanitra”

 “Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela, ary manindrona ka mahavita manavaka an’izay miseho etỳ ivelany sy ny any am-po, sady mahavita manasaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.”​—Hebreo 4:12, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.”​—Hebreo 4:12, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Hebreo 4:12 holazaina?

 Mahavita mampiharihary ny tena any an-tsaintsika sy izay antony mahatonga antsika hanao zavatra ny hafatra nosoratan’Andriamanitra ho an’ny olombelona ao amin’ny Baiboly. Afaka manova olona koa izany.

 “Velona ... ny tenin’Andriamanitra.” Ny fampanantenan’Andriamanitra na ny fikasany resahina ao amin’ny Baiboly ilay hoe “tenin’Andriamanitra.” a Ampahany lehibe amin’io fikasany io ilay hoe hiaina mandrakizay eto an-tany ny olombelona mankatò azy, dia tena hiadana sy hiray saina.​—Genesisy 1:28; Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4.

 Nahoana no hoe “velona” ny tenin’Andriamanitra na ny fikasany? “Velona” izy io satria misy vokany be eo amin’ny fon’izay olona manaiky azy, dia lasa mahatonga an-dry zareo hanana fanantenana sy tanjona eo amin’ny fiainana. (Deoteronomia 30:14; 32:47) “Velona” koa ny tenin’Andriamanitra satria miasa ilay Andriamanitra velona mba hanatanterahana ny fikasany. (Jaona 5:17) Tsy hoatran’ny olombelona Andriamanitra, ka hoe mampanantena zavatra nefa avy eo hadinony ilay izy, na hoe tonga saina izy atỳ aoriana hoe tsy ho vitany ny hanatanteraka an’ilay izy. (Nomery 23:19) ‘Tsy hiverim-potsiny any aminy ny teniny.’​—Isaia 55:10, 11.

 “Mahery ny tenin’Andriamanitra.” Azo adika koa hoe “manao zavatra” na “manantanteraka an’izay rehetra tokony hataony” ilay teny hoe “mahery.” Tsy maintsy ho tanteraka àry izay rehetra nolazain’i Jehovah b Andriamanitra na nampanantenainy. (Salamo 135:6; Isaia 46:10) Mety hahavita zavatra tsy takatry ny saintsika mihitsy aza Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany.​—Efesianina 3:20. c

 “Mahery” koa ny tenin’Andriamanitra, dia manampy an’izay olona tia azy io mba hanatsara ny fiainany sy ny toetrany. Tafalatsaka ao anatin’ilay olona ny fampianarana avy amin’Andriamanitra, izany hoe lasa misy vokany eo amin’ny fomba fisainany sy ny fomba fiainany ary ny tanjony. (Romanina 12:2; Efesianina 4:24) Azo lazaina hoe “misy vokany” aminy ny “tenin’Andriamanitra” amin’izay, satria izy mino hoe tena avy amin’Andriamanitra ilay izy.​—1 Tesalonianina 2:13.

 ‘Maranitra noho ny sabatra roa lela ny tenin’Andriamanitra.’ Hoatran’ny hoe maranitra noho ny sabatra amboarin’ny olombelona ny tenin’Andriamanitra satria mety hisy vokany eo amin’ny fo, izany hoe eo amin’ny maha izy ny olona iray. Tsy misy fampianaran’olombelona mahavita an’izany mihitsy. Hazavain’ny tohin’ilay Hebreo 4:12 hoe ahoana izany hoe misy vokany eo amin’ny fo ny tenin’Andriamanitra.

 ‘Mahavita manavaka an’izay miseho etỳ ivelany sy ny any am-po ny tenin’Andriamanitra, sady mahavita manasaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka.’ Hoatran’ny hoe tonga hatrany amin’ny “tsoka” ny tenin’Andriamanitra, izany hoe any amin’ny fihetseham-pontsika sy ny eritreritsika lalina indrindra. Mahavita mampiseho ny tena maha izy antsika tsy hitan’iza na iza ny fampianaran’i Jehovah, dia mety hanosika antsika hanao fiovana tsara eo amin’ny fiainantsika. Samy ho faly na isika na i Jehovah rehefa manao fiovana hoatr’izany isika.

 ‘Mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany ny tenin’Andriamanitra.’ Rehefa mahafantatra ny tenin’Andriamanitra ny olona iray, dia hita amin’izay ataony hoe inona no tena any an-tsainy. Hita mihitsy aza hoe inona no tena fikasany na hoe inona no antony mahatonga azy hanao zavatra. Raha manao fiovana, ohatra, izy rehefa mahafantatra ny tenin’Andriamanitra, dia asehony amin’izany hoe manetry tena sy tso-po izy sady te hampifaly an’ilay Mpamorona azy. Raha ohatra indray anefa izy mitady zavatra hanakianana ny tenin’Andriamanitra, dia asehony amin’izany hoe manana toetra ratsy izy, ohatra hoe manambony tena na tia tena. Mety hoe mitady fialan-tsiny izy satria manao zavatra tsy tian’Andriamanitra.​—Jeremia 17:9; Romanina 1:24-27.

 Misy boky momba ny Baiboly milaza hoe “tonga hatrany anatintsika lalina indrindra any” ny tenin’Andriamanitra. Tsy misy tsy hitan’Andriamanitra ny any anatintsika lalina rehetra any, dia vitan’ny teniny ny mampiharihary azy rehetra. ‘Mihanjahanja sy mibaribary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika ny zavatra rehetra’, hoy ny Hebreo 4:13.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Hebreo 4:12?

 Taratasy nampanoratin’Andriamanitra ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina Jiosy tany Jerosalema sy Jodia ny bokin’ny Hebreo ao amin’ny Baiboly. Tamin’ny taona 61 tany ho any ilay izy no nosoratana.

 Asongadin’i Paoly ao amin’ny toko faha-3 sy faha-4 hoe fampitandremana ho an’ny Kristianina ny nataon’ny Israelita taloha. (Hebreo 3:8-12; 4:11) Nampanantena i Jehovah hoe hamonjy ny Israelita, dia tsy ho andevo intsony ry zareo fa “hiadana sy hilamina” ao amin’ny tany iray homeny an-dry zareo. (Deoteronomia 12:9, 10) Imbetsaka anefa ireo Israelita niala tany Ejipta no nampiseho hoe tsy tena nino ny fampanantenan’Andriamanitra ry zareo. Im-be dia be mihitsy ry zareo no tsy nankatò ny didiny. Vokatr’izany, dia ‘tsy niditra tamin’ny fitsaharan’Andriamanitra’ ry zareo, izany hoe tsy nifandray tsara taminy intsony, fa maty tany an-tany efitra. Tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ihany ny taranaky ry zareo tatỳ aoriana, nefa lasa tsy nankatò an’i Jehovah koa. Lasa nijaly be ilay firenena vokatr’izany.​—Nehemia 9:29, 30; Salamo 95:9-11; Lioka 13:34, 35.

 Nohazavain’i Paoly fa tokony handray lesona avy amin’ny ohatra ratsy navelan’ny Israelita ny Kristianina. Tsy tokony hanao hoatran-dry zareo isika, fa hiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra, izany hoe hankatò ny teniny sy hino tanteraka an’izay ampanantenainy.​—Hebreo 4:1-3, 11.

 Jereo ity video fohy ity raha te hahafantatra mombamomba ny bokin’ny Hebreo ianao.

a Tsy ny Baiboly ihany no tiana horesahina amin’ny hoe “tenin’Andriamanitra”, ao amin’ny Hebreo 4:12. Azo ampiharina amin’ny Baiboly ihany anefa ny voalaza ao amin’io andinin-teny io, satria nasain’Andriamanitra nosoratana ao amin’ny Baiboly ny fampanantenany.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?