Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Filipianina 4:13: “Afaka Miatrika Izany Rehetra Izany Aho, Noho i Kristy”

Filipianina 4:13: “Afaka Miatrika Izany Rehetra Izany Aho, Noho i Kristy”

 “Fa manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”​—Filipianina 4:13, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Afaka miatrika izany rehetra izany aho, noho i Kristy manome hery ahy.”​—Filipianina 4:13, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Inona no tian’ny Filipianina 4:13 holazaina?

 Mampahery an’izay olona manompo an’Andriamanitra ireo tenin’ny apostoly Paoly ireo, satria manome toky azy ireo hoe hahazo hery izy ireo mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.

 Misy Baiboly milaza fa i Kristy ilay resahin’i Paoly hoe nanome hery azy. Tsy misy an’ilay hoe “Kristy” anefa ao amin’ny Baiboly sora-tanana grika tranainy indrindra, dia Baiboly maromaro no nandika an’ilay izy hoe “Ilay mampahery ahy” (Fandikan-teny Protestanta), na hoe “ilay mankahery ahy” (Fandikan-teny Katolika). Iza àry izany no tao an-tsain’i Paoly?

 Andriamanitra no tian’i Paoly holazaina, rehefa jerena ireo andininy eo alohan’io andinin-teny io. (Filipianina 4:6, 7, 10) Izao koa no nosoratany eo aloha kokoa, ao amin’io taratasy io ihany: ‘Andriamanitra no manatanjaka anareo, ka mahatonga anareo hanana hery hanaovana zavatra.’ (Filipianina 2:13) Nilaza koa izy ao amin’ny 2 Korintianina 4:7 fa Andriamanitra no nanome hery azy mba hanaovana ny fanompoany. (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 1:8.) Andriamanitra àry no tiany horesahina amin’ilay hoe “ilay manome hery ahy.”

 Nahoana i Paoly no niteny hoe manana hery hiatrehana “an’izay rehetra mitranga” izy? Azo inoana fa ny zava-drehetra natrehiny tamin’izy nanao ny sitrapon’Andriamanitra no tiany horesahina amin’ilay hoe “izay rehetra mitranga.” Natoky foana i Paoly hoe hokarakarain’Andriamanitra izy, na betsaka na kely ny zavatra nananany, dia niezaka nianina tamin’izay nananany izy, na inona na inona nitranga.​—2 Korintianina 11:23-27; Filipianina 4:11.

 Mampahery ny mpanompon’Andriamanitra foana hatramin’izao ny tenin’i Paoly ao amin’ny Filipianina 4:13. Homen’Andriamanitra hery mantsy izy ireo mba hahavita hanao ny sitrapony sy hiaritra. Ahoana no hanaovan’Andriamanitra an’izany? Homeny ny hery ampiasainy izy ireo, izany hoe ny fanahy masina, dia homeny ny Teniny, izany hoe ny Baiboly. Hasainy mampahery azy ireo koa ny mpiara-mivavaka aminy.​—Lioka 11:13; Asan’ny Apostoly 14:21, 22; Hebreo 4:12.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Filipianina 4:13?

 Ao amin’ny toko farany amin’ilay taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Filipy no misy an’io andininy io. Tamin’ny taona 60 na 61 tany ho any izy no nanoratra an’ilay taratasy, tamin’izy nogadraina voalohany tany Roma. Nisy fotoana tsy afaka nandefa fanampiana ho an’i Paoly ny Kristianina tany Filipy. Efa elaela tatỳ aoriana ry zareo vao afaka nandefa zavatra hanampiana an’i Paoly indray.​—Filipianina 4:10, 14.

 Noderain’i Paoly ny Kristianina tany Filipy satria tia nanome. Nilaza tamin’izy ireo koa izy hoe lasa nanana an’izay nilainy, noho ilay fanampiana nomen-dry zareo. (Filipianina 4:18) Nohararaotin’i Paoly koa izany mba hampianarana azy ireo zavatra tena lehibe. Noresahiny hoe raha matoky an’Andriamanitra ny Kristianina iray, dia tena ho afa-po amin’izay ananany, na manan-karena izy na mahantra.​—Filipianina 4:12.