Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Asan’ny Apostoly 1:8: “Hahazo Hery Ianareo”

Asan’ny Apostoly 1:8: “Hahazo Hery Ianareo”

 “Hahazo hery kosa ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany ianareo.”​—Asan’ny Apostoly 1:8, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan’ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran’i Jodea mbamin’i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.”​—Asan’ny Apostoly 1:8, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Inona no tian’ny Asan’ny Apostoly 1:8 holazaina?

 Mampanantena ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe hahazo hery avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ry zareo, dia hahavita hitory sy hampianatra any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany.

 “Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina.” Efa nampanantena ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe hanampy azy ireo ny fanahin’Andriamanitra a rehefa hiverina any an-danitra izy. (Jaona 14:16, 26) Naveriny indray io fampanantenana io eto. Nahazo ny fanahy masina araka ny nampanantenain’i Jesosy ny mpanara-dia azy, 10 andro taorian’ny niakarany tany an-danitra, tamin’ny taona 33 T.K. (Asan’ny Apostoly 2:1-4) Rehefa nahazo ny fanahy masina ry zareo, dia tsy vitan’ny hoe nahavita niteny tamin’ny fiteny be dia be sy nanao fahagagana, fa lasa sahy nitory momba ny finoany an’i Jesosy koa.​—Asan’ny Apostoly 3:1-8; 4:33; 6:8-10; 14:3, 8-10.

 “Ho vavolombeloko [ianareo].” Ilay teny nadika hoe “vavolombelona” dia midika hoe “mijoro ho vavolombelona” na “milaza zavatra iray” satria nahita na niaina an’ilay izy mihitsy. Nahita maso ny zavatra nataon’i Jesosy ny apostoly, dia afaka nitantara momba ny fanompoany sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 2:32; 3:15; 5:32; 10:39) Tsy azo nolavina ny zavatra noresahin-dry zareo, dia lasa be dia be no resy lahatra hoe Kristy marina i Jesosy, izany hoe izy ilay Mesia nampanantenaina. (Asan’ny Apostoly 2:32-36, 41) Lasa vavolombelon’i Jesosy izay olona nino ny apostoly, dia ry zareo indray avy eo no nitory momba ny fiainan’i Jesosy sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty.​—Asan’ny Apostoly 17:2, 3; 18:5.

 “Any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany.” Azo adika koa izy io hoe “hatrany amin’ny faran’ny tany” na “any amin’ny firenena hafa.” Nolazain’i Jesosy eto hoe hatraiza ny mpanara-dia azy no hitory momba azy. Tsy ao Jodia sy Samaria ihany ry zareo no hitory. Mbola ngeza lavitra noho ny faritany nitorian’i Jesosy ny faritany hitorian-dry zareo, sady mbola be dia be lavitra noho ny olona nitorian’i Jesosy koa ny olona hitoriany. (Matio 28:19; Jaona 14:12) Nilaza i Paoly, 30 taona latsaka taorian’ny nitenenan’i Jesosy an’ireo, hoe efa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra etỳ ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara momba an’i Jesosy. Efa tonga hatrany amin’ny toerana lavitra mihitsy aza izany, anisan’izany i Roma, Partia (faritra atsimoatsinanan’ny Ranomasina Caspienne), ary Afrika Avaratra.​—Kolosianina 1:23; Asan’ny Apostoly 2:5, 9-11.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Asan’ny Apostoly 1:8?

 Zava-nitranga tantaraina ao amin’ny faran’ny Filazantsaran’i Lioka no resahina ao amin’ny fiandohan’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. (Lioka 24:44-49; Asan’ny Apostoly 1:4, 5) I Lioka mpianatr’i Jesosy no nanoratra an’ilay boky. Tantarainy ao amin’ny fiandohan’ilay izy hoe niseho tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 1:1-3) Tantarainy avy eo hoe niforona ny fiangonana kristianina dia nitombo be, nanomboka tamin’ny taona 33 T.K. ka hatramin’ny taona 61 T.K.​—Asan’ny Apostoly 11:26.

 Hita amin’ny teny manodidina ny Asan’ny Apostoly 1:8 fa lasa saina ny mpianatr’i Jesosy hoe amin’ny fotoana iainan-dry zareo ve i Jesosy no ho lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra sa tsia. (Asan’ny Apostoly 1: 6) Namaly i Jesosy tamin’izay fa tsy tokony hiasa saina be ry zareo hoe rahoviana marina no hitsangana ilay Fanjakana. (Asan’ny Apostoly 1:7) Ny fitoriana momba an’i Jesosy “any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany” kosa no tokony hifantohan-dry zareo. (Asan’ny Apostoly 1:8) Manao hoatr’izany koa ny Kristianina amin’izao, izany hoe mazoto mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Matio 24:14.

 Jereo ity video fohy ity raha te hanao topy maso ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.

a Hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina. (Genesisy 1:2) Raha mila fanazavana fanampiny, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona moa ny Fanahy Masina?