Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

1 Petera 5:6, 7: “Manetre Tena eo Ambanin’ny Tana-maherin’Andriamanitra, ... ary Apetraho Aminy Daholo Izay Rehetra Mampanahy Anareo”

1 Petera 5:6, 7: “Manetre Tena eo Ambanin’ny Tana-maherin’Andriamanitra, ... ary Apetraho Aminy Daholo Izay Rehetra Mampanahy Anareo”

 “Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony, ary apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”​—1 Petera 5:6, 7, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo”​—1 Petera 5:6, 7, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny 1 Petera 5:6, 7 holazaina?

 Nanome toky ny Kristianina ny apostoly Petera eo amin’ireo andininy ireo hoe azon’izy ireo atao ny mivavaka amin’Andriamanitra momba an’izay olana mahazo azy sy izay zavatra mampanahy azy. Tena sarobidy amin’Andriamanitra ny olona manetry tena ary homeny valisoa be dia be ry zareo.

 “Manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra.” Ny hery ampiasain’Andriamanitra mba hamonjena sy hiarovana matetika no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe tanan’Andriamanitra. (Eksodosy 3:19; Deoteronomia 26:8; Ezra 8:22) Manetry tena eo ambanin’ny tanan’Andriamanitra ny Kristianina rehefa miantehitra aminy. Manaiky ry zareo hoe voafetra ihany ny zavatra azony atao sady tsy ho vitany irery ny hiatrika ny fitsapana mahazo azy. (Ohabolana 3:5, 6; Filipianina 4:13) Resy lahatra ry zareo fa manana hery hanampiana azy Andriamanitra, ary hanao an’izany amin’ny fotoana mety sy amin’ny fomba tsara indrindra izy.​—Isaia 41:10.

 “Mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony.” Rehefa iharam-pitsapana ny olona iray nefa miaritra foana, dia afaka matoky izy hoe tena hasandratr’Andriamanitra, izany hoe hovaliany soa. Tsy havelany hiaritra fitsapana tsisy farany ny mpanompony na hoe hiaritra fitsapana mihoatra noho izay zakan-dry zareo. (1 Korintianina 10:13) Raha manohy manao ny tsara ry zareo, dia tsy maintsy hamaly soa azy “amin’ny fotoana mety” Andriamanitra.​—Galatianina 6:9.

 “Ary apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.” Hoatran’ny hoe mametraka ny zavatra mampanahy azy amin’Andriamanitra ny Kristianina rehefa mivavaka aminy momba an’ilay izy. Manazava hoatr’izao ny boky iray momba ny Baiboly: “Ilay matoanteny hoe mametraka dia midika hoe miezaka be mba hanipy zavatra iray ho lasa lavitra antsika. Atao fanahy iniana mihitsy ilay izy.” Rehefa mametraka an’izay mampanahy azy amin’Andriamanitra ny Kristianina iray, dia hahatsiaro ho maivamaivana sady hahazo an’ilay “fiadanan’Andriamanitra” resahin’ny Baiboly. (Filipianina 4:6, 7) Afaka matoky ilay Kristianina fa te hanampy azy Andriamanitra. Fantany mantsy fa tsy hoe tia azy fotsiny Izy fa tena mahery koa dia afaka manohana azy.​—Salamo 37:5; 55:22.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny 1 Petera 5:6, 7?

 Mifarana eo amin’ny toko faha-5 ny taratasy voalohany nosoratan’i Petera ho an’ny Kristianina. (1 Petera 1:1) Niatrika fitsapana isan-karazany ny mpanara-dia an’i Kristy tamin’izany, hoatran’ny amin’izao ihany. Nitsapa ny finoan-dry zareo ireny fitsapana ireny sady mety ho nahatonga azy hitebiteby. (1 Petera 1:6, 7) Fantatr’i Petera tsara hoe tsy mora izany, dia izay no nahatonga azy hanoratra taratasy mba hampaherezana sy hanomezana toky an-dry zareo tamin’ny taona 62 ka hatramin’ny 64 tany ho any.​—1 Petera 5:12.

 Rehefa namarana ny taratasiny i Petera, dia nampahatsiahy ny Kristianina izy hoe raha manetry tena sy miantehitra amin’Andriamanitra foana ry zareo, dia afaka matoky fa hanampy azy tsy hivadika Andriamanitra. (1 Petera 5:5-10) Tena mampahery an’izay miatrika fitsapana noho ny finoany ireo tenin’i Petera ireo, anisan’izany ny Kristianina enjehina amin’izao andro izao.

 Jereo ity video fohy ity raha te hahita ny mombamomba ny bokin’ny 1 Petera ianao.