FIZARANA 5

Ahoana no Ifandraisana Tsara Amin’ny Havana?

Ahoana no Ifandraisana Tsara Amin’ny Havana?

‘Mitafia hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.’—Kolosianina 3:12

 Lasa fianakaviana iray vaovao ny olon-droa rehefa mivady. Marina fa ho tianao sy hohajainao foana ny ray aman-dreninao, nefa ny vadinao izao no tokony ho olona tianao indrindra. Mety ho sarotra amin’ny havanao sasany ny hanaiky an’izany. Hanampy anareo mivady hahay handanjalanja anefa ny toro lalan’ny Baiboly. Hifandray tsara foana amin’ny havanareo ianareo amin’izay, sady hanamafy ny fifankatiavanareo roa.

1 MANÀNA FOMBA FIJERY METY

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Hajao ny rainao sy ny reninao.” (Efesianina 6:2) Mila manaja ny ray aman-dreninao foana ianao, na firy taona na firy taona. Tadidio koa fa mila miahy ny ray aman-dreniny ny vadinao, satria zanaka. “Ny fitiavana tsy mialona”, ka aza mieritreritra mihitsy hoe ho lasan’ny rafozanao ny fitiavan’ny vadinao anao raha mifandray izy ireo.—1 Korintianina 13:4; Galatianina 5:26.

INONA NO AZONAO ATAO?

  •  Aza manitatra rehefa milaza zavatra, ohatra hoe: “Manambany ahy foana ny fianakavianao!”, na hoe: “Tsy misy mahafaly ny mamanao mihitsy izay ataoko!”

  •  Miezaha hanana ny fomba fijerin’ny vadinao ny ray aman-dreniny

2 TOKONY HO HENTITRA IANAREO INDRAINDRAY

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” (Genesisy 2:24) Mety hieritreritra ny ray aman-dreninao hoe mbola andraikiny foana ianao, na dia efa manambady aza. Mety hidikiditra loatra amin’ny raharahan-tokantranonao àry izy ireo.

 Ianareo mivady no mila mifanaraka hoe inona no azon’izy ireo idirana na tsy idirana, ary ampahafantaro azy amim-pitiavana izany. Azonao vantanina amin’izy ireo izany, nefa tsy voatery hasiaka ianao. (Ohabolana 15:1) Ilaina ny manetry tena sy malemy fanahy ary manam-paharetana. Hanampy anareo izany mba hifandray am-po amin’ny havanareo sady “hifampizaka amim-pitiavana.”—Efesianina 4:2.

INONA NO AZONAO ATAO?

  •  Raha sorena ianao satria midikiditra loatra amin’ny fiainanareo roa ny havanareo, dia resaho amin’ny vadinao izany rehefa milamindamina ianareo

  •  Mifanaraha tsara hoe ahoana no hataonareo mba hamahana an’ilay olana