Zoma: Hahita porofo ianao hoe tena marina ny tantaram-piainan’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara. Ho hitanao koa fa afaka mandray soa avy amin’ireny tantara ara-baiboly ireny isika.
Asabotsy: Inona no resahin’ny faminaniana momba ny nahaterahan’i Jesosy sy ny fahazazany? Tena tanteraka ve ireny faminaniana ireny?
Alahady: Hisy lahateny ara-baiboly mitondra ny lohateny hoe “Tsy Matahotra Vaovao Ratsy Isika!” Hohazavaina mandritra an’izy io hoe fa maninona no misy olona an-tapitrisany tsy manahy sady tsy matahotra ny ho avy, na dia miharatsy aza ny fiainana eran-tany.
Tantara
Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy: Fizarana 1
Ilay Tena Hazavana ho An’izao Tontolo Izao
Mahagaga ny nahaterahan’i Jesosy. Vao iray fotsiny amin’ny zava-nitranga mahaliana tamin’ny fahazazany anefa izany. Nisy mpanjaka nanao haza lambo an’i Jesosy satria te hamono azy, dia avy eo i Jesosy nentina tany Ejipta. Tatỳ aoriana, dia variana tamin’ny zavatra nolazainy ny mpampianatra sasany nahay indrindra tamin’ny androny. Hahita an’ireo ianao ao amin’ny fizarana voalohany amin’ilay tantara. Mizara roa ilay izy, ary halefa ny zoma sy asabotsy. Misy zava-nitranga hafa tamin’ny fiainan’i Jesosy koa ho hitanao ao amin’izy io.
Jereo ireto video momba ny fivoriambe amin’ity taona ity ireto