Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahitana ny anarana hoe Tatanoa ny sisiny iray amin’ity takelaka tanimanga ity

Porofo Kely Fanampiny

Porofo Kely Fanampiny

Manamarina an’izay lazain’ny Baiboly ve ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany? Hoy ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazetiboky Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy) tamin’ny 2014: ‘Firy ny olona ao amin’ny Soratra Hebreo voamarin’ny mpikaroka hoe tena nisy?’ Misy “50 fara fahakeliny.” Tsy voalaza ao amin’ilay lahatsoratra anefa ny lehilahy iray atao hoe Tatenay. Iza izy io? Andeha hojerentsika izay resahin’ny Baiboly momba azy.

Nisy fotoana i Jerosalema efa anisan’ny Fanjakana Persianina. Tany andrefan’ny reniranon’i Eofrata no nisy azy, tany amin’ilay faritra nantsoin’ny Persianina hoe Ampitan’ny Renirano. Rehefa resin’ny Persianina i Babylonia, dia nafahan’izy ireo ny Jiosy babo tao ary navelany hanorina indray ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema. (Ezra 1:1-4) Nosakanan’ny fahavalon’ny Jiosy anefa ilay asa satria nikomy tamin’i Persa, hono, ny Jiosy matoa nanao azy io. (Ezra 4:4-16) Nanadihady momba an’ilay raharaha àry i Tatenay, manam-pahefana persianina, nandritra ny fitondran’i Dariosy I (522-486 Talohan’i Kristy [T.K.]). Antsoin’ny Baiboly hoe “governora tatỳ ampitan’ny Renirano” i Tatenay.—Ezra 5:3-7.

Mbola voatahiry hatramin’izao ireo takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika ahitana ny anarana hoe Tatenay. Miresaka raharaham-barotra nataon’ny fianakaviana iray izy ireny. Hita ao amin’ny takelaka iray ny fifanarahana ara-barotra nataon’i Tatenay sy ny olona iray anisan’io fianakaviana io, tamin’ny taona faha-20 nanjakan’i Dariosy I (502 T.K.). Resahiny hoe vavolombelona tamin’ilay izy ny mpanompon’i “Tatanoa governora tany Ampitan’ny Renirano.” I Tatenay ao amin’ny bokin’i Ezra io Tatanoa io.

Inona no andraikitr’io lehilahy io? Nozarain’i Kyrosy Lehibe ho faritany ny faritra niadidiany tamin’ny 535 T.K. Nantsoiny hoe Babylona sy ny Ampitan’ny Renirano ny faritany iray. Nozaraina roa izy io tatỳ aoriana. Natao fotsiny hoe Ampitan’ny Renirano ny iray. Anisan’izy io i Cœlésyrie, Fenisia, Samaria, ary Joda. Mety ho tao Damaskosy no nisy ny mpitondra an’ilay faritany. Governora tany i Tatenay tamin’ny 520 T.K. tany ho any ka hatramin’ny 502 T.K.

Nanao tatitra tamin’i Dariosy izy rehefa avy nanadihady tany Jerosalema raha nisy nikomy tokoa tany. I Kyrosy, hono, no nanome alalana ny Jiosy hanorina indray ny tempolin’i Jehovah. Nanamarina izany ny fikarohana natao tao amin’ny trano nisy ny taratasim-panjakana. (Ezra 5:6, 7, 11-13; 6:1-3) Tsy navela hanelingelina an’ilay asa àry i Tatenay, ka nankatò.—Ezra 6:6, 7, 13.

Tsy nahavita zavatra miavaka be teo amin’ny tantara i “Tatenay governora tatỳ ampitan’ny Renirano.” Resahin’ny Baiboly anefa izy ary marina tsara ny anaram-boninahitra nomena azy. Porofo kely fanampiny io ahitana hoe voamarin’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany foana fa mifanaraka amin’ny tantara ny Baiboly.