Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Ahoana izany ray aman-dreny mahay mitaiza izany?

Mampianatra ny zanakao ho tia An’Andriamanitra ve ianao?

Tokony hifankatia sy hifanaja ny ray aman-dreny, satria izany no tena ilain’ny ankizy rehefa mihalehibe izy. (Kolosianina 3:14, 19) Nidera an’i Jesosy Zanany i Jehovah. Tia sy midera ny zanany koa ny ray aman-dreny mahay mitaiza.—Vakio ny Matio 3:17.

Mihaino ny mpanompony ilay Raintsika any an-danitra, sady mahatakatra tsara ny fihetseham-pon’izy ireo. Tokony hanahaka azy koa ny ray aman-dreny ka hihaino tsara an’izay lazain’ny zanany. (Jakoba 1:19) Tsy tokony ho tezitra ny ray aman-dreny rehefa milaza ny fihetseham-pony ny zanany, na dia mahasosotra aza izay lazainy.—Vakio ny Nomery 11:11, 15.

Ahoana no tokony hitaizana ny ankizy?

Manan-jo hametraka fitsipika ny ray aman-dreny. (Efesianina 6:1) Miezaha anefa hanahaka an’Andriamanitra rehefa manao an’izany. Tiany ny zanany ka hazavainy tsara amin’izy ireo hoe inona ny fitsipiny, ary inona no ho vokany raha tsy mankatò izy ireo. (Genesisy 3:3) Tsy manery ny olona mba hankatò anefa izy fa lazainy azy ireo kosa ny soa ho azony raha manao ny tsara izy ireo.—Vakio ny Isaia 48:18, 19.

Ataovy tanjona ny hanampy ny zanakao ho tia an’Andriamanitra. Hanao ny tsara izy ireo amin’izay, na dia rehefa tsy eo aza ianao. Mampihatra an’izay ampianariny foana Andriamanitra. Manaova koa toy izany! Raha mampianatra ny zanakao ho tia an’Andriamanitra ianao, dia ianao aloha no tokony ho tia an’Andriamanitra.—Vakio ny Deoteronomia 6:5-7; Efesianina 4:32; 5:1.