Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | TE HIANATRA BAIBOLY VE IANAO?

Nahoana no Ilaina ny Mianatra Baiboly?

Nahoana no Ilaina ny Mianatra Baiboly?
  • Inona no antony namoronana antsika?

  • Nahoana ny olona no mijaly sy maty?

  • Hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy?

  • Mba mijery ahy ve Andriamanitra?

Efa nisy nanitikitika ny sainao ve ireo? Olona maro koa maneran-tany no mametraka fanontaniana toy ireo. Misy ve anefa ny valiny?

Eny, ary an-tapitrisany no nahita valiny mahafa-po tao amin’ny Baiboly. Te hahalala an’izay lazain’ny Baiboly ve ianao? Vonona hampianatra anao maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah. *

Vao mahare hoe hianatra Baiboly ny olona sasany, dia miteny hoe: “Tsy manam-potoana aho!” na hoe: “Sao dia sarotra be ilay izy?” na: “Sao dia tafiditra lalina amin’izany eo aho?” Misy kosa mazoto. Jereo ange ny tenin’ireto olona ireto e!

  • “Efa nivavaka tany amin’ny Katolika, Protestanta, Sikh, ary Bodista aho, dia efa nianatra teolojia tany amin’ny oniversite koa. Mbola be dia be ihany anefa ny fanontaniako momba an’Andriamanitra. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amiko, avy eo. Gaga aho fa voavaliny tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniako, ka nanaiky hianatra Baiboly aho.”—Gill, Angletera.

  • “Nanontany zavatra be dia be tamin’ny pasiteranay aho, fa tsy nahazo valiny mahafa-po. Vavolombelon’i Jehovah no nahavaly ny fanontaniako sady tsy nampiasa afa-tsy Baiboly izy. Tonga aho dia nanaiky hianatra Baiboly.”—Koffi, Bénin.

  • “Tena te hahalala aho hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Nino aho hoe mahavita mampijaly ny velona izy ireny. Tiako ho fantatra ihany anefa izay lazain’ny Baiboly, ka nianatra tamin’izay namako Vavolombelon’i Jehovah izay aho.”—José, Brezila.

  • “Namaky Baiboly aho nefa tsy nisy azoko. Soa ihany fa nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika ahy, dia nisy faminaniana maromaro tao amin’ny Baiboly nohazavainy tsara. Vao mainka aho te hahalala an’izay lazain’ny Baiboly.”—Dennize, Meksika.

  • “Lasa saina aho hoe tena mba mijery ahy ve Andriamanitra. Nivavaka tamin’ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly àry aho. Ny ampitson’iny ihany, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amiko, ary nanaiky hianatra Baiboly aho.”—Anju, Népal.

Hita avy amin’ireo fa marina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Mila azy tokoa isika olombelona, ary efa voajanahary amintsika izany. Andriamanitra irery no afaka manampy antsika amin’izany, ary atorony ao amin’ny Baiboly izay tokony hataontsika.

Hoatran’ny ahoana àry izany mianatra Baiboly izany? Inona no soa ho azonao amin’ilay izy? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo.

^ feh. 8 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.