Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | JOSEFA

“Hataoko Ahoana ny Hanao Izany Ratsy Lehibe Izany?”

“Hataoko Ahoana ny Hanao Izany Ratsy Lehibe Izany?”

NAFANA ny andro tamin’izay sady nanevokevoka. Henon’i Josefa ny fofona manentohenton’ny felan’ny voahirana sy zavamaniry hafa eny amin’ny rano. Nentin’ny andiana mpivaro-mandeha izy ary mamakivaky lemaka iva eo amoron’ny Reniranon’i Neily ao Ejipta izy ireo izao. Mitarika ny ramevany ireo lehilahy ireo, ary mifanao aloha sy aoriana. Handalo tanàna ejipsianina hafa indray izy ireo izao. Mahita vano sy ibisy tsindraindray izy ireo eny an-dalana eny. Lasa any an-tanànany, any Hebrona, indray ny sain’i Josefa. Avo toerana any sady mandrivotra. Izao anefa izy lasa atỳ amin’ny tanàna hafa mihitsy, atỳ amin’ny an-jatony kilaometatra miala eo aminy.

Mahare gidro mikiakiaka sy miantsoantso eny an-tampon’ireo palmie sy aviavy i Josefa. Henoiny koa ny resaky ny olona manodidina azy fa tsy misy azony. Miezaka ny hahazo teny sy fitambaran-teny angamba izy, sady miezaka mianatra an’ilay fiteny. Toa tsy ho tafody intsony mantsy izy.

Mbola vao 17 na 18 taona i Josefa nefa na olon-dehibe aza mety tsy hahazaka ny olana natrehiny. Efa saika hamono azy ho faty ny rahalahiny satria izy no tian’ny rainy indrindra. Nialona azy mantsy izy ireo. Tsy novonoin’izy ireo indray anefa izy fa namidiny tamin’ny mpivaro-mandeha. (Genesisy 37:2, 5, 18-28) Efa nandeha herinandro maromaro izao ireo mpivarotra ireo. Faly erỳ izy ireo manatona ny tanàn-dehibe. Hahazo vola mantsy izy ireo satria hivarotra an’i Josefa sy ny entana sarobidy hafa. Inona no nanampy an’i Josefa tsy ho kivy tanteraka? Ary inona no hanampy antsika hanana finoana foana na dia eo aza ny olana isan-karazany? Araho ny tantaran’i Josefa.

‘NOMBA AN’I JOSEFA I JEHOVAH’

“Ary i Josefa nentina nidina tany Ejipta. Ary i Potifara Ejipsianina, izay tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiaro azy, dia nividy an’i Josefa tamin’ireo Ismaelita nitondra azy nidina tany.” (Genesisy 39:1) Eritrereto ange izay tsapan’i Josefa e! Nahatsiaro ho tsy nisy dikany izy satria namidy indray. Lasa entam-barotra izy. Alao sary an-tsaina izy mamakivaky tsena be olona, manaraka ny tompony, izay tandapa ejipsianina. Any aminy i Josefa no hipetraka manomboka izao.

Tsy nitovy tamin’ny tranon’i Josefa hatramin’izay mihitsy ilay tranony vaovao. Nipetraka tamin’ny tranolay foana izy mianakavy satria nifindrafindra monina, sady niandry ondry. Tsara tarehy sy marevaka kosa ny tranon’ny Ejipsianina mpanankarena toa an’i Potifara. Milaza ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa tian’ny Ejipsianina fahiny ny zaridaina mifefy misy alokaloky ny hazo, sy dobo ambolena zozoro sy voahirana ary zavamaniry hafa. Voahodidina zaridaina ny trano sasany, ary nisy fidirana mitafo ankafizana tsiotsio-drivotra, sy varavarankely avo be fidiran’ny rivotra. Nisy efitra maro koa izy ireny, sady nisy efitra lehibe iray fisakafoana sy efitra maro ho an’ny mpanompo.

Gaga be ve i Josefa nahita an’izany? Tena manirery be aloha izy izao ka tsy misy fotoana ieritreretana  an’izany. Vaovao be aminy ny fitenin’ny Ejipsianina sy ny fiakanjony ary ny paozin’izy ireo. Hafa be koa ny fivavahan’izy ireo. Maro be ny karazan’andriamanitra nivavahan’ny Ejipsianina. Nampiasa herin’ny maizina izy ireo sady nanao mazia. Tena nahaliana azy ireo koa ny resaka fahafatesana sy fiainana any ankoatra. Nisy zavatra nanampy an’i Josefa tsy ho kivy anefa na dia nanirery aza izy. Milaza ny Baiboly hoe: ‘Nomba an’i Josefa i Jehovah.’ (Genesisy 39:2) Azo antoka hoe namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra izy. Hoy ny Baiboly: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah.” (Salamo 145:18) Inona koa no nanampy an’i Josefa hifandray akaiky tamin’Andriamanitra?

Tsy nanaiky ho resin’ny hakiviana i Josefa, ary niezaka nanao izay vitany tamin’izay asa nampanaovina azy. Notahin’i Jehovah àry izy ka vetivety dia tian’ny tompony. Hitan’i Potifara hoe ny fitahian’i Jehovah Andriamanitr’i Josefa no nahatonga ny zava-drehetra tao an-tranony handeha tsara. Vao mainka nahafinaritra azy io tovolahy nahay io ka nampiandraiketiny ny zava-drehetra.—Genesisy 39:3-6.

Ohatra tsara ho an’ny tanora manompo an’Andriamanitra i Josefa. Rehefa any an-tsekoly, ohatra, izy ireo dia mety hahita hoe hafahafa ny any satria liana amin’ny herin’ny maizina ny olona sady tsy mba manana fanantenana. Raha izany no mahazo anao dia tadidio hoe tsy miova i Jehovah. (Jakoba 1:17) Mbola tohanany foana izay tsy mivadika aminy sy miezaka mafy hampifaly azy. Tena mitahy azy ireo izy, ary hitahy anao koa.

Nihalehibe i Josefa, tatỳ aoriana, sady lasa “tsara bika sy tsara tarehy.” Somary atahorana ihany izany, satria matetika no lasa tia anao ny olona tsy tianao ho raiki-pitia aminao, rehefa tsara bika na tsara tarehy ianao.

Tsikaritry ny vadin’i Potifara i Josefa

‘TSY NANAIKY MIHITSY IZY’

Zava-dehibe tamin’i Josefa ny tsy fivadihana. Tsy niraharaha an’izany kosa ny vadin’i Potifara. Hoy ny Baiboly: “Nanomboka nijery an’i Josefa ny vadin’ny tompony, ka niteny hoe: ‘Avia hanao firaisana amiko.’ ” (Genesisy 39:7) Nalaim-panahy hanaiky an’io vehivavy mpanompo sampy sahisahy ratsy io ve i Josefa? Azo antoka fa nanana faniriana toy ny tovolahy rehetra izy na dia tsy milaza an’izany aza ny Baiboly. Azo inoana koa fa nahafatifaty ilay vehivavy sady nampihantaina satria vadina tandapa nanan-karem-be. Mety ho nieritreritra ve i Josefa hoe tsy ho fantatry ny tompony raha nanaiky izy? Nalaim-panahy hieritreritra ve izy hoe hahazo tombontsoa raha miaraka amin’ilay vehivavy?

 Tsy fantatsika daholo izay nandalo tao an-tsain’i Josefa. Hita tamin’ny valin-teniny anefa izay tena tao am-pony. Hoy izy: “Tsy mieritreritra intsony ny amin’ny ato an-trano ny tompoko, fa efa nankininy tamiko izay rehetra ananany. Tsy misy lehibe noho izaho ato amin’ity trano ity, ary tsy nisy na inona na inona nandrarany ahy afa-tsy ianao, satria vadiny ianao. Koa hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:8, 9) Alao sary an-tsaina ange i Josefa niteny an’izany e! Tena hentitra be izy. Tsy vitany na dia ny nieritreritra fotsiny ny zavatra tian’ilay vehivavy hataony aza. Nahoana?

Nilaza i Josefa fa natoky azy ny tompony. Nankinin’i Potifara taminy daholo mantsy ny zava-drehetra tao an-tranony. Ny vadiny ihany no nandrarany an’i Josefa. Ho vitan’i Josefa ve ny hamadika ny tompony? Tsy te hieritreritra an’izany akory izy. Nihoron-koditra koa izy na dia nieritreritra fotsiny aza hoe hanota amin’i Jehovah Andriamaniny izy raha manao izany. Nampianarin’ny ray aman-dreniny azy ny fiheveran’Andriamanitra ny fanambadiana sy ny tsy fivadihana amin’ny vady. Nianarany hoe namorona ny fanambadiana i Jehovah, sady nilaza mazava fa tiany hikambana amin’ny vadiny ny lehilahy, ary ho “nofo iray ihany” izy ireo. (Genesisy 2:24) Mety ho niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra izay nitady hanapaka an’izany fatorana izany. Saika niharan-doza, ohatra, ireo lehilahy efa saika hanao firaisana tamin’ny vadin’i Abrahama, renin’ny raiben’i Josefa, sy tamin’ny vadin’i Isaka, reniben’i Josefa. (Genesisy 20:1-3; 26:7-11) Nandray lesona avy tamin’izany i Josefa, ka tiany hampiharina ilay izy.

Tezitra be tamin’ilay valin-tenin’i Josefa ny vadin’i Potifara. Andevo kely kosa ve no mandà azy sady milaza hoe “ratsy lehibe” ilay zavatra nasainy natao! Nisisika ihany anefa izy. Voadona angamba ny hambom-pony, ka tiany hoterena hiova hevitra i Josefa. Nitovy tamin’i Satana, izay naka fanahy an’i Jesosy, izy. Tsy nahomby koa i Satana, nefa tsy kivy fa nitady “fotoana hafa mety indray.” (Lioka 4:13) Tokony ho hentitra sy tsy hiovaova àry ny olona tsy mivadika. Izany no nataon’i Josefa. Tsy niova hevitra mihitsy izy na dia naka fanahy azy “isan’andro isan’andro” aza ny vadin’ny tompony. Hoy ny Baiboly: ‘Tsy nanaiky mihitsy izy.’ (Genesisy 39:10) Tsy nanaiky mihitsy koa anefa ny vadin’i Potifara.

Nandrasany ho lasa daholo ny mpanompo tao an-trano. Fantany fa tsy maintsy ho tonga hanao raharaha i Josefa. Tonga tokoa i Josefa ka nofandrihany amin’izay. Nisambotra azy tamin’ny akanjony izy sady niteny farany hoe: “Avia hanao firaisana amiko!” Niezaka niala avy hatrany i Josefa nefa notazonin’ilay vehivavy ny akanjony. Navelany teny an-tanan’ilay vehivavy àry ilay akanjo ary nandositra izy.—Genesisy 39:11, 12.

Mampahatsiahy antsika ny torohevitry ny apostoly Paoly izany. Notarihin’ny fanahy masina izy nanoratra hoe: “Andosiro ny fijangajangana.” (1 Korintianina 6:18) Ohatra tsara ho an’ny tena Kristianina rehetra i Josefa. Mety ho voatery hifanerasera be amin’ny olona tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra koa isika. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy ho voataona hanao ratsy isika. Na inona na inona mety hanjo antsika dia tsy maintsy mandositra isika.

Tena mafy ny nanjo an’i Josefa. Te hamaly faty azy ny vadin’i Potifara ka nikiakiaka niantso mpanompo hafa. Saika hanolana azy, hono, i Josefa ary nitsoaka haingana raha vao nikiakiaka izy. Notazoniny ilay akanjo mba hiampangana azy, ary nandrasany ny vadiny. Rehefa tonga izy, dia notantarainy indray ny laingany, ary nolazainy an-kolaka hoe ny vadiny no diso satria nitondra olon-tsy fantatra tao an-trano. Nanao ahoana ny fihetsik’i Potifara? Milaza ny Baiboly fa ‘nirehitra ny fahatezerany’ ka nalefany tany am-ponja i Josefa.—Genesisy 39:13-20.

“NOGEJAINA NY TONGONY”

Tsy haintsika tsara hoe hoatran’ny ahoana ny fonja tamin’izany. Hitan’ny mpikaroka hoe tranobe voahodidina manda, misy efitrefitra sy lakaly figadrana, ny fonja tamin’izany. Nilaza i Josefa, tatỳ aoriana, hoe “lavaka” ilay nisy azy, izany hoe toerana maizina sady mahakivy. (Genesisy 40:15) Hoy ny Salamo 105:17, 18 momba ny fampijaliana hafa natao taminy: “Nogejaina  ny tongony, ary nasiana gadra vy izy.” Izao no nataon’ny Ejipsianina tamin’ny voafonja, indraindray: Alaina ny tanany roa, alefa any aoriana, ary gejaina avy eo amin’ny kihony. Ny hafa kosa asiana gadra vy ny tendany. Tena tsy maintsy ho nijaly be i Josefa, nefa tsy nanao ratsy akory.

Nijanona tany maharitra koa izy. Milaza ny Baiboly fa “tao am-ponja tao foana” i Josefa. Nijanona tao an-taonany maro izy, ary tsy fantany na ho tafavoaka ao izy na tsia. * Rehefa nandeha teny ny andro sy ny volana ary ny taona, inona no nanampy azy tsy ho kivy mihitsy?

Mamaly toy izao ilay fitantarana: ‘Nomba an’i Josefa foana i Jehovah, sady tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminy.’ (Genesisy 39:21) Tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy haneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny mpanompony na fonja, na gadra vy, na efitra maizim-be. (Romanina 8:38, 39) Azonao sary an-tsaina ve i Josefa mitantara amin’ilay Rainy any an-danitra ny fahoriany? Milamin-tsaina sy tony tsara izy avy eo. Ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” ihany no afaka manao an’izany. (2 Korintianina 1:3, 4; Filipianina 4:6, 7) Inona koa no nataon’i Jehovah ho an’i Josefa? Nataony foana izay hahazoan’i Josefa “sitraka tamin’ny lehiben’ny fonja”, hoy ihany ilay fitantarana.

Azo antoka fa nomena asa ny voafonja ary nataon’i Josefa indray izay hitahian’i Jehovah azy. Niasa mafy izy nanao an’izay nasaina nataony ary nankininy tamin’i Jehovah ny sisa. Lasa nohajaina sy natokisana i Josefa, toy ny tao amin-dry Potifara ihany. Hoy ny Baiboly: “Koa natolotry ny lehiben’ny fonja ho eo ambany fiandraiketan’i Josefa ny voafonja rehetra tao am-ponja. Ary izay nataon’izy ireo tao dia zavatra nampanaovin’i Josefa azy avokoa. Koa tsy nikarakara na inona na inona mihitsy tamin’izay nankininy tamin’i Josefa ny lehiben’ny fonja, satria i Jehovah nomba an’i Josefa, ka nataon’i Jehovah nahomby izay nataony.” (Genesisy 39:22, 23) Tena nampahery an’i Josefa ny nahalala hoe nikarakara azy i Jehovah.

Niasa mafy i Josefa tany am-ponja ka notahin’i Jehovah

Mety hahakivy be antsika ny fiovana sasany mitranga eo amin’ny fiainantsika. Mety hahatsiravina antsika mihitsy aza ny tsy rariny mihatra amintsika. Manàna anefa finoana toa an’i Josefa. Hotahin’i Jehovah isika raha mivavaka aminy tsy tapaka, mankatò ny lalàny foana, ary miezaka mafy manao ny tsara. Mbola nisy fitahiana lehibe kokoa nomen’i Jehovah an’i Josefa, ary izany no horesahin’ny lahatsoratra manaraka amin’ity andian-dahatsoratra ity.

^ feh. 23 Asehon’ny Baiboly fa 17 na 18 taona teo ho eo i Josefa rehefa tonga tao amin-dry Potifara ary nijanona tao elaela, angamba nandritra ny taona vitsivitsy. Telopolo taona izy rehefa nafahana avy tao am-ponja.—Genesisy 37:2; 39:6; 41:46.