Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Hiatrehana ny Loza

Fomba Hiatrehana ny Loza

Mihamitombo ny loza sy ny voka-dratsin’izany. Inona àry no azo atao mba hiatrehana azy ireny? Handinika dingana vitsivitsy azo arahina isika.

Aza mipetraka any amin’ny toerana mampidi-doza.

Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.” (Ohabolana 22:3) Torohevitra tsara azo ampiharina tokoa izany rehefa misy loza! Raha misy fampitandremana omena, ohatra, hoe mety hipoaka tsy ho ela ny volkano iray, na misy rivo-doza mananontanona, dia fahendrena ny miala ao amin’ilay faritra ary mankany amin’ny toerana azo antoka kokoa. Zava-dehibe kokoa mantsy ny aina noho ny trano na zavatra hafa.

Mety ho afaka mifidy ny tsy hipetraka any amin’ny faritra tena mampidi-doza koa ny olona sasany. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Misy faritra tena azo antoka hoe hisy loza, saingy faritra kely ihany izany. Any amin’izy ireny no mety hitranga ny ankamaroan’ireo loza, amin’ny hoavy.” Mety ho izany tokoa, ohatra, no hitranga any amin’ny faritra amoron-tsiraka iva mora tondraky ny ranomasina, na any akaikin’ny faritra misy tany mitresaka. Mety tsy hatahorana ho tra-doza àry ianao, raha tsy mipetraka eny amin’ireny faritra mampidi-doza ireny, na mifindra any amin’ny toerana azo antoka kokoa.

Eritrereto mialoha izay hataonao.

Na mitandrina aza ianao, dia mety mbola ho tratran’ny loza tsy ampoizina ihany. Ho mora kokoa aminao anefa ny hiatrika an’izany raha miomana mialoha ianao. Manaraka ilay torohevitra ao amin’ny Ohabolana 22:3 koa ianao raha manao izany. Efa manana kitapo misy ny zavatra tena ilaina sy mora raisina ve ianao, raha sendra misy loza? Manome soso-kevitra ny boky iray hoe ireto avy no tokony hatao vonona: Fitaovam-pitsaboana vonjy maika, rano, sakafo tsy mora simba, ary antontan-taratasy tena ilaina. Fahendrena koa ny mandinika mialoha miaraka amin’ny fianakavianao hoe inona no loza mety hitranga sy ahoana no hatao rehefa mitranga izany.

Efa manana kitapo misy ny zavatra tena ilaina sy mora raisina ve ianao, raha sendra misy loza?

Mifandraisa tsara foana amin’Andriamanitra.

Manampy foana izany na inona na inona mitranga. Milaza ny Baiboly fa “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” Andriamanitra.—2 Korintianina 1:3, 4.

Tena fantatr’Andriamanitra izay manjo an’ireo matoky azy. Andriamanitra fitiavana izy ka mampahery amin’ny fomba maro samihafa. (1 Jaona 4:8) Mila mivavaka isika, tsy hoe mba hisian’ny fahagagana, fa mba hahazoana ny fanahy masina. Tena manampy izany, na inona na inona mitranga. Ampian’io fanahy masina io hahatadidy andinin-teny ireo miatrika zava-tsarotra, ka ireny no mampahery sy mampitony azy ireo. Hahatsapa toa an’i Davida, mpanjakan’ny Israely, izy ireo amin’izay hoe: “Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho, dia tsy misy loza atahorako, satria ianao no eo anilako. Ny tsorakazonao sy ny tehinao no manome toky ahy.”—Salamo 23:4.

Mifanampia.

Nilaza ny mpaminany atao hoe Agabo, tamin’ny taonjato voalohany, fa “hisy mosary lehibe hanerana ny tany onenana. Dia nitranga tamin’ny andron’i Klaodio tokoa izany.” Niharan’izany ny ankamaroan’ireo mpianatr’i Jesosy tany Jodia. Inona no nataon’ireo mpianatra tany an-tany hafa rehefa nandre ny fahorian’ireo mpiray finoana taminy? Tapa-kevitra izy ireo fa “samy handefa fanampiana araka izay vitany, ho an’ireo rahalahy nonina tany Jodia.” (Asan’ny Apostoly 11:28, 29) Be fitiavana tokoa izy ireo!

“Nahatsiaro ho tiana sy voaro aho”

Manao toy izany koa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, rehefa misy loza lehibe. Malaza ho tia manampy ny mpiray finoana aminy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy horohoron-tany lehibe, ohatra, tany Silia tamin’ny 27 Febroary 2010. Tonga dia nanampy an’ireo tra-boina ireo Vavolombelon’i Jehovah. Ravan’ny tsunami, ohatra, ny tranon’i Karla. Hoy izy: “Ny ampitson’iny ihany ireo [namana Vavolombelona] avy any an-tany hafa dia tonga nanampy anay. Tena nampahery izany. Nampaherezin’i Jehovah tamin’ny alalan’ireny mpiasa an-tsitrapo tsara fanahy ireny izahay. Nahatsiaro ho tiana sy voaro aho.” Nahita izany ny dadabeny, izay tsy Vavolombelona, ka nilaza hoe: “Tena tsy hoatr’izany mihitsy ny zavatra hitako an-taonany maro tao amin’ny fiangonana misy ahy.” Lasa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona izy noho izany.

Tena hanampy anao hiatrika zava-tsarotra ny mifanerasera amin’ny olona tia an’Andriamanitra. Tsy hisy intsony ve anefa ny fijaliana vokatry ny loza, indray andro any? Andeha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly.