Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO HANAMPY NY OLONA TSY HIFANKAHALA INTSONY?

4 | Ekeo ny Fanampian’Andriamanitra

4 | Ekeo ny Fanampian’Andriamanitra

Fampianaran’ny Baiboly:

‘Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fihavanana, faharetana, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena.’​GALATIANINA 5:22, 23, f.a.p.

Inona no dikan’izany?

Hahavita tsy hankahala olona intsony isika rehefa ampian’Andriamanitra. Tsy ho vitantsika samirery mihitsy ny hanana toetra sasany, raha tsy ampian’ny fanahiny masina isika. Aza miady irery àry mba handresena ny fankahalana, fa miantehera amin’Andriamanitra. Raha manao an’izany ianao, dia hahatsapa hoatran’ny apostoly Paoly hoe: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.” (Filipianina 4:13) Ho afaka hiteny koa ianao hoe: “Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana.”​—Salamo 121:2.

Inona no azonao atao?

“Nahery setra aho nefa novan’i Jehovah ho tsara fanahy.”​—WALDO

Mivavaha amin’ny fo, dia mangataha fanahy masina amin’i Jehovah. (Lioka 11:13) Iangavio izy mba hanampy anao hanana toetra tsara. Ianaro izay toetra lazain’ny Baiboly hoe manampy anao tsy hankahala olona, anisan’izany ny fitiavana, fihavanana, faharetana, ary fifehezan-tena. Mitadiava fomba hampisehoana an’ireo toetra ireo, ary miaraha amin’ny olona miezaka hanana toetra hoatr’izany. Afaka mandrisika anao “hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara” mantsy ry zareo.​—Hebreo 10:24.