Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Rariny ve raha nantsoin’i Jesosy hoe “jiolahy” ireo olona nivarotra biby tao amin’ny tempolin’i Jerosalema?

HOY ny Filazantsaran’i Matio: “Niditra tao amin’ny tempoly i Jesosy ka nandroaka an’izay rehetra nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra voromailala. Dia hoy izy tamin’ireo: ‘Voasoratra hoe: “Ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana”, fa ianareo kosa manao azy ho lava-bato fieren-jiolahy.’”—Mat. 21:12, 13.

Asehon’ny tantara fa tena nanararaotra ny mpivarotra tao amin’ny tempoly satria nataony nidangana be ny vidin’ny entany. Nilaza, ohatra, ny asa soratra jiosy fa nisy fotoana nahatratra denaria volamena iray ny vidin’ny voromailala roa, tamin’ny taonjato voalohany. Nila niasa 25 andro ny olona iray vao nahazo an’izany. Lasa lafo loatra àry ny voromailala, ka na ny mahantra aza tsy afaka nividy an’ilay izy intsony mba hatao fanatitra. (Lev. 1:14; 5:7; 12:6-8) Tezitra be tamin’izany ilay mpitondra fivavahana jiosy atao hoe Simeona, zanak’i Gamaliela, dia nahenany ny isan’ny fanatitra notakina tamin’ny olona. Tonga dia lasa ampahazaton’ilay denaria volamena ny vidin’ny voromailala roa.

Tsy diso mihitsy àry i Jesosy raha nilaza hoe “jiolahy” ireo mpivarotra tao amin’ny tempoly, satria nanararaotra be izy ireo sady tia vola.