Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy trano sy lapa goavana niavaka be tany Ninive

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no nanjo ny tanànan’i Ninive?

I ASYRIA no fanjakana nanana faritany nidadasika indrindra tamin’ny taona 670 T.K. tany ho any. Milaza ny tranonkalan’ny Tranombakoka Britanika hoe “niainga tany Sipra, any andrefana, ny faritaniny ary nifarana tany Iran, any atsinanana. Efa nisy fotoana koa i Ejipta tao anatin’izany.” I Ninive no renivohitr’i Asyria ary izy no tanàna lehibe indrindra eran-tany tamin’izany. Nisy zaridaina maro tena kanto sy lapa tsara tarehy be tany, ary tranomboky ngezabe. Hita amin’ny soratra teny amin’ny rindrina tao Ninive fahiny fa niantso ny tenany hoe “mpanjakan’izao tontolo izao” i Asorobanipala Mpanjaka, hoatran’ny nataon’ny mpanjaka hafa tany Asyria. Hoatran’ny hoe tsy hisy haharesy mihitsy àry i Ninive sy Asyria.

I Asyria no fanjakana natanjaka indrindra sy nanana faritany nidadasika indrindra tamin’izany

Inona anefa no nitranga tamin’ny fotoana nampahatanjaka indrindra an’i Asyria? Nilaza i Zefania mpaminany hoe: “Handrava an’i Asyria [i Jehovah]. Ary hataony tsy misy mponina i Ninive, ka ho karakaina toy ny tany efitra.” Nilaza koa i Nahoma mpaminany hoe: “Mandrobà volafotsy, ary mandrobà volamena ... Lasa fongana sy foana ary aolo ny tanàna! ... Handositra anao izay rehetra mahita anao, ka hanao hoe: ‘Voaroba i Ninive!’” (Zef. 2:13; Nah. 2:9, 10; 3:7) Mety ho nieritreritra ny olona rehefa naheno an’ireo faminaniana ireo hoe: ‘Izany ve dia ho tanteraka? I Asyria ve dia ho resy nefa izy matanjaka be?’ Hoatran’ny tsy nampino izany!

Tsy misy na inona na inona izao any!

Izany mihitsy anefa no nitranga. Resin’ny Babylonianina sy ny Medianina i Asyria, taloha kelin’ny taona 600 T.K. Tsy nisy nipetraka intsony tao Ninive rehefa nandeha ny fotoana, ary hadino tanteraka ny momba azy! Resahin’ny boky navoakan’ny tranombakoka iray any New York hoe: “Nilaozan’ny olona tanteraka i Ninive tamin’ny farany sady tototry ny tany, ary izay lazain’ny Baiboly sisa no nahafantarana ny momba azy.” Milaza koa ny Fikambanana Mandalina ny Arkeolojia Momba ny Baiboly hoe: “Tsy nisy nahafantatra akory hoe tena nisy ve izany renivohitr’i Asyria izany.” Nanomboka nikaroka teo amin’ilay toerana nisy ny tanànan’i Ninive anefa ilay manam-pahaizana antsoina hoe Austen Layard tamin’ny 1845. Hitany tamin’ireo zavatra nofongariny tany ambanin’ny tany fa tanàna niavaka i Ninive.

Porofoin’izany fa tanteraka ny faminaniana momba an’i Ninive. Vao mainka àry isika matoky fa ho tanteraka koa ny faminanian’ny Baiboly hoe tsy maintsy hifarana ireo fanjakana misy amin’izao.​—Dan. 2:44; Apok. 19:15, 19-21.