Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Te ho Miaramilan’i Kristy Foana Aho

Te ho Miaramilan’i Kristy Foana Aho

Niafina aho tamin’izay ary nanidintsidina teny akaikiko ny bala. Nanaiky ho resy aho, dia nakariko tsimoramora ilay mosara fotsy tany amiko. Nivazavaza ireo miaramila nitifitifitra hoe: “Mivoaha tao!” Nijaikojaiko nanatona an-dry zareo aho. Tsy haiko tamin’izany hoe ho faty aho sa ho velona. Ao hotantaraiko izay nitranga.

VALO mianadahy izahay, ary izaho no fahafito. Tamin’ny 1926 aho no teraka, tany Karítsa, any Gresy. Tena nazoto niasa i Dada sy Neny.

Nihaona tamin’i John Papparizos ry zareo, tamin’ny 1925. Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah) izy ary be zotom-po sy tia niresaka. Nitombina tsara ny zavatra noresahiny avy ao amin’ny Baiboly, ka lasa nanatrika ny fivorian-dry zareo i Dada sy Neny. Tena nino an’i Jehovah i Neny. Tsy nahay namaky teny sy nanoratra izy, nefa nitory foana isaky ny afaka. I Dada indray nifantoka tamin’ny fahadisoan’ireo rahalahy, dia tsy nivory intsony.

Tena tia Baiboly izaho sy ny iray tam-po amiko, saingy variana niaraka tamin’ny namanay. Nisy zava-nitranga nanaitra be anay anefa tamin’ny 1939. Nisy havanay izay teny akaikinay. Nicolas Psarras no anarany, ary 20 taona izy tamin’izay. Vao vita batisa izy, dia voantso ho miaramila tao amin’ny tafika grika. Nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe II mantsy i Eoropa tamin’izany. Tsy natahotra izy nilaza tamin’ny manam-pahefana hoe: “Tsy afaka miady aho satria miaramilan’i Kristy.” Notsaraina tany amin’ny fitsarana miaramila izy, dia voaheloka higadra folo taona. Gaga be izahay!

Soa ihany fa nandalo tany Gresy ny tafika fahavalo tamin’ny voalohandohan’ny 1941, dia nafahana i Nicolas. Niverina tany Karítsa izy taorian’izay. Nototofan’i Ilias zokinay lahy fanontaniana momba ny Baiboly izy, dia nihaino tsara ny resak’izy ireo aho. Lasa nianatra Baiboly sy nivory foana izaho sy Ilias ary Efmorfia zandrinay faravavy. Nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa izahay telo, tamin’ny 1942. Nisy zokiko efatra koa lasa Vavolombelon’i Jehovah tsy nivadika.

Sivy mianadahy izahay no tanora tao amin’ny Fiangonana Karítsa tamin’izany, ary teo anelanelan’ny 15 sy 25 taona izahay. Fantatray hoe hisy fitsapana mafy hanjo anay, dia niomana izahay. Niara-nianatra Baiboly sy nihira hiran’ilay Fanjakana ary nivavaka izahay isaky ny afaka nanao izany. Tena nanatanjaka ny finoanay izany.

Demetrius sy ny namany, tany Karítsa

NISY ADY AN-TRANO

Nikomy tamin’ny fitondrana ny Kominista tany Gresy, rehefa akaiky hifarana ny Ady Lehibe II. Ady an-trano nahatsiravina no vokatr’izany. Notafihin’ny miaramila kominista ny tanàna tany ambanivohitra, ary notereny hanohana azy ireo ny olona. Rehefa tonga tany aminay ry zareo, dia nosamboriny izaho sy Antonio Tsoukaris ary Ilias. Nohazavainay tamin-dry zareo hoe tsy mandeha miady izahay satria Kristianina. Notereny handeha an-tongotra nankany amin’ny Tendrombohitra Olympe anefa izahay, ary adiny 12 teo ho eo vao tonga.

Taoriana kelin’izay, dia nisy manam-pahefana kominista nanery anay hiaraka tamin’ireo mpikomy hanafika tanàna. Nohazavainay fa tsy mampiasa fitaovam-piadiana ny tena Kristianina, satria tsy te hamono ny mpiara-belona aminy. Tezitra be izy ka nentiny tany amin’ny jeneraly iray izahay. Izay nolazainay taminy ihany no naverinay tamin’ilay jeneraly, dia hozy ilay jeneraly: “Mandehana izany maka ramole, dia tatero any amin’ny hopitaly izay miaramila maratra any an’ady.”

Hozy izahay hoe: “Dia ahoana raha samborin’ny miaramilam-panjakana izahay? Tsy hoheverin-dry zareo hoe mandeha miady ve izahay?” Dia nilaza izy hoe: “Mandehana izany manatitra mofo ho an’ny miaramila any an’ady.” Dia hozy izahay hoe: “Dia ahoana raha misy manam-pahefana mahita anay mitondra an’ilay ramole, dia asainy mitatitra fitaovam-piadiana ho an’ny miaramila any an’ady izahay?” Lasa saina teo ilay jeneraly, dia hozy izy: “Miandry ondry kosa angamba azonareo atao e! Mijanòna any an-tendrombohitra dia ny ondry andrasana.”

Niandry ondry àry izahay telo lahy nandritra an’ilay ady an-trano, ary tsy nampaninona anay izany. Navela hody i Ilias, herintaona taorian’izay, mba hikarakara an’i Neny. Izy mantsy no lahimatoanay, ary i Dada koa efa maty. Nafahana koa i Antonio fa narary. Izaho irery sisa no voatazona tany.

Nanodidina tsikelikely an’ireo miaramila kominista ny tafika grika. Te handositra ho any Albania, any akaikin’i Gresy, ireo miaramila kominista nisambotra an’ahy, dia nanavatsava tendrombohitra nankany. Gaga be izahay rehefa tonga teo amin’ny sisin-tany, satria hay izahay efa voahodidin’ny miaramila grika. Natahotra be ireo miaramila kominista, dia nandositra. Izaho indray niafina tao ambadiky ny hazo iray nianjera. Tamin’izay aho ilay nitolo-batana.

Nolazaiko tamin’ireo miaramila grika hoe nosamborin’ny Kominista aho. Nentin-dry zareo tany amin’ny toby miaramila àry aho mba hofotopotorana. Tany akaikin’i Véroia, ilay tanàna hoe Beria resahin’ny Baiboly, no nisy an’ilay toby. Nasaina nihady tatatra hiafenan’ny miaramila aho tany. Tsy nety anefa aho, dia nasain’ny lehiben’ny miaramila nalefa sesitany tany amin’ny Nosy Makrónisos (Makronisi).

NOSY NAMPAHATAHOTRA

Any akaikin’ny morontsirak’i Attique ny Nosy Makrónisos, 50 kilaometatra eo ho eo avy any Atena. Ngazana be any, ary feno vatovato sady mahamay be, ka tsy manintona firy. Tsy mihoatra ny 2,5 kilaometatra ny sakany, ary 13 kilaometatra eo ho eo monja ny lavany. Gadra 100 000 mahery anefa no efa tany, tamin’ny 1947 ka hatramin’ny 1958. Anisan’izany ny Kominista, ny olona nahiahina ho Kominista, ny miaramilan’ny antoko mpanohitra, ary ny Vavolombelon’i Jehovah be dia be.

Tamin’ny voalohandohan’ny 1949 aho no tonga tany. Tany amin’ny toby samy hafa ny gadra, dia toby iray tsy dia nambenana be no nasiana an’ahy. Lehilahy an-jatony izahay no tao. Nisy 40 teo ho eo izahay no natory tamin’ny tany, tao anaty tranolay natao ho an’olona 10. Rano maimbo be no nosotroinay, ary lantihy sy baranjely matetika no sakafonay. Nandrivotra sy be vovoka foana koa tany, dia nandreraka be. Fa mba fara faharatsiny aloha izahay tsy nampijalina be hoatran’ny voafonja sasany. Be dia be ry zareo no noterena hitaritarika vato mavesatra be nandroso sy niverina, sady nasaina nanao an’izany tsy an-kijanona. Vizana tanteraka izy ireo tamin’ny farany sady tena kivy be.

Niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa natao sesitany tany amin’ny Nosy Makrónisos

Nandehandeha teny amoron-dranomasina aho, indray andro, dia nihaona tamin’ny Vavolombelona maromaro avy any amin’ny toby hafa. Faly be izahay tafaraka! Nifanao fotoana izahay isaky ny afaka, sady nitandrina mba tsy ho tratra. Nivavaka mafy izahay ary nitory tamin’ny voafonja hafa, nefa mailo tsara foana. Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny sasany tamin’izy ireny. Nanatanjaka ny finoanay izany rehetra izany.

HOATRAN’NY HOE TANY ANATY LAFAORO

Nasain’ireo miaramila nanao akanjo miaramila aho, folo volana taorian’ny nanaovana sesitany ahy. Tsy nety anefa aho, dia notaritaritin-dry zareo nankany amin’ny mpiandraikitra ny toby. Nomeko taratasy nisy an’izao soratra izao izy: “Miaramilan’i Kristy aho, dia izay ihany!” Nampitahoriny aho avy eo, dia nalefany tany amin’ny mpiandraikitra lefitra. Arseveka ortodoksa ilay izy, ary nanao akanjona arseveka izy tamin’izay. Tsy natahotra aho fa novaliako avy tao amin’ny Baiboly ny fanontaniany. Tezitra be izy sady nitrerona hoe: “Adalana fivavahana! Ento any io!”

Nasain’ireo miaramila nanao akanjo miaramila indray aho ny ampitso marainan’iny. Tsy nety aho dia nasian-dry zareo ny totohondry sady noveliveleziny tamin’ny kibay. Nentiny tany amin’ny toeram-pitsaboana tao amin’ilay toby aho, mba hojerena hoe tsy nisy tapaka ny taolako. Notaritaritin-dry zareo nankany amin’ilay tranolay nisy an’ahy aho avy eo. Izany no nataon’izy ireo isan’andro, nandritra ny roa volana.

Tsy niova hevitra mihitsy aho, dia nitady tetika hafa ireo miaramila. Nafatotr’izy ireo tao an-damosiko ny tanako, dia noveliveleziny tamin’ny tady ny faladiako. Nanaintaina be aho, dia tadidiko ilay tenin’i Jesosy hoe: “Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ... Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany no nanenjehany ny mpaminany talohanareo.” (Mat. 5:11, 12) Hoatran’ny ela be mihitsy aho no nampijalin-dry zareo, dia farany aho tsy nahatsiaro tena.

Nalefan-dry zareo tany amin’ny efitra iray nangatsiaka be aho, dia tany vao nahatsiaro tena. Tsy nisy mofo tao, na rano, na bodofotsy. Tony dia tony anefa aho. ‘Niambina ny foko sy ny saiko ny fiadanan’Andriamanitra.’ (Fil. 4:7) Nisy miaramila tsara fanahy nanome an’ahy mofo sy rano ary akanjo mafana ny ampitson’iny. Dia nisy anankiray koa nanome an’ahy ny anjara sakafony. Tsapako tamin’izany sy ny zavatra maro hafa nitranga tamiko hoe tena tia sy nikarakara ahy i Jehovah.

Mpikomy tsy laitra fehezina, hono, aho hozy ny manam-pahefana, dia nalefa notsaraina tany amin’ny fitsarana miaramila tany Atena. Voaheloka higadra telo taona tany Yíaros (Gyaros) aho. Any amin’ny 50 kilaometatra eo ho eo, any atsinanan’i Makrónisos, no misy an’io nosy io.

“MATOKY ANAREO IZAHAY”

Tranobe vita amin’ny biriky ilay fonja any Yíaros. Gadra politika 5 000 mahery no tao. Fito izahay no Vavolombelon’i Jehovah tao, ary noho izahay tsy nandeha niady no nampigadra anay. Niara-nianatra Baiboly izahay na dia voarara aza izany. Nisy nanome Tilikambo Fiambenana an-tsokosoko foana koa izahay. Nadikanay tanana ilay izy, dia ireny no nianaranay.

Tratran’ny mpiambina niara-nianatra izahay indray mandeha, dia nalainy ny bokinay. Nasaina nankany amin’ny biraon’ny mpiambina lefitra izahay. Nieritreritra izahay hoe hampitomboina izao ny sazinay. Nilaza anefa izy hoe: “Fantatray tsara ianareo ka! Manaja ny zavatra inoanareo izahay, dia matoky anareo. Mandehana miverina miasa.” Nomeny asa mora kokoa aza ny sasany taminay. Nisaotsaotra an’i Jehovah izahay! Tsy nivadika izahay ka nanome voninahitra azy, na dia tany am-ponja aza.

Nisy vokany tsara hafa ny tsy fivadihanay. Nisy voafonja iray izay mpampianatra matematika taloha. Nandinika tsara anay izy ary hitany hoe tsara fitondran-tena izahay, dia nanontany momba ny zavatra inoanay izy. Nafahana izahay fito tamin’ny voalohandohan’ny 1951, dia nafahana koa izy. Natao batisa izy tatỳ aoriana, ary lasa mpitory manontolo andro.

MBOLA MIARAMILAN’I KRISTY FOANA

Izaho sy Janette vadiko

Nody tany Karítsa aho rehefa nafahana. Nifindra tany Melbourne, eto Aostralia, izaho tatỳ aoriana, toy ny Grika maro hafa. Nihaona tamin’i Janette, anabavy mahafinaritra izay aho, dia nivady izahay. Manan-janaka telo mianadahy izahay, ary nampianay ho lasa mpanompon’i Jehovah izy ireo.

Efa 90 taona mahery aho izao, ary mbola anti-panahy. Noho ny vono nahazo ahy taloha, dia manaintaina ny vatako sy ny tongotro indraindray, indrindra rehefa avy mitory. Te ho ‘miaramilan’i Kristy’ foana anefa aho.—2 Tim. 2:3.