Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?

Mora Simba ny Fitaovana Nanoratana Azy

Mora Simba ny Fitaovana Nanoratana Azy

OLANA: Hodi-biby malefaka sy taratasy papyrus (karazan-jozoro) no tena nampiasain’ny mpanoratra Baiboly sy mpanao dika soratra. (2 Timoty 4:13) Natahorana tsy hisy intsony àry ny Baiboly.

Mora rovitra sy mihavasoka ary mihamalemy mantsy ny taratasy papyrus. Hoy i Richard Parkinson sy Stephen Quirke, mpikaroka momba an’i Ejipta fahiny: “Mety hihasimba ilay taratasy ka lasa misaratsaraka ary lasa vovoka. Tratran’ny hamandoana ny horonana taratasy papyrus rehefa tehirizina, ka lasa misy bobongolo na lo. Hanin’ny biby na bibikely toy ny vitsika fotsy koa ilay izy rehefa alevina.” Azon’ny hazavana na hamandoana be loatra ny taratasy papyrus sasany, taorian’ny nahitana azy, ka vetivety dia simba.

Mateza kokoa noho ny taratasy papyrus ny hodi-biby. Mora simba koa anefa izy io rehefa tsy tandritandremana na rehefa apetraka amin’ny toerana mafana be, mangatsiaka be, mando, na mazava loatra. * Tena tian’ny bibikely koa izy io. Tsy mahagaga raha tsy misy intsony ny ankamaroan’ireo sora-tanana fahiny. Raha simba toy izany anefa ny Baiboly, dia ho nanjavona koa ny hafatra noraketiny.

NAHOANA NO MBOLA MISY IREO HORONANA? Voalazan’ny lalàna jiosy fa tokony hadikan’ny mpanjaka tsirairay amin’ny boky ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly. (Deoteronomia 17:18) Be dia be koa ny sora-tanana nataon’ny mpanao dika soratra matihanina, ka nahitana ny Soratra Masina ny synagoga rehetra tany Israely hatrany Makedonia, tamin’ny taonjato voalohany. (Lioka 4:16, 17; Asan’ny Apostoly 17:11) Nahoana no mbola misy hatramin’izao ny sasany amin’ireny sora-tanana tranainy be ireny?

Voatahiry nandritra ny taonjato maro ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, rehefa nampidirina tao anaty siny tanimanga, ary napetraka tao anaty lava-bato tany an-tany efitra

Hoy i Philip Comfort, manam-pahaizana momba ny Testamenta Vaovao: “Fanaon’ny Jiosy ny nitahiry horonana tao anaty siny.” Mbola nanao an’izany koa ny Kristianina matoa nahitana sora-tanana tranainy tao anaty siny tanimanga, efitra kely maizimaizina, lava-bato, ary tany an-tany efitra.

INONA NO VOKANY? Sombina Baiboly sora-tanana tranainy an’arivony no mbola misy hatramin’izao. Mahatratra 2 000 taona mahery ny sasany amin’izy ireny. Ny Baiboly ihany no manana sora-tanana be dia be sy tranainy hoatr’izany.

^ feh. 5 Nosoratana tamin’ny hodi-biby, ohatra, ny filazana ny fahaleovan-tenan’i Etazonia. Nihananjavona anefa ny ankamaroan’ny soratra ao amin’izy io, tsy ampy 250 taona tatỳ aoriana, ka mila tsy ho voavaky intsony.