Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manampy ve ny Fianarana Ambony sy ny Vola?

Manampy ve ny Fianarana Ambony sy ny Vola?

Maro no mihevitra hoe hanana hoavy sambatra izay olona nahita fianarana sy manankarena. Raha nahazo diplaoma teny amin’ny oniversite mantsy, hono, ny olona iray dia handroso ny orinasa iasany sy ny fiaraha-monina misy azy. Handray soa koa ny fianakaviany. Ny olona nahita fianarana koa, hono, no mahazo asa tsara karama, ary ny olona be vola no sambatra.

SAFIDY ATAON’NY OLONA MARO

Avy any Chine i Zhang Chen. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe mila mahazo diplaoma eny amin’ny oniversite raha te hiala amin’ny fahantrana, ary ho sambatra sy ho afa-po raha mahazo asa tsara karama.”

Olona maro no te hanatsara ny fiainany ka mianatra any amin’ny oniversite malaza, na dia any an-tany hafa aza no misy azy ireny. Tsy nitsahatra nitombo ny isan’ny olona nanao an’izany raha tsy tonga ilay valanaretina COVID-19. Lasa sarotra mantsy ny nanao dia lavitra. Nisy fikambanana nanao fanadihadiana, folo taona lasa izay, ary nanao tatitra hoe: “Avy any Azia ny antsasany mahery amin’ny olona mandranto fianarana any an-tany hafa.”

Miasa mafy ny ray aman-dreny mba handefasana ny zanany hianatra any amin’ny oniversite any ivelany. Hoy i Qixiang, avy any Taïwan: “Tsy nanan-karena ny ray aman-dreninay nefa nalefan’izy ireo nianatra tany Etazonia izahay efatra mianadahy.” Tsy maintsy nidi-trosa be izy mianakavy tamin’izany, hoatran’ny fianakaviana maro.

NISY VOKANY VE IZANY?

Maro no nifofotra tamin’ny fianarana ambony sy nikatsaka harena, nefa diso fanantenana

Mety hanatsara ny fiainan’ny olona iray ny fianarana ataony. Tsy araka ny noeritreretin’ny mpianatra maro anefa ny zava-misy. Misy, ohatra, tsy nety nahita ny asa niriny, na dia niasa mafy nandritra ny taona maro sy nindrana vola be aza mba handoavana ny saram-pianarany. Izao no nolazain’i Rachel Mui, tao amin’ny gazety iray any Singapour: “Mihabetsaka izao ny olona nahazo diplaoma teny amin’ny oniversite no tsy mety mahita asa.” Hoy i Jianjie, lehilahy iray avara-pianarana mipetraka any Taïwan: “Be dia be izao ny olona tsy afa-manoatra fa manao izay asa hitany, na dia tsy mifanentana amin’ny diplaomany aza ilay izy.”

Misy ihany ireo nahita asa mifandray amin’ny zavatra nianarany, nefa tsy araka ny nantenainy ny fiainany. Nahita asa hoatr’izany i Niran, avy any Tailandy, rehefa avy nianatra tany amin’ny oniversite tany Eoropa. Hoy izy: “Nanampy ahy hahita asa be karama ny diplaoma azoko, araka ny efa nantenaiko. Nitaky be tamin’ny fotoanako anefa izy io, ary tsy maintsy niasa mafy aho. Nandroaka ny ankamaroan’ny mpiasa tao aminy ilay orinasa niasako tatỳ aoriana, ary voaroaka koa aho. Tsapako tamin’izay hoe mety ho very asa daholo na iza na iza.”

Mbola manana olana anefa, na dia ireo manam-bola be sy heverina ho mahomby aza. Mety hanana olana ara-pianakaviana, ohatra, izy ireo, na marary, na mbola manahy amin’ny resaka vola. Hoy i Katsutoshi, avy any Japon: “Nanam-bola be aho nefa mbola tsy sambatra. Tia nifaninana sy nialona ny olona nanodidina ahy, sady nampijaly ahy.” Hoy indray i Lam, vehivavy mipetraka any Vietnam: “Be dia be ny olona te hahazo asa tsara karama, amin’izay tsy miady saina amin’ny resaka vola. Vao mainka anefa ry zareo lasa be fanahiana sy marary ary kivy be.”

Maro be ny olona tonga saina hoatran’i Franklin hoe misy zavatra lehibe kokoa noho ny fianarana ambony sy ny harena. Miezaka ny ho tsara toetra sy hanao soa amin’ny hafa ry zareo, satria izay no eritreretiny hoe hanampy azy hanana hoavy sambatra. Izany tokoa ve? Hamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.