Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 FANADINADINANA | DAVEY LOOS

Miresaka ny Finoany Ilay Mpahay Simia

Miresaka ny Finoany Ilay Mpahay Simia

Manam-pahaizana momba ny simia ny Dr. Davey Loos, mipetraka any Belzika. Nisy fotoana izy nino ny evolisiona (na fiovana miandalana) fa tsy nino hoe nisy namorona izao rehetra izao. Niova hevitra anefa izy tatỳ aoriana. Niresaka taminy momba ny fikarohana nataony sy ny finoany ny Mifohaza!

Nahoana ianao no lasa mpikaroka?

Nianatra simia aho teny amin’ny oniversite. Nahafinaritra be ahy ny nianatra momba ny proteinina sy ADN ary ARN. Ireo manko no molekiola be pitsiny indrindra eto an-tany. Nanjary liana tamin’ny molekiola sasany koa aho, hoe ahoana no andraisany sy ampiasany ny herin’ny masoandro.

Nino an’Andriamanitra ve ianao taloha?

Ie, tamin’izaho mbola kely! Fa niova hevitra aho, nony nianatra tamin’ny oniversite katolika tany Louvain. Nampianarina izahay hoe nivoatra miandalana izao rehetra izao fa tsy noforonina. Sarotra be ny fanazavan’ny mpampianatra an’ilay izy, nefa natoky azy ireo aho satria manam-pahaizana be ry zareo. Lasa tsy tena nino an’Andriamanitra intsony aho taorian’izay.

Nahoana ianao no niova hevitra indray?

Nifankahita tamin’ny mpiara-mianatra tamiko aho, tamin’ny 1999. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nasainy hanatrika ny fivorian-dry zareo aho dia nandeha. Nisy Vavolombelona koa tonga tao aminay sady nanome an’ilay boky hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve?  *

Nanao ahoana ilay izy?

Mahaliana be mihitsy! Tena nanao fikarohana lalina ny mpanoratra an’ilay izy. Lasa àry ny saiko hoe rehefa dinihina tokoa ny zavaboary, dia hoatran’ny tsy mitombina ny evolisiona.

Inona, ohatra, ny tena nahavariana anao?

Nikaroka momba ny molekiola ao amin’ny karazana bakteria faran’izay bitika any an-dranomasina  aho. Tena hafa mihitsy izy ireny, satria tsy mila zavamananaina hafa mba hahavelona azy. Ny herin’ny masoandro fotsiny no ampiasainy mba hamadihana ny rano sy ny gazy karbonika ho sakafony. Mbola tsy tena mazava anefa hoe ahoana no anaovany an’izany. Misy mpikaroka mihevitra fa ireny bakteria ireny no nisy voalohany indrindra teto an-tany. Ny mahavariana ahy dia ny fomba andraisan’izy ireny ny herin’ny masoandro, sy ampiasany an’izany mba hivelomana.

Fa ny ravinkazo koa ange mivelona amin’ny masoandro e! Koa nahoana no hoe hafa mihitsy ilay bakteria?

Ka rehefa lalina be ny rano, dia kely ny hazavana tonga any. Tsy maintsy misambotra an’izay hazavana kely tody any aminy àry ireo bakteria. Sady izy manana karazana antenina matanjaka be, andraisany an’izay hazavana rehetra tamy avy any. Zara raha misy very izay hazavana azony, fa ahodiny daholo mba hahazoany sakafo. Liana amin’io bakteria io ny mpanamboatra fitaovana mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro. Fa mbola tsy misy mahatoraka azy io daholo aloha izay fitaovana vitan-dry zareo e!

Dia ahoana ny hevitrao rehefa avy nandinika an’izany?

Tena kanto sady be pitsipitsiny ny zavaboary, ka na ny injeniera aza miezaka maka tahaka azy. Dia resy lahatra aho hoe tsy tongatonga ho azy ireny, fa noforonin’Andriamanitra

Tena kanto sady be pitsipitsiny ny zavaboary, ka na ny injeniera aza miezaka maka tahaka azy. Dia resy lahatra aho hoe tsy tongatonga ho azy ireny, fa noforonin’Andriamanitra. Fa tsy izay ihany anefa no nandresy lahatra ahy satria izaho koa nianatra Baiboly.

Nahoana ianao no lasa nino ny Baiboly?

Satria tanteraka tamin’ny an-tsipiriany izay voalaza ao. Tanteraka daholo, ohatra, ny faminanian’i Isaia momba ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nandevenana azy. Ary voaporofo fa efa ela be izy no naminany an’ilay izy. Hita tany Qoumrân tsinona ilay horonan-taratasy nandikana ny faminanian’i Isaia, ka fantatra fa efa an-jatony taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy ilay faminaniana.

Nilaza, ohatra, i Isaia hoe: “Rehefa maty izy, dia hatao eo amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanankarena ny fasany.” (Isaia 53:9, 12) Dia mahagaga fa izay tokoa no nitranga satria niara-novonoina tamin’ny jiolahy i Jesosy, nefa koa nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanankarena. Ohatra iray fotsiny io, fa mbola be dia be ny faminaniana efa tanteraka ka nahatonga ahy hino fa tenin’Andriamanitra ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Dia lasa Vavolombelon’i Jehovah aho tatỳ aoriana.

Inona no tianao ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy minomino befahatany fotsiny izahay, ka hoe tsy miraharaha an’izay porofo efa asehon’ny siansa

Tsy minomino befahatany fotsiny izahay, ka hoe tsy miraharaha an’izay porofo efa asehon’ny siansa. Izahay koa miezaka manaraka izay lazain’ny Baiboly foana. Mahafinaritra anay koa ny miresaka amin’ny olona an’izay zavatra mampahery ao amin’ny Baiboly, sady manampy azy ireo hahita ny valin’ny fanontaniany ao.

^ feh. 9 Amin’ny teny frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.