Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANADINADINANA | CÉLINE GRANOLLERAS

Miresaka ny Finoany Ilay Manam-pahaizana Momba ny Voa

Miresaka ny Finoany Ilay Manam-pahaizana Momba ny Voa

Dokotera any Frantsa i Céline Granolleras. Nianatra momba ny aretin’ny voa izy. Efa nitsabo nandritra ny 20 taona mahery izy, vao nino hoe misy ny Mpamorona sady miahy antsika. Nanontany momba ny asany sy ny zavatra inoany ny Mifohaza!

Nanao ahoana ny fiainanao tamin’ny mbola kely?

Nipetraka tany Espaina izahay, fa nifindra tatỳ Frantsa tamin’izaho sivy taona. Katolika izahay, nefa tsy nino an’Andriamanitra intsony aho rehefa 16 taona. Tsy hitako akory tamin’izany izay ilana ny fivavahana. Rehefa nisy nanontany aho hoe: ‘Dia ahoana no nampisy ny fiainana raha tsy misy Andriamanitra?’, dia novaliako hoe: “Tsy voazavan’ny mpahay siansa aloha izany amin’izao, fa tsy maintsy ho voazavany ihany!”

Nahoana ianao no nianatra momba ny voa?

Tamin’izaho nianatra ho dokotera tany Montpellier (any Frantsa), dia nisy profesora nanasa ahy hiasa ao amin’ny sampana fitsaboana voa. Tao amin’ilay nitiavako azy mihitsy ilay izy, satria tsy vitan’ny hoe mitsabo marary ianao fa sady manao fikarohana mihitsy koa. Tamin’ny 1990, dia nanomboka nandray anjara tamin’ny fikarohana iray aho, hoe ahoana no hampiasana an’ilay hormonina atao hoe érythropoïétine (EPO) mba hahatonga ny taolana hamokatra liomena betsaka kokoa. Ny voa no mpamokatra hormonina EPO, kanefa rehefa marary ny voan’ny olona iray dia mila ampidirana EPO ao amin’ny vatany. Mbola azo lazaina hoe vaovao anefa io fitsaboana io tamin’izany.

Inona no nahatonga anao hieritreritra an’Andriamanitra?

Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Floréal vadiko tamin’ny 1979, fa izaho kosa tsy nianatra. Efa hatramin’ny mbola kely aho tsinona no tsy te hiherika fivavahana intsony. Na izany aza, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah i Floréal sy ny zanakay. Dia Vavolombelona daholo no lasa namanay avy eo. Niteny tamiko i Patricia namanay hoe: “Maninona raha mba manandrana mivavaka e? Raha tsy misy mihaino moa indrỳ, dia efa izay izany. Fa raha mba misy mihaino ve, tsy ho hitan-dry eo ihany?” Taona vitsivitsy taorian’izay, dia lasa ny saiko hoe: ‘Fa inona no tena dikan’izao fiainana izao e?’ Dia teo no tadidiko ny tenin’i Patricia. Nivavaka àry aho mba hahita ny valiny.

Fa nahoana ianao no lasa nandinika ny fiainana?

Satria rehefa nisy an’ilay fanafihana ny Trano Kambana tany New York iny, dia lasa saina aho hoe nahoana no ratsy be hoatr’izao ny fiainana. Nieritreritra aho hoe: ‘Ireny mpivavaka mafana fo ireny mihitsy no tena mpanakorontana ny fiaraha-monina. Ny Vavolombelon’i Jehovah anefa tsy hoatr’izany. Tsara fanahy ry zareo sady mampihatra ny Baiboly. Aleo jereko mihitsy izay voalaza ao.’ Dia nanomboka namaky Baiboly aho.

Sarotra taminao ve ny nino an’Andriamanitra satria ianao manam-pahaizana?

Tsy izany ka! Izaho aza niaiky hoe hafakely ny vatantsika sady niangaliana tsara mihitsy. Mahavariana, ohatra, fa tena hain’ny voa ny mibaiko hoe tokony hampiana ve ny liomena ao amin’ny vatantsika sa tsia.

Azonao hazavaina ve ny fandehan’izany?

Tonga saina ihany aho hoe Andriamanitra irery no mahavita zavatra miavaka hoatr’izany

Ny liomena no mitondra ny oksizenina. Raha very ra be, ohatra, ianao na miakatra amin’ny toerana avo be, dia lasa tsy ampy oksizenina. Tonga dia mahalala ny tokony hataony ny voa amin’izay, satria avy hatrany izy dia mamokatra EPO. Mety hitombo arivo heny mihitsy ny EPO vokatr’izany. Izy io indray no mibaiko ny tsokan’ny taolana mba hamokatra liomena, ary ny liomena avy eo no mitondra oksizenina. Tena mahavariana ilay izy an! Mahagaga fa efa folo taona no nianarako an’izany vao tonga saina aho hoe Andriamanitra ihany no mahavita zavatra miavaka hoatr’izany.

Ahoana no fahitanao ny Baiboly?

Betsaka ny boky malaza efa novakiko. Vao namaky Baiboly anefa aho dia hitako fa hafa mihitsy ilay izy. Azo ampiharina tsara ny torohevitra ao anatiny, ka niaiky aho fa tsy avy amin’olombelona mihitsy izany. Tiako be koa ny toetran’i Jesosy. Tsapako mihitsy hoe olona tena nisy izy, satria nanana fihetseham-po hoatran’ny olon-drehetra ihany sady nana-namana. Tsy tiako ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny voalohany, ka boky hafa no nanaovako fikarohana rehefa nisy zavatra tsy azoko.

Inona no nokarohinao?

Nikaroka tamin’ny boky ara-tantara aho ... Hitako tamin’ny farany fa tena marina ilay faminanian’ny Baiboly

Nahaliana ahy, ohatra, ilay faminaniana momba ny fotoana nanaovana batisa an’i Jesosy. Lazain’ny Baiboly mazava tsara hoe firy taona aorian’ny taona faha-20 nitondran’i Artaksersesy, mpanjaka persianina, no hisehoan’i Jesosy ho Mesia. * Nokarohiko tamin’ny boky ara-tantara àry ny taona nanjakan’i Artaksersesy sy ny nitorian’i Jesosy. Izaho rahateo moa efa zatra nanao fikarohana satria efa anisan’ny asako ilay izy. Hitako tamin’ny farany fa tena marina ilay faminanian’ny Baiboly, ka tsy maintsy hoe Andriamanitra no nilaza an’ilay izy.

^ feh. 19 Jereo ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 197-199.