Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Vombon’ny Trozona Misy Trafo

Ny Vombon’ny Trozona Misy Trafo

MITOVY lanja amin’ny kamiao feno entana ny trozona misy trafo efa lehibe. Goavam-be io biby mampinono io nefa mailaka be rehefa mitsoraka sy mihodina. Nahoana? Anisan’ny mahatonga izany ireo mivohibohitra eo amin’ny vombony.

Diniho izao: Malamalama ny sisiny anoloana amin’ny vombon’ny ankamaroan’ny trozona sy ireo biby mitovitovy aminy. Tsy toy izany kosa ny an’ny trozona misy trafo. Misy zavatra mivohibohitra ny sisiny anoloana amin’ny vombony. Rehefa milomano izy, dia mikoriana eny anelanelan’ireo zavatra mivohibohitra ireo ny rano, ary mizarazara ka lasa rano mitambolimbolina kely be dia be. Ireny avy eo no lasa rano mitambolimbolina mahery be. Iny no manosika an’ilay trozona hiakatra haingana fa tsy hijanonjanona, na dia velariny be aza ny vombony. Ireo mivohibohitra eo amin’ny vombony ireo koa no manampy azy hahatohitra kokoa ny rano. Manana tombony àry ilay trozona satria lava be ny vombony. Efa ho ampahatelon’ny vatany ny halavan’ny vombony iray.

Naka tahaka ny vombon’ny trozona ny mpikaroka ka nanamboatra familian-tsambo, milina mpamokatra angovo avy amin’ny rano, milina fitotoana ahodin-drivotra, ary helisina helikoptera tsara kokoa.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny vombon’ny trozona misy trafo, sa nisy namorona?