Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Tanan’ny Horita

Ny Tanan’ny Horita

 Manamboatra fitaovana ho an’ny dokotera mpandidy ny injeniera mpanamboatra robot, mba ho afaka hanao fandidiana tsara ry zareo rehefa faran’izay kely ny tataka atao amin’ny vatan’ilay olona didiana. Naka tahaka ny tanan’ny horita, izay tena mora aforitra kely, ry zareo mba hanamboarana an’ilay fitaovana.

 Diniho izao: Manana tanana valo mora aforitra sy mora atsotra ny horita, ary afaka mandray zavatra sy mitazona ary manery mafy ireo tanana ireo, na dia amin’ny toerana tery kely aza. Azony ahodina any amin’izay tiany ny tanany sady azony henjanina izay tapany tiany henjanina amin’ireo tanany ireo.

 Hitan’ny mpikaroka hoe tena tsara raha misy robot miendrika tanana malefaka sy mora miforitra hoatr’izany azon’ny dokotera ampiasaina rehefa mandidy. Ho kely fotsiny, amin’izay, no tatahana amin’ny vatan’ny olona rehefa didiana izy. Mety hahavitana fandidiana lehibe koa aza ilay izy, na dia sarotra be aza ilay fandidiana.

 Jereo fa mora aforitra sy mora atsotra ny tanan’ny horita

 Efa nanamboatra robot miendrika tanana hoatr’izany ny mpikaroka, ary ampiasaina io tanana io mba hanaovana fandidiana tsy tena izy. Mirefy 13,5 santimetatra ilay izy. Afaka manainga sy mitazona taova malemilemy ny ampahany amin’ilay tanana nefa tsy manimba an’ilay taova. Ny ampahany hafa amin’ilay izy kosa no tena manao an’ilay fandidiana. Hoy ny Pr. Tommaso Ranzani, anisan’ilay ekipa nanamboatra an’ilay fitaovana: “Mino izahay hoe vao fanombohany fotsiny izao, fa mbola hahavita fitaovana vaovao sy tsara kokoa ary mahavita zavatra betsaka kokoa isika any aoriana any.”

Hahavitana zavatra be amin’ny fandidiana ny robot miendrika tanana malefaka sy mora aforitra

 Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny tanan’ny horita, sa nisy namorona?