Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Anao Hanam-paharetana?

Inona no Hanampy Anao Hanam-paharetana?

HITANAO angamba rehefa avy namaky an’ireo lahatsoratra teo aloha ianao fa mandray soa ny olona manam-paharetana. Lasa salama kokoa izy, mahay mandray fanapahan-kevitra kokoa, ary manana namana tsara. Inona àry no hanampy anao hanam-paharetana kokoa? Diniho ireto soso-kevitra ireto.

Fantaro ny antony tsy anananao faharetana:

Inona no mahatonga anao tsy hanam-paharetana? Olona ve izany, ohatra hoe ny vadinao, na ny ray aman-dreninao, na ny zanakao? Sa tsy maharitra ianao rehefa miandry olona, na tara, na ny toy izany? Tsy manam-paharetana ve ianao rehefa reraka, na noana, na te hatory, na sahiran-tsaina? Rehefa aiza ianao no mora kizitina, any an-trano sa any am-piasana?

Mila mamantatra ny antony mahatonga antsika tsy hanam-paharetana isika. Hoy mantsy i Solomona Mpanjaka, taona maro lasa izay: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.” (Ohabolana 22:3) Raha fantatrao mialoha àry ny antony mahatonga anao tsy hanam-paharetana, dia mety ho afaka hanalavitra izany ianao. Tsy maintsy hiezaka ianao amin’ny voalohany, mba hanam-paharetana kokoa. Ho lasa zatra an’izany anefa ianao rehefa mandeha ny fotoana.

Tsory ny fiainanao:

Nilaza ny Profesora Noreen Herzfeld, mpampianatra momba ny ordinatera ao amin’ny Oniversite Saint John any Minnesota, Etazonia, fa “tsy vitan’ny olona mihitsy ny manao zavatra maro indray miaraka. Tsy mahavita mifantoka amin-javatra be dia be ao anatin’ny fotoana iray ny atidoha.” Hoy ihany izy: “Tsy hahavita hifantoka tsara isika raha manao zavatra maro indray miaraka, ka lasa tsy hanam-paharetana, ho mora kivy, tsy hisaina tsara, ary tsy hahay hamaha olana.”

Sarotra amin’ny olona iray ny hanam-paharetana raha miady saina izy fa be atao loatra, na be toerana haleha, na be olona ifandraisana. Hoy ihany ny Dr. Jennifer Hartstein: “Ny adin-tsaina no tena mahatonga ny olona tsy hanam-paharetana.”

Ento mora àry ny fiainanao ary ankafizo. Makà fotoana mba hahafahana mifandray am-po amin’ny olona vitsivitsy, fa aza variana mifandray amin’ny olona be dia be nefa tsy tena namana akory. Tsinjarao ny fotoananao ka izay zava-dehibe atao aloha. Aza mandany andro amin’ny fialam-boly sy ny fitaovana kely maoderina.

Mila mijery ny zavatra fanaonao isan’andro ianao, raha te hanatsotra ny fiainanao. Inona no azonao esorina na atao miadana kokoa? Hoy ny Mpitoriteny 3:1, 6: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy ... misy fotoana itehirizana ary misy fotoana anariana.” Mila afoinao angamba ireo zavatra mandany fotoana. Hanam-paharetana ianao amin’izay satria tsy ho be atao loatra.

Jereo ny zava-misy:

Mahaiza mijery ny zava-misy. Tsy voatery handeha haingana be araka ny aniriantsika azy foana ny zava-drehetra. Ekeo hoe tsy azonao terena handeha haingana araka izay itiavanao azy ny fotoana. Manam-paharetana izay manaiky an’izany.

Tadidio koa fa misy zavatra tsy azonao anoarana eo amin’ny fiainana. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena, ary tsy ny mahery no mandresy, ary tsy ny hendry no manan-kanina, ary tsy ny mahira-tsaina no mahazo harena, ary tsy ny manam-pahalalana no mahazo sitraka, satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina. Fa tsy fantatry ny olombelona ny fotoana ahafatesany.”—Mpitoriteny 9:11, 12.

Aza sorena amin’ny zavatra tsy azonao anoarana, fa fantaro kosa hoe inona no azonao atao. Aza tezitra raha tara ny bisy na lamasinina tokony handehananao, fa mitadiava fomba hafa ahatongavana any amin’izay toerana tianao haleha. Mety ho tsara kokoa aza ny mandeha an-tongotra, toy izay ho sorena fotsiny miandry eo. Manaova zavatra mahasoa raha tsy maintsy miandry ianao, ohatra hoe mamaky teny na manoratra ny zavatra tianao hatao amin’ny hoavy.

Tsy hahasoa anao ny manahy be amin-javatra tsy azonao anoarana. Hoy ny Baiboly: “Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy?”—Lioka 12:25.

Hatsarao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra:

Maro no nahita fa lasa nanam-paharetana izy, rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Resahina ao fa manam-paharetana kokoa ireo mifandray tsara amin’Andriamanitra, sady manana toetra tsara toy ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, hatsaram-panahy, ary fifehezan-tena. (Galatianina 5:22, 23) Mampanantena ny Baiboly hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.” (Filipianina 4:6, 7) Ianaro ny Baiboly dia ho fantatrao hoe inona no hanampy anao tsy hanahy be sy hanam-paharetana kokoa.