Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 7

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

1. Inona no atao hoe Fanjakan’Andriamanitra?

Nahoana i Jesosy no tena ho Mpanjaka tsara?—MARKA 1:40-42.

Fitondram-panjakana any an-danitra izy io, ary hanafoana ny fanjakana rehetra eto an-tany. Izy io no hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra any an-danitra sy eto an-tany. Hahazo izay rehetra ilainy ny olona, rehefa mitondra io Fanjakana io, ary hifankatia ny rehetra. Vaovao tsara tokoa izany!—Vakio ny Daniela 2:44; Matio 6:9, 10; 24:14.

Notendren’i Jehovah ho Mpanjakan’ilay Fanjakany i Jesosy Kristy Zanany.—Vakio ny Apokalypsy 11:15.

Jereo ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

2. Nahoana i Jesosy no tena Mpanjaka tsara?

Tena Mpanjaka tsara izy, satria tsara fanahy sady tsy mampandefitra ny rariny. (Matio 11:28-30) Tena mahery koa izy, ary afaka manampy ny olona satria hanjaka avy any an-danitra. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy ka tonga tany an-danitra, dia niandry teo ankavanan’i Jehovah aloha. (Hebreo 10:12, 13) Tatỳ aoriana izy vao nomena fahefana hitondra.—Vakio ny Daniela 7:13, 14.

3. Iza no hiara-manjaka amin’i Jesosy?

Hanjaka hiaraka aminy any an-danitra ireo ‘olona masina.’ (Daniela 7:27) Iza moa izy ireo? Anisan’izany ireo apostoly tsy nivadika, izay nofidina voalohany. Nisy lehilahy sy vehivavy maro koa nofidina taorian’izay. Mbola mifidy sasany amin’ireo olona masina i Jehovah hatramin’izao. Tsy maintsy atsangana ho fanahy toa an’i Jesosy izy ireo.—Vakio ny Jaona 14:1-3; 1 Korintianina 15:42-44.

Olona firy no ho any an-danitra? Nantsoin’i Jesosy hoe “ondry vitsy” ireo olona hitondra ny tany miaraka aminy. (Lioka 12:32) Hisy 144 000 ny isan’izy ireo.—Vakio ny Apokalypsy 14:1.

4. Inona no nitranga raha vao lasa Mpanjaka i Jesosy?

Tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra no nanomboka nitondra. * Vao nandray fahefana i Jesosy, dia noroahiny avy tany an-danitra i Satana sy ny demoniany, ka natsipiny tetỳ an-tany. Lasa feno loza ny tany noho izany, satria tezitra mafy i Satana. (Apokalypsy 12:7-10, 12) Nanomboka teo, dia nitombo be ny ady, mosary, areti-mandringana, ary horohoron-tany. Izany no “famantarana” fa kely sisa dia hanova ny fiainana eto an-tany ilay Fanjakana.—Vakio ny Lioka 21:7, 10, 11, 31.

5. Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Efa manangona vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra io Fanjakana io, amin’ny alalan’ny asa fitoriana. An-tapitrisany izy ireo izao, ary tena mifankatia. Hiaro azy ireo ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa handringana an’ity tontolo ratsy ity. Tsy maintsy mianatra mankatò an’i Jesosy ianao, raha tianao ny harovan’ilay Fanjakana.—Vakio ny Apokalypsy 7:9, 14, 16, 17.

Hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona io Fanjakana io, ao anatin’ny 1 000 taona. Ho lasa paradisa ny tany manontolo amin’izay. Avy eo dia haverin’i Jesosy amin’ny Rainy ny Fanjakana. (1 Korintianina 15:24-26) Iza no mba tianao hiresahana momba ny Fanjakan’Andriamanitra?—Vakio ny Salamo 37:10, 11, 29.

 

^ feh. 6 Avy amin’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly no nahitana an’io daty io. Manazava izany ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?,pejy 217-220.