Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INDONEZIA

Tsy Nanaiky Lembenana Mihitsy Izahay

Daniel Lokollo

Tsy Nanaiky Lembenana Mihitsy Izahay
  • TERAKA 1965

  • BATISA 1986

  • TANTARANY Mpisava lalana manokana izy ary tsy nivadika na teo aza ny fanenjehana.

NITARIKA fivoriana tany Maumere, any amin’ny Nosy Flores, aho tamin’ny 14 Aprily 1989. Nanao bemidina tao amin’ilay trano nivorianay ny manam-pahefana, ary nosamborina ny efatra taminay.

Nogadraina izahay ary noteren’ny mpiambina fonja hiarahaba saina. Tsy nanaiky izahay ka nokapohiny sy nodakadakany, ary nataony nijajirika teo amin’ny masoandro migaingaina nandritra ny dimy andro. Nangovitry ny hatsiaka izahay rehefa alina satria natory teo ambony gorodona simenitra. Ny efitra amin’io tery kely, izahay naloto sady reraka, ary ny ratranay nanaintaina. Imbetsaka ny mpiambina no nanery anay hiarahaba saina. Nilaza anefa izahay hoe: ‘Tsy hanao an’izany izahay mandra-pahafatinay.’ Nahatsapa hoatran’ireo Kristianina fahiny izahay hoe tombontsoa ny “mijaly noho ny fahamarinana.”—1 Pet. 3:14.