Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INDONEZIA

Mpisava Lalana Be Herim-po

André Elias

Mpisava Lalana Be Herim-po
  • TERAKA 1915

  • BATISA 1940

  • TANTARANY Mpisava lalana tsy nivadika na dia nalaina am-bavany sy norahonana aza.

NANTSOINA tany amin’ny foiben’ny polisy japoney tao Sukabumi i André sy Josephine vadiny, nandritra ny Ady Lehibe II. I André no nalaina am-bavany voalohany, ary nototofana fanontaniana izy. Ohatra hoe: “Iza ny Vavolombelon’i Jehovah? Manohitra ny fitondrana japoney ve ianareo? Mpitsikilo ve ianareo?”

Namaly i André hoe: “Mpanompon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra izahay ary tsy nanao ratsy.” Naka sabatra teo amin’ny rindrina ny lehiben’ny polisy, ary nakariny ambony ilay izy.

Nivazavaza izy hoe: “Ahoana raha vonoiko ianao?” Napetrak’i André teo ambony latabatra ny lohany ary nivavaka mangina izy. Nisy fahanginana ela be aloha, fa avy eo toran’ny hehy ilay lehiben’ny polisy. “Mahery fo ianao!”, hoy izy. Nampanantsoiny indray i Josephine. Nitovy tamin’ny an’i André ny valin-teniny, ka nibetroka ilay lehibe hoe: “Tsy mpitsikilo ianareo fa mandehana mandeha!”

Nisy “rahalahy sandoka” niampanga an’i André, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nigadra izy. (2 Kor. 11:26) Tsy nomena sakafo izy ka nitsindroka poti-kanina teo amin’ny tatatra tao amin’ny efitra nigadrany, nandritra ny volana maromaro. Tsy nahavita nampivadika azy anefa ny mpiambina fonja. Afaka nitsidika azy i Josephine indray mandeha, ka nobitsibitsihiny avy teo amin’ny bara vy hoe: “Matokia fa tsy hivadika amin’i Jehovah aho, na hovonoin-dry zareo na hafahany. Aleoko aza vonoin-dry zareo, toy izay hivadika!”

Niaro tena teo anatrehan’ny Fitsarana Avo teto Jakarta i André, enim-bolana tatỳ aoriana, ary nafahana.

Voarara indray ny asantsika 30 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nampanantsoin’ny mpampanoa lalàna tao Manado i André tamin’izay, ka nanontaniany hoe: “Fantatrao ve fa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah?”

“Ie”, hoy i André.

“Vonona ny hiova fivavahana amin’izay ve ianao izao?”, hoy ilay mpampanoa lalàna.

Niondrika kely i André ary nataony teo amin’ny tratrany ny tanany. Hoy izy, tamin’ilay feony nidoboka: “Azonao vonoina aho, fa tsy afaka mampiala ahy amin’ny fivavahako mihitsy ianao.”

Nasain’ilay mpampanoa lalàna nandeha i André ary tsy nohelingeleniny intsony.

Mpisava lalana nafana fo nandritra ny 60 taona teo ho eo i André. Nodimandry teo amin’ny faha-85 taonany izy tamin’ny 2000.