Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Iza no Tokony Hinoako?’

‘Iza no Tokony Hinoako?’

Ao an-dakilasy i Peter. Vao avy nanazava ny mpampianatra azy hoe nampandroso be ny siansa ny fampianaran’i Charles Darwin momba ny evolisiona, * sady nahatonga ny olona tsy hinohino foana. Asainy milaza ny heviny izao ny ankizy rehetra. Manomboka tsy mahazo aina i Peter sady mitaintaina. Nahoana?

Nampianarin’ny ray aman-dreniny azy mantsy fa tsy marim-pototra ny fampianarana momba ny evolisiona. Nilaza kosa izy ireo fa Andriamanitra no namorona ny tany sy izay rehetra eo aminy. Nantitranteriny fa tena marina io fanazavan’ny Baiboly io. Mba samy te hampianatra an’i Peter an’izay heveriny fa marina na ny ray aman-dreniny na ilay mpampianatra. Iza àry no tokony hinoany?

Mpianatra maro no sahiran-tsaina toy izany isan-taona. Inona no tokony hataon’izy ireny? Tokony hofantariny tsara hoe iza no tena marim-pototra: Ny hoe nivoatra miandalana isika sa hoe nisy namorona? Aorian’izay izy vao hifidy izay hinoany.

Milaza ny Baiboly fa tsy mety ny mino befahatany izay ampianarin’ny hafa. Voalaza ao hoe: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15) Ampirisihin’ny Baiboly ny Kristianina mba hampiasa ny ‘sainy’, ary handinika tsara sy hamantatra izay zavatra ampianarina azy.—Romanina 12:1, 2.

Tsy natao hampirisihana ny sekoly hampianatra momba ny famoronana ity bokikely ity. Natao kosa izy ity mba hahitana raha marina na tsia ny fampianaran’ny olona sasany hoe nisy ho azy teo izao rehetra izao, fa angano fotsiny ilay hoe Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra.

Ny sela no tena horesahintsika, satria tena ilaina izy io mba hisian’ny zavamananaina. Hojerentsika ireo zavatra sasany mahavariana ao anatin’ny sela. Hasaina handinika koa ianao, raha mitombina na tsia ny porofo entin’ny olona hilazana fa misy ny evolisiona.

Maro no efa lasa saina hoe: ‘Nisy namorona ve ny zavamananaina sa nivoatra miandalana?’ Mety mbola hieritreritra toy izany koa ianao. Betsaka ireo efa niaiky fa nisy namorona ny zava-drehetra. Hiresaka porofo vitsivitsy nandresy lahatra azy ireo ity bokikely ity.

^ feh. 2 Ny evolisiona dia ilay fampianarana hoe tsy nisy namorona ny zavamananaina fa nivoatra miandalana avy tamin-javatra tsy mananaina.