Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sary Mivohitra any Ejipta Manamarina Tantara Iray ao Amin’ny Baiboly

Sary Mivohitra any Ejipta Manamarina Tantara Iray ao Amin’ny Baiboly

 Valo metatra ny haavon’io sary mivohitra miendrika hieroglifa io. Any Karnak no misy azy, eo akaikin’ny fidirana mankao amin’ilay tempoly ejipsianina fahiny natao ho an’ilay andriamanitra nantsoina hoe Amona. Milaza ny manam-pahaizana fa hita eo amin’ilay sary ireo toerana resin’i Farao Sisaka tany avaratratsinanan’i Ejipta, anisan’izany i Joda sy ny fanjakan’ny Israely tany avaratra.

Sary mivohitra any Karnak; sarin’ireo babo mifatotra no aseho eo amin’ilay faritra boribory

 Hita eo amin’ilay sary i Amona mampiseho olona azo babo maherin’ny 150 amin’i Sisaka, na Sesônka. a Ny iray amin’ireo tanàna na firenena resiny no tiana haseho amin’ny sarin’ny babo tsirairay. Vita sokitra ao anaty faritra boribory, eo amin’ny vatan’ny babo tsirairay, ny anaran’ilay tanàna. Betsaka amin’ireo anarana no mbola hita tsara ka azo vakina, ary fantatry ny mpamaky Baiboly tsara ny sasany amin’izy ireo. Anisan’izany i Beti-sana, Gibeona, Megido, ary Sonema.

 Voalaza ao amin’ny Baiboly ny nanafihan’i Sisaka an’i Joda. (1 Mpanjaka 14:25, 26) Miresaka an’izany amin’ny an-tsipiriany mihitsy aza ny Baiboly. Izao no resahin’ny 2 Tantara 12:2-4: “Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama, dia niakatra i Sisaka mpanjakan’i Ejipta mba hanafika an’i Jerosalema. ... Nitondra kalesy roanjato sy arivo, sy mpitaingin-tsoavaly enina alina i Sisaka, ary tsy hita isa ny olona niaraka taminy avy any Ejipta. ... Dia namabo an’ireo tanàna voaro mafy tany Joda izy, ka tonga hatrany Jerosalema.”

 Tsy ilay sary mivohitra any Karnak ihany no porofo hitan’ny mpikaroka hoe nanafika ny faritanin’ny Israely i Sisaka. Ahitana an’ilay anarana hoe “Sesônka” koa ny silaka tsangambato iray hita tany Megido, tanàna resahin’ny Baiboly.

 Marina tsara àry ny zavatra resahin’ny Baiboly momba ny nandresen’i Sisaka an’i Joda. Hita avy amin’izany fa nilaza ny marina ireo mpanoratra ny Baiboly. Na nandresy ny firenen’izy ireo na resy, dia tsy nisy nafenin’izy ireo izany fa nosoratany daholo. Vitsy ny mpanoratra fahiny nilaza ny marina hoatr’izany.

a Mifanaraka amin’ny fanononana azy amin’ny teny hebreo ny fanoratana an’ilay anarana hoe “Sisaka” ao amin’ny Baiboly..