Hijery ny anatiny

“Zava-bita Miavaka” any Estonia

“Zava-bita Miavaka” any Estonia

Voafidy ho anisan’ireo zava-bita misongadina mandritra ny taona any Estonia Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 2014. Nahazo ny toerana fahatelo izy io, tamin’ireo 18 voafidy.

Nofidin’i Kristiina Ross, manam-pahaizana momba ny fiteny, ao amin’ny Fikambanan’ny Fiteny Estonianina, ilay Baiboly vaovao navoaka tamin’ny 8 Aogositra 2014. Nilaza izy fa “mora vakina sady mahafinaritra” ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Hoy koa izy: “Tena nampandroso ny resaka fandikan-teny amin’ny teny estonianina ny ezaka natao mba hamoahana azy iny.” Nilaza koa i Rein Veidemann, mpampianatra momba ny haisoratra sy ny kolontsaina estonianina, hoe “zava-bita miavaka” ilay Baiboly vaovao.

Navoaka voalohany tamin’ny teny estonianina ny Baiboly feno, tamin’ny 1739. Mbola nisy fandikan-teny maro navoaka taorian’izay. Nahoana anefa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no “zava-bita miavaka”?

Marina. Be mpampiasa ny Baiboly estonianina iray navoaka tamin’ny 1988. Miverimberina im-6800 mahery ao amin’ny Soratra Hebreo (Testamenta Taloha), ao amin’io Baiboly io, ny anaran’Andriamanitra hoe “Jehoova” (Jehovah). a Izany koa no hita ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy izay ihany anefa. Ampiasainy koa io anaran’Andriamanitra io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina (Testamenta Vaovao), rehefa misy antony mazava hanaovana an’izany.

Mazava. Sady marina tsara ve ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no mora vakina? Nilaza i Toomas Paul, mpandika Baiboly hajaina, tao amin’ny gazety Eesti Kirik (Eglizin’i Estonia), hoe tratran’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao “ilay tanjona hoe adika ho amin’ny teny estonianina mazava tsara” ilay izy. Hoy koa izy: “Sahiko ny miteny hoe izay vao tratra izany tanjona izany.”

Mamaky an’ilay Baiboly amin’ny teny estonianina

Tena faly ny Estonianina fa nahazo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nanao fandaharana naharitra 40 minitra ny radiom-pirenena iray, mba hiresahana momba an’io Baiboly vaovao io. Samy nangataka an’io Baiboly io tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny mpitondra fivavahana na ny mpiangona. Nangataka 20 tamin’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao koa ny sekoly malaza iray ao Tallinn, mba hampiasainy amin’ny taranja iray. Tia mamaky boky ny Estonianina, ary mahafaly ny Vavolombelon’i Jehovah ny mamoaka fandikan-teny marina sy mazava tsara, amin’ilay boky tsara indrindra hatramin’izay.

a Profesora ao amin’ny Oniversiten’i Tartu i Ain Riistan, ary mandalina momba ny Testamenta Vaovao. Notantarainy hoe ahoana no nahatonga ny Estonianina hanonona ny anaran’Andriamanitra hoe “Jehoova.” Hoy izy teo am-pamaranana: “Hitako hoe mety tsara raha Jehoova no ampiasaina izao. Eo ihany ilay hoe ahoana no niandohany, nefa ... tena zava-dehibe io anarana io ary manana heviny lalina, teo amin’ireo taranaka maro nifandimby. Jehoova no anaran’ilay Andriamanitra nandefa ny Zanany hamonjy ny olombelona.”