Hijery ny anatiny

Grande-Bretagne: Tahirin-tsary Faha-8 (Martsa ka Hatramin’ny Aogositra 2019)

Grande-Bretagne: Tahirin-tsary Faha-8 (Martsa ka Hatramin’ny Aogositra 2019)

Ho hitanao ato amin’ireto sary ireto hoe nanao ahoana ny fandrosoan’ilay fanorenana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Grande-Bretagne, nanomboka tamin’ny Martsa ka hatramin’ny Aogositra 2019.

  1. Trano misy ny famokarana video

  2. Trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa

  3. Trano misy ny birao

  4. Trano Fonenana A

  5. Trano Fonenana B

  6. Trano Fonenana C

  7. Trano Fonenana D

  8. Trano Fonenana E

  9. Trano Fonenana F

Martsa 2019: Trano misy ny birao

Mpiasa an-tsitrapo mametaka zavatra amin’ny fantsona fanafanana, ao amin’ny efitra misy ny fitaovana fanafanana.

29 Martsa 2019: Trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa

Mpiasa an-tsitrapo mametaka karô amin’ny rindrin’ny efitra fandroana, ao amin’ny efitra fisoloana akanjo.

10 Aprily 2019: Trano misy ny birao

Mpiasa an-tsitrapo mametaka fandribaratra eny ambony tafo. Anisan’ireo fitaovana natao hiarovana an’ilay trano tsy hipoahan’ny varatra ireo metaly mifampitohitohy ireo. Misy tady miaro an’ilay mpiasa an-tsitrapo eny aminy, ary mifatotra tsara eo amin’ilay tafo ilay izy ka afaka miasa tsara izy sady voaro amin’ny loza.

16 Aprily 2019: Trano misy ny birao

Mpiasa an-tsitrapo manadio fitaratra hametahana taratasy lavalava kely maromaro. Araikitra eo amin’ny fitaratra ireo taratasy kely, amin’izay mora hita ireny toerana feno fitaratra ireny, dia tsy atahorana hanitsy eo ny olona raha sendra variana ka haratra.

23 Aprily 2019: Trano fonenana A

Mpiasa an-tsitrapo manamarina hoe tsentsina ve sa tsia ireo lakandrano vao natao, ary efa azo ampiasaina ve izy ireo. Mampiasa kamerà kely mifandray amina efijery izy mba hanaovana an’izany.

23 Aprily 2019: Trano misy ny birao

Mpandrafitra mametaka hazo eo amin’ny rindrin’ny efitra iray ngezabe hampiasaina amin’ny zavatra isan-karazany, ohatra hoe hatao efitra fisakafoana, na efitrano fivoriana. Izy io koa no hampiasaina rehefa misy fotoan-dehibe.

14 Mey 2019: Trano fonenana B

Mpanao zaridaina mamboly zavamaniry eo akaikin’ny hazo natao hiarovana fefy tsy hirodana.

14 Mey 2019: Trano fonenana A

Mpiasa an-tsitrapo mametaka fitaratra eo anoloan’ny varavarankely. Natao hiarovana an’izay mipetraka ao amin’ilay efitrano mba tsy hianjera avy eny ambony rihana izy io. Tsy misakana ny rivotra sy ny hazavana io fitaratra io.

21 Mey 2019: Trano misy ny birao

Elektrisianina mametaka jiro eo ivelan’ny efitra fandraisan’olona.

11 Jona 2019: Trano misy ny famokarana video

Mpiasa an-tsitrapo manapaka fantsona mpampiditra rivotra, mba hanamboarana ny hangezan’ilay fantsona.

17 Jona 2019: Trano misy ny birao

Mpiasa an-tsitrapo mamboly hazo sady manomana ny toerana hanaovana lalan-kely ho an’ny mpandeha an-tongotra. Eo ankavia ilay efitra ngezabe hampiasaina amin’ny zavatra isan-karazany, ohatra hoe hatao efitra fisakafoana, fivoriana, na hanaovana fotoan-dehibe. Ny trano fonenana A ilay tazana eo akaiky eo.

24 Jona 2019: Trano fonenana A

Teknisianina mametaka zavatra ilaina amin’ny fitaovana famonoana afo.

9 Jolay 2019: Trano misy ny birao

Mpanao zaridaina manomana ny tany hambolena bozaka. Mpiasa an-tsitrapo manadio ny fitaratry ny birao ireo aoriana ireo. Borosy misy tahony lava be no ampiasain’izy ireo, ary misy fitaovana afaka mitifitra rano an’ilay fitaratra miaraka amin’ilay tahony.

9 Jolay 2019: Trano misy ny famokarana video

Mpiasa an-tsitrapo mandraraka karazana rihitra eo amin’ny gorodona. Mampiasa karazana fandamahana tany ry zareo, amin’izay mitovy tantana tsara ilay izy. Mampiasa karazana borosy ry zareo avy eo mba hanesorana an’izay rivotra mety hampivohibohitra an’ilay rihitra.

24 Jolay 2019: Trano misy ny birao

Mpiasa an-tsitrapo mametaka temitra plastika eo amin’ny gorodona, ao amin’ilay efitra ngezabe hampiasaina amin’ny zavatra isan-karazany, ohatra hoe hatao efitra fisakafoana sy efitrano fivoriana, na hanaovana fotoan-dehibe. Erỳ amin’io rindrina eny aoriana io no hatao ny lampihazo, ary efa nasiana tele eo. Nahantona eo amin’ny fitaovana misakana ny feo tsy hanako ireo tele ireo.

26 Jolay 2019—Trano misy ny famokarana video

Eo akaikin’ny efitrano fakana video. Mpandrafitra mametaka ny fitaovana ilaina ao amin’ny efitra fanaovana volo sy makiazy ho an’ny mpandray anjara amin’ny video.

1 Aogositra 2019: Trano misy ny famokarana video

Mpandrafitra mametaka ny fitaovana hametrahana an’ireo fefy manasaraka ny birao. Azo esorina ireo fefy ireo, dia azo ovaovana arakaraka izay ilaina ny haben’ny birao.

1 Aogositra 2019: Trano misy ny famokarana video

Mpiasa manambatra fitaovana hampiasaina ao amin’ny efitrano fakana video. Hatao fanantonana zavatra io fitaovana io rehefa maka video, ohatra hoe hanantonana jiro na kamerà.

15 Aogositra 2019: Biraon’ny sampana

Sary nalaina avy eny ambony. Eo ankavia: Trano fonenana B, C, D, E, ary F, izay efa vita tanteraka. Eo afovoany: Trano fonenana A, efa kely sisa dia ho vita, ary ny trano misy ny birao, izay efa vita tanteraka. Eo ankavanana: Trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa, sy ny trano misy ny famokarana video, izay samy efa kely sisa dia ho vita daholo. Mbola mitohy kosa ny fanamboarana ny zaridaina sy ny manodidina.

26 Aogositra 2019: Trano misy ny birao

Mpiasa an-tsitrapo mametaka karô vita amin’ny vato, ao ambadiky ny efitrano fandraisan’olona. Ireo tranolay eo aoriana indray natao hiarovana an’ireo karô vao napetaka mba tsy ho tratran’ny masoandro, mandritra ny fotoana hanadiovana azy.