Hijery ny anatiny

Grande-Bretagne: Tahirin-tsary Faha-9 (Septambra 2019 ka Hatramin’ny Febroary 2020)

Grande-Bretagne: Tahirin-tsary Faha-9 (Septambra 2019 ka Hatramin’ny Febroary 2020)

 Ho hitanao ato amin’ity tahirin-tsary ity ny asa farany natao tamin’ny fanorenana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah vaovao any Grande-Bretagne, tamin’ny Septambra 2019 ka hatramin’ny Febroary 2020. Ho hitanao ato koa fa efa nanomboka nampiasa an’ilay toerana ireo olona miasa ao amin’ilay biraon’ny sampana.

  1. Trano misy ny famokarana video

  2. Trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa

  3. Trano misy ny birao

  4. Trano Fonenana A

  5. Trano Fonenana B

  6. Trano Fonenana C

  7. Trano Fonenana D

  8. Trano Fonenana E

  9. Trano Fonenana F

10 Septambra 2019: Trano misy ny birao

Mpanao zaridaina mampitovy tantana ny tany, mba ho azo ambolena bozaka eo amin’ilay izy avy eo. Tazana etsy aoriana ny trano fonenana A sy B.

19 Septambra 2019: Trano misy ny birao

Dobo anankiray eo akaikin’ny trano misy ny birao. Namboarina io dobo io sy ny dobo hafa mba hahatonga ny rano hivarina tsara. Lasa madio kokoa ny rano amin’izay, tsy dia hatahorana ny hisian’ny tondra-drano, ary madio kokoa ny tontolo iainana ho an’ny olona sy ny biby.

19 Septambra 2019: Trano misy ny birao

Mpivady anisan’ny ekipan’ny fandrafetana mametraka ampahany amin’ny birao vaovao.

14 Oktobra 2019: Trano fonenana A

Mpiasa iray anisan’ny ekipan’ny mpanao mari-trano, mampiasa lazera mba hametrahana marika eo amin’ny varavaran’ny efitra fanaovam-bolo.

28 Oktobra 2019: Toerana misy an’ilay biraon’ny sampana

Mpandrafitra mametraka marika iray. Asiana marika be dia be eny amin’ny lalana rehetra eny mba tsy ho very izay mipetraka ao amin’ilay toerana sy izay mpitsidika tonga ao. Mirefy 34 hektara mantsy ilay toerana manontolo.

4 Novambra 2019: Trano misy ny famokarana video

Solontenan’ny mpamono afo sy mpamonjy voina any an-toerana manamarina raha mahavita mamono afo tsara ny rano eo amin’ny toerana iray.

14 Novambra 2019: Trano misy ny birao

Rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Tetikasa Fanorenana mitarika ny fotoam-pivavahana maraina. Sady nanamarina ry zareo tamin’io hoe mandeha tsara daholo ve ny fitaovana vaovao ao amin’ilay biraon’ny sampana. Nanaraka mivantana an’ilay fotoam-pivavahana tamin’ny alalan’ny Internet ny fianakavian’ny Betela any Londres.

19 Novambra 2019: Trano misy ny famokarana video

Elektrisianina mametraka jiro mandrindra ny fifamoivoizana eo amin’ny fidirana amin’ny toerana iray. Mila arahina maso mantsy izay miditra sy mivoaka eo amin’ilay toerana.

19 Novambra 2019: Toerana fanomanana ny asa sy fasiana entana

Mpiasa manala ny plastika amin’ny fil tsy ilaina intsony mba ho azo ampiasaina indray ilay varahina ao anatiny.

25 Novambra 2019: Toerana fanomanana ny asa sy fasiana entana

Mpitondra mpitsidika manazava ny mombamomba an’ilay toerana misy ny biraon’ny sampana, ao amin’ny trano iray natao ho an’ny mpitsidika. Olona maherin’ny 95 000 no efa tonga nitsidika an’ilay toerana nandritra ny fanorenana.

5 Desambra 2019: Trano misy ny birao

Rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Grande Bretagne miresaka amin’ny ekipa mpanao fanorenana, mandritra ny fivoriana isam-bolana farany nataon’izy ireo. Ireo sampan-draharaha samihafa eo anivon’ny Betela indray avy eo no nanomboka nikarakara an’ilay toerana. Mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 11 000 no nampiasa ny fotoanany sy ny heriny tamin’ilay tetikasa.

10 Desambra 2019: Trano misy ny famokarana video

Ampiofanina amin’ny fampiasana ny fitaovana ao amin’ny studio ny Ekipa Mpikarakara Video Isam-Paritra sy ny Sampan-draharaha eo An-toerana Mampiely Feo sy Video. Misy plastika mangamanga eo amin’ny kiraron’ny ankamaroan’ireo mpiasa mba tsy ho simba ilay gorodona vao vita.

30 Desambra 2019: Trano misy ny birao

Mpiasa mampiasa karazana borosy mba hampidirana ny fasika eny anelanelan’ny pavé, eo amin’ny lalan’ny fiara mankeny amin’ny trano misy ny birao. Fasika nodorana tao anaty lafaoro no nampiasaina.

16 Janoary 2020: Trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa

Mpanamboatra aotomobilina simba mikojakoja minibus iray ao amin’ny garazy vaovao. Minibus hoatran’io no nitondra ny fianakavian’ny Betela taloha rehefa handeha hiasa izy ireo. Efa eo amin’ny toerana iray daholo anefa izao ny tranon’ny sampana rehetra, ka lasa misy aotomobilina tsy ilaina dia azo amidy. Fiara kely nampiasain’ny ekipa mpikarakara ny eny an-tokotany no tazana etsy aoriana.

29 Janoary 2020: Trano fonenana D

Olona mamindra ny entan’ny Betelita iray. Olona 27 no nanampy an’ireo Betelita hifindra, nandritra ny volana Janoary sy Febroary. Efa nipetraka sy niasa tao amin’ilay biraon’ny sampana vaovao ny fianakavian’ny Betela rehetra, rehefa nanomboka ny volana Martsa.

6 Febroary 2020: Trano misy ny birao

Ekipan’ny lakozia mikarakara lasary ho an’ny fianakavian’ny Betela.

7 Febroary 2020: Trano fipetrahana vonjimaika

Trano fipetrahana vonjimaika esorina satria efa nisy nividy. Tsy lavitra an’ilay biraon’ny sampana vaovao no nametrahana an’ireny trano ireny, dia amin’izay afaka mandeha an-tongotra izay mpiasa nipetraka tao rehefa handeha hiasa. Ny tanjona mantsy dia ny hampihena ny gazy karbonika nandritra an’ilay tetikasa manontolo, dia nandray anjara be tamin’izany ny fampiasana an’ireny trano ireny. Tena miavaka izany fomba fiasa izany araka ny BREEAM, izay fomba iray hijerena raha manaja tsara ny tontolo iainana ny trano iray na tsia, manomboka amin’ny fanaovana ny planina hanorenana azy ary mitohy hatramin’ny fotoana tsy ampiasana azy intsony. Tazana erỳ aoriana ireo trano fonenana vaovao.

14 Febroary 2020: Trano misy ny birao

Mametraka efitra fandraisam-peo iray ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny ary mandamindamina ny fitaovana ilaina amin’izy io. Efa nasiana fitaovana fandraisam-peo tsotsotra any amin’ny biraon’ny mpandika teny, fa natao ho fanampin’izany fotsiny io efitra io. Mampiasa efitra hoatran’io koa ireo ekipa mandika amin’ny fiteny irlandey sy ekosey ary amin’ny fiteny hafa eo ambany fiandraiketan’ny biraon’ny sampan’ny Grande-Bretagne.

24 Febroary 2020: Trano misy ny birao

Rahalahy iray ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanorenana eo An-toerana miresaka amin’ny alalan’ny vidéoconférence amin’ny solontenan’ny SFA ho an’ny faritra atsimoatsinanan’i Angletera. Mifandray matetika amin’ny biraon’ny sampana ny solontenan’ny SFA mba hiresaka momba ny fanorenana sy fikojakojana Efitrano Fanjakana. Ireo rahalahy sy anabavy tazana etsy aoriana indray miresaka momba ny fitaovana fanafanana sy fampangatsiahana azo ampiasaina any amin’ny Efitrano Fanjakana vaovao na nohavaozina.

25 Febroary 2020: Trano misy ny birao

Mpiasa an-tsitrapo vaovao hiasa ao amin’ilay biraon’ny sampana tonga ao amin’ny efitra fandraisam-bahiny. Hanatrika fivoriana iray izy ireo avy eo. Amin’io no hiarahabana azy ireo tonga soa sy hilazana ny sampan-draharaha hisy azy. Mpiasa an-tsitrapo efa ho 500 no nanampy an’ireo Betelita, rehefa nanomboka niasa tao amin’ilay toerana any Chelmsford ny biraon’ny sampana. Misy teknisianina manandrana sy manamboatra efijery hampiasaina amin’ny fampirantiana ho an’ny mpitsidika, erỳ aoriana.