Hijery ny anatiny

Vavaka avy Teny Ambonin’ny Hazo Oaka Iray

Vavaka avy Teny Ambonin’ny Hazo Oaka Iray

 Mitantara i Rachel hoe: “Mipetraka atỳ amin’ny Repoblika Dominikanina izahay mianakavy. Nanompo an’i Jehovah ny fianakaviako tamin’izaho teraka. Nampalahelo anefa fa tsy niaraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah intsony i Dada tamin’izaho fito taona, dia lasa nanohitra be mihitsy izy. Noho ny zavatra nataony dia lasa sarotra be tamiko ny nanompo an’i Jehovah. Notambazany telefaonina, ohatra, aho, dia noteneniny hoe hoentiny any Disneyland, hono, sady homeny karatra fandoavam-bola mihitsy aza, raha tsy manompo an’i Jehovah intsony. Nisy fotoana aza aho nasiany ny totohondry mihitsy dia amin’izay miala amin’i Jehovah. Amin’izay, hono, aho tsy afaka miteny na tsy afaka mandeha, dia tsy mahavita mandeha mivory. Tsy nanakana ahy tsy hivory mihitsy anefa izany. Efa tapa-kevitra ny handeha foana mantsy aho.

 “Tsy namely ahy teo imason’i Neny mihitsy i Dada. Niteny koa izy hoe raha vao mandaza any amin’i Neny, hono, aho dia hasiany koa i Neny. Nolazainy fa hoe nampianariny hiady aho dia izay no nahatonga ahy naratra.

 “Mbola kely loatra aho tamin’izany sady natahotra be an’i Dada, dia tsy sahiko notenitenenina an’i Neny mihitsy ny zavatra nataony ahy. Dia i Jehovah no nitarainako. Tany Maryland any Etazonia izahay no nipetraka tamin’izany. Nisy ala feno hazo izay tao ambadiky ny tranonay, dia nandeha an-tongotra tany aho. Nisy hazo oaka tsara tarehy be izay tao amin’ilay ala. Nianika an’io hazo io aho, dia teny ambony teny aho no niresaka tamin’i Jehovah. Noteneniko azy daholo izay tany am-poko. Noresahiko taminy koa hoe inona daholo no handeha hataoko ho azy rehefa lehibe aho, raha ohatra aho ka ampiany dia tsy maty. Notantaraiko azy koa hoe inona avy no hataoko any amin’ny tontolo vaovao dia ho hoatran’ny ahoana ny fianakaviako rehefa any. Noteneniko izy hoe hiadana aho sady ho faly be rehefa any satria tsy harary intsony sady tsy hatahotra intsony.

 “Tsapako hoe nampionona sy nanatanjaka ahy foana i Jehovah, na dia ireny aza no nataon’i Dada mba tsy hanompoako azy intsony. Na dia notambazan’i Dada zavatra aza aho na novonoiny, dia nomen’i Jehovah hery sady nampiany mba tsy hivadika mihitsy.

 “Natao batisa aho tamin’izaho folo taona, dia nanomboka nanao mpisava lalana, roa taona tatỳ aoriana. Tsy fantatr’i Dada mihitsy izany tamin’ny voalohany. Fa rehefa fantany amin’izay ilay izy, dia nasiany mafy be aho dia nipitsoka mihitsy ny valanoranoko.

 “Nisy olona niteny hoe mbola kely loatra, hono, aho dia mbola tsy tokony ho nanao mpisava lalana. Nieritreritra mantsy ry zareo hoe mbola tsy azoko tsara hoe inona avy no tafiditra amin’ilay izy. Rehefa nandeha koa ny fotoana dia lasa tsy dia nanompo an’i Jehovah intsony ny tanora Vavolombelona tany aminay, fa variana nanao fety sy niala voly. Hoatran’ny hoe nahafinaritra be aloha ilay zavatra nataon-dry zareo e! Nisy fotoana aho mba te hanao hoatran-dry zareo koa, dia nieritreritra hoe: ‘Maninona moa raha hajanoko any ilay mivory sy mitory, dia mba mifalifaly hoatran’ny ankizy aho e?’ Isaky ny nieritreritra hoatr’izany anefa aho dia noresahiko an’i Jehovah ilay izy.

 “Nisy orinasa nalaza be tamin’ny resaka filatroana izay niresaka tamiko, tamin’izaho 15 taona, dia nasain-dry zareo hiara-miasa aminy any Milan, any Italia, aho. Vola be ilay izy, sady nahafinaritra ahy ilay izaho nisy niteny hoe mety ho lasa mpilatro. Tiako koa ilay hoe hiseho amin’ireny gazetin-damaody ireny aho, sady hanao akanjo lafo be dia hilatro amin’ireny fampisehoana lamaody ireny. Efa telo taona aho tamin’izay no mpisava lalana, dia nieritreritra aho hoe ho ampy hivelomako tsara ny vola ho azoko amin’ilay izy dia ho afaka hanao mpisava lalana foana aho. Izahay koa moa tamin’izany efa nilaozan’i Dada, dia hoy aho hoe azoko anampiana an’i Neny koa ilay vola.

 “Nivavaka aho tamin’izay. Niresaka tamin’i Neny koa aho, sady izy efa aman-taonany no nanao mpisava lalana. Nisy anti-panahy iray izay koa tena tian’ny olona sady tena nohajaina, dia noresahiko taminy ilay izy. Dia hoatran’ny mahazatra, dia nankany amin’ilay hazo tena tiako aho dia nivavaka mafy im-be dia be teny ambonin’ilay izy teny. Novalian’i Jehovah ny vavaka nataoko. Ilay anti-panahy niresahako no nampiasainy mba hampiseho ahy ny Mpitoriteny 5:4. Resahin’io andinin-teny io hoe raha mivoady amin’Andriamanitra ianao, dia tokony hotanterahinao ilay izy. Izaho anefa efa nivoady tamin’i Jehovah hoe hanompo azy amin’ny foko manontolo. Natahotra koa aho hoe hanimba ny fifandraisako amin’i Jehovah ilay asa. Tapa-kevitra àry aho hoe tsy hanao an’ilay izy.

 “Tsy maty aho na dia ireny aza no nahazo ahy tamin’izaho mbola kely! Sambatra aho izao miaraka amin’i Jaser, vadiko, sy i Connor, zanakay lahikely sivy taona. Anti-panahy i Jaser, dia i Connor indray mpitory tsy vita batisa. Efa ho 27 taona aho izay no mpisava lalana.

 “Matetika aho no mahatsiaro ny resaka lava be nataoko tamin’i Jehovah teny ambonin’ilay hazo oaka, tao amin’ilay ala tao ambadiky ny tranonay. Niangavy an’i Jehovah aho tamin’izany hoe mba hampiany, dia tena novaliany ilay izy sady miavaka be ny fomba nanampiany ahy. Nanatanjaka ahy izy, dia nampionona sy nitari-dalana ahy. Im-be dia be mihitsy i Jehovah no nampiseho tamiko hoe dada tena miavaka izy, teo amin’ny fiainako iray manontolo. Tena faly aho hoe nisafidy hanompo azy amin’ny fo manontolo. Io no safidy tsara indrindra nataoko hatramin’izay.”