Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Lasa Nifandray Tsara Tamin’i Jehovah sy Tamin’ny Reniko Aho

Lasa Nifandray Tsara Tamin’i Jehovah sy Tamin’ny Reniko Aho

“ARY maninona koa moa ianao no tsy hivavaka amin’ny razambentsika e? Raha tsy nisy an-dry zareo ange ianao dia tsy ho nisy e! Tsy mba hisaotra an-dry zareo izany ianao? Fomban-drazantsika efa hatramin’izay izany, dia tonga ve dia hialanao fotsiny? Adala izany izahay aminao?” Nitomany be mamanay, raha vao avy niteny an’ireo.

Sambany izy no nasiaka be hoatr’izany. Izy ihany anefa no nampirisika ahy hianatra Baiboly! Nisy mpitory nanasa azy hianatra mantsy, nefa tsy nazoto izy fa izaho no nasainy nianatra. Nankatò azy foana aho taloha ka mafy tamiko ilay hoe tsy hanaraka ny teniny. Te hampifaly an’i Jehovah anefa aho, ary soa ihany izy fa nanampy ahy.

LASA KRISTIANINA

Bodista izahay, hoatran’ny ankamaroan’ny olona eto Japon. Roa volana monja aho no nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia resy lahatra hoe marina ny Baiboly. Lasa te hahafantatra kokoa an’ilay Raiko any an-danitra aho rehefa nahalala hoe misy izy. Notantaraiko an’i Neny ny zavatra nianarako, ary nahafinaritra ny resakay. Nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa aho rehefa alahady. Rehefa nianatra elaela aho, dia nilaza tamin’ny mamanay fa tsy hanao ny fombafomban’ny Bodista intsony. Niova tampoka teo izy. Hoy izy: “Razambenao ve dia tsy ho tianao? Afa-baraka mihitsy isika!” Tsy navelany hianatra Baiboly sy hivory intsony aho. Tsy nampoiziko hoe hahavita an’izany izy. Hoatran’ny hoe tsy izy ilay niresaka tamiko!

Nitovy hevitra tamin’i Neny koa i Dada. Hitako tao amin’ny Efesianina toko faha-6 fa asain’i Jehovah mankatò ray aman-dreny aho. Nihevitra aho tamin’ny voalohany hoe aleo mankatò azy ireo, sao mba hihaino ahy ihany izy ireo, dia tsy ho tezitra amiko intsony. Efa akaiky koa tamin’izay ny fanadinana hidirana teny amin’ny lise ka nila niana-desona aho. Niteny tamin’izy ireo àry aho hoe tsy hivory mihitsy mandritra ny telo volana. Nampanantena an’i Jehovah anefa aho hoe hivory indray aorian’izay.

Tsy nety anefa ilay fanapahan-kevitro. Voalohany, nihevitra aho fa mbola ho tia an’i Jehovah foana rehefa tapitra ilay telo volana. Vetivety anefa dia lasa tsy nifandray tsara taminy intsony aho. Faharoa, tsy nilefitra araka ny noeritreretiko ny ray aman-dreniko, fa vao mainka aza nataony izay tsy hianarako Baiboly intsony.

FAMPAHEREZANA SY FANENJEHANA

Maro koa ny mpitory nenjehin’ny fianakaviany, tao amin’ilay fiangonana nisy ahy. Nanome toky ahy ry zareo fa hanohana ahy i Jehovah. (Mat. 10:34-37) Nohazavain’izy ireo hoe raha tsy mivadika aho, dia mety hianatra Baiboly koa ny fianakaviako ka mety ho voavonjy. Te hiantehitra tamin’i Jehovah aho ka nivavaka bebe kokoa.

Nahita tetika isan-karazany i Dada sy Neny. Sady niangavy mafy ahy i Neny no nampisaintsaina ahy. Matetika aho no nangina fotsiny. Vao niteny aho dia samy nentim-po izahay satria samy nanizingizina ny heviny. Nety ho tsy dia nisy olana be teo aminay raha niezaka kokoa nanaja ny heviny sy ny fivavahany aho. Nampitomboin’ny ray aman-dreniko ny raharahako, amin’izay aho tsy mivoaka ny trano. Tsy namelan-dry zareo sakafo koa aho indraindray, na nohidiany tany ivelany.

Nitady olona hanohana azy i Neny. Nankany amin’ny mpampianatra anay, ohatra, izy. Tsy niditra tamin’ilay izy anefa ilay mpampianatra. Nentiny tany amin’ny sefony koa aho, ary nasainy nandresy lahatra ahy ilay rangahy hoe tsy misy ilana azy daholo ny fivavahana. Nitelefaonina ny havanay koa i Neny ka nitomany be sady niangavy azy ireo hanampy azy. Tezitra aho hoe noresahiny tamin’olona be dia be ilay izy. Nasain’ny anti-panahy nitadidy anefa aho hoe tsara izany satria lasa nahalala ny zavatra inoantsika ireny olona ireny rehefa niresahan’i Neny.

Nisy olana hafa indray tatỳ aoriana. Tian’ny ray aman-dreniko hianatra teny amin’ny oniversite aho, amin’izay, hono, mahita asa tsara. Nifamaly foana anefa izahay rehefa niresaka momba an’ilay izy. Naleoko àry nanoratra taratasy maromaro ho azy ireo, mba hanazavako ny tanjoko. Romotra be i Dada ka nandrahona hoe: “Mieritreritra izany ianao hoe hahita asa? Rahampitso ihany izany ianao dia tsy maintsy mahita, raha tsy izany miala ato!” Noresahiko tamin’i Jehovah ilay izy. Ny ampitson’iny ihany dia nahita asa aho. Nisy rahavavy roa nanontany ahy teny am-pitoriana hoe sao dia afaka mampianatra ny zanany aho. Tsy nahafaly an’i Dada anefa izany ka tsy niresaka tamiko intsony izy, sady hoatran’ny tsy nisy aho taminy. Niteny tamiko i Neny hoe naleony, hono, aho jiolahim-bavy toy izay Vavolombelon’i Jehovah.

Nianatra zavatra betsaka momba an’i Jehovah aho rehefa nanompo tany amin’ny tany samihafa

Mafy loatra ny nataon’i Dada sy Neny, ka lasa ny saiko hoe maninona aho no avelan’i Jehovah hiaritra an’izany. Sa izay mihitsy no tiany? Nivavaka imbetsaka kokoa aho sady nisaintsaina momba ny fitiavan’i Jehovah. Nazava kokoa tamiko àry hoe nahoana aho no enjehina. Azoko koa hoe nitady izay hahasoa ahy fotsiny i Dada sy Neny. Nampian’i Jehovah hanova ny toe-tsaiko sy hahita izay tokony hatao aho. Lasa tia fanompoana koa aho arakaraka ny nandehanako nanompo, ka lasa te ho mpisava lalana.

LASA MPISAVA LALANA

Nisy rahavavy naheno hoe hanao mpisava lalana aho ka nilaza hoe aleo rehefa tsy sorena be intsony i Dada sy Neny vao manao an’izany. Nivavaka àry aho sady nanao fikarohana. Nodinihiko koa ny tena antony hanaovako mpisava lalana, ary niresaka tamin’ny Kristianina matotra aho. Hitako avy eo fa tena te hampifaly an’i Jehovah aho. Sady tsy voatery hiova koa i Dada sy Neny na dia miandry kely aza aho vao manao mpisava lalana.

Nirotsaka ho mpisava lalana aho tamin’ny taona farany nianarako teny amin’ny lise. Te hanitatra faritany aho taoriana kelin’izay. Tsy navelan’i Dada sy Neny handeha anefa aho, ka niandry ho feno 20 taona. Nanontaniako avy eo ny biraon’ny sampana raha afaka mahazo faritany any amin’ny faritra atsimon’i Japon aho. Nisy havanay mantsy tany ka mety tsy hiady saina be momba ahy i Neny.

Faly aho tany fa natao batisa ny olona maromaro nampianariko Baiboly. Nianatra teny anglisy koa aho tany, satria mbola te hampitombo ny fanompoako. Nisy ranadahy roa mpisava lalana manokana tao amin’ilay fiangonana nisy ahy. Nazoto nanompo ry zareo sady tia nanampy olona. Lasa te ho mpisava lalana manokana koa aho. Narary mafy indroa i Neny tamin’izay, ka indroa nody tany aminay aho mba hikarakara azy. Tsy nanampo an’izany izy ka tsy dia nasiaka tamiko intsony.

FITAHIANA NISESISESY

Nanoratra ho ahy ny iray tamin’ireo mpisava lalana manokana ireo, fito taona tatỳ aoriana. I Atsushi no anarany. Nilaza izy hoe te hanambady, ka te hanontany raha tia azy aho. Tsy nieritreritra azy mihitsy aho taloha. Tsy nampoiziko koa hoe ho tia ahy izy. Namaly azy aho rehefa afaka iray volana hoe vonona aho, ary niezaka nifankahalala kokoa izahay. Be dia be ny zavatra nitovizanay. Samy tia nanompo manontolo andro, ohatra, izahay sady samy vonona hanao an’izay hampanaovina anay. Natao mariazy izahay tatỳ aoriana. Faly be aho fa nanatrika ny mariazinay i Dada sy Neny ary ny havanay maromaro.

Népal

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana i Atsushi, taoriana kelin’ny nanaovanay ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Mbola nisy fitahiana hafa avy eo. Voatendry ho mpisava lalana manokana izahay ary avy eo nasaina nanao ny asan’ny faritra. Raha vao avy nitsidika ny fiangonana rehetra tao amin’ilay faritra anefa izahay, dia niantso anay ny biraon’ny sampana ary nanontany hoe: “Tianareo ve raha manao ny asan’ny faritra any Népal ianareo?”

Nampian’i Jehovah hanova ny toe-tsaiko sy hahita izay tokony hatao aho

Natahotra aho hoe mety hiady saina ny ray aman-dreniko raha mahare fa handeha lavitra be aho. Nantsoiko àry ry zareo. I Dada no nandray an’ilay antsoko ary niteny izy hoe: “Mahafinaritra be any ka!” Nisy namany nanome azy boky momba an’i Népal mantsy, vao herinandro talohan’io. Ary na izy aza mba te ho any koa.

Sariaka ny mponina tany Népal ka tianay be ny nanompo tany. Nahazo fitahiana hafa indray izahay tany. Nasaina nitsidika fiangonana tany Bangladesy koa mantsy izahay. Tsy lavitra an’i Népal io tany io, saingy betsaka ny zavatra tsy mampitovy azy. Nahita fomba fitory isan-karazany izahay tany. Nasaina niverina teto Japon izahay dimy taona tatỳ aoriana, ary mbola tianay ny manao ny asan’ny faritra hatramin’izao.

Nianatra zavatra betsaka momba an’i Jehovah aho rehefa nanompo teto Japon sy tany Népal ary tany Bangladesy. Samy manana ny kolontsainy sy ny fanaony ireo tany ireo. Samy manana ny mampiavaka azy koa ny olona tsirairay. Karakarain’i Jehovah daholo anefa izy ireny sady tiany ary tahiny.

Nitahy ahy koa i Jehovah satria navelany hahalala azy sy hanao ny asany aho, ary nomeny vady mahafinaritra. Nampiany hahay hanapa-kevitra aho ka lasa mifandray tsara aminy sy amin’ny fianakaviako. Lasa mpinamana be indray izao izahay sy Neny. Tena misaotra an’i Jehovah aho.

Tena tianay ny manao ny asan’ny faritra