Hijery ny anatiny

Nitory Foana Izy Ireo Nandritra ny Valanaretina

Nitory Foana Izy Ireo Nandritra ny Valanaretina

 Nanova fomba fitory ny mpiara-manompo nandritra an’ity valanaretina COVID-19 ity mba hizarana ny hafatra mampahery ao amin’ny Baiboly amin’ny olon-kafa. Tsy nanao fitoriana eny amin’ny toerana be olona sy isan-trano intsony aloha izy ireo, fa lasa nitory an-telefaonina sy an-taratasy indray matetika. a Be dia be no nankasitraka an’izany ezaka nataon’izy ireo izany, ary hita hoe tena notahin’i Jehovah ilay izy. (Ohabolana 16:3, 4) Izao, ohatra, no zava-nitranga tany amin’izay nosy anankiray izay.

 Nitsidika an’izay vehivavy izay foana i Helen, tamin’ny mbola tsy nisy valanaretina, dia nanasa azy hianatra Baiboly. Tsy nanaiky mihitsy ilay vehivavy. Nomen’i Helen Baiboly sy ilay boky hoe Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly? anefa izy iray andro talohan’ny fihibohana. Mbola nanasa azy hianatra Baiboly ihany i Helen tao anatin’ny fihibohana, dia nohazavain’i Helen taminy hoe atao amin’ny telefaonina ilay fianarana. Nanaiky amin’izay àry ilay vehivavy tamin’io. Tiany be ilay fianarana dia nangataka hianatra isan’andro mihitsy izy taoriana kelin’izay. Nanomboka nivory tsy tapaka tamin’ny telefaonina koa ilay vehivavy. Tsy izay ihany fa mampihatra ny zavatra nianarany ao amin’ny Baiboly izy sady miresaka ny zavatra nianarany amin’ny olon-kafa koa.

 Nisy mpitory maromaro tany amin’izay fiangonana iray izay nanoratra taratasy ho an’ny polisy teo an-tanàna, dia nisaotra azy ireo hoe tena zava-dehibe ny asa ataon-dry zareo. Gaga be ny polisy namaky an’ireo taratasy ireo. Niteny tamin’i Jefferson, anti-panahy tao amin’ilay fiangonana, ny iray tamin’ilay polisy hoe: “Heveriko fa tsy tia polisy ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nohazavain’i Jefferson fa tsy marina izany. Tena faly ireo polisy ireo tamin’ilay taratasy nampahery ka napetak’izy ireo teo amin’ilay fidirana tao amin’ny paositry ny polisy mihitsy ilay taratasy. “Amin’izay mantsy mba mankasitraka anay koa ny olon-kafa”, hozy izay polisy hafa iray izay.

 Samy mpisava lalana maharitra i Edna sy Ednalyn. b Tsy afaka nivory tamin’ny vidéoconférence niaraka tamin’ny fiangonany izy ireo satria tsy nanana Internet tao an-tranony. Nitelefaonina an’ilay vehivavy tsy Vavolombelona nipetraka teo akaikiny àry izy ireo, dia nangataka raha afaka mampiasa ny Wi-Fi an’ilay olona, dia mandoa ny vidin’ilay izy. Nanaiky ilay vehivavy sady tsy nampandoaviny vola ry zareo. Nanasa an’ilay vehivavy hijery an’ilay fivoriana koa i Edna sy Ednalyn, dia nanatrika izy. Lasa mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelona sy mivory tsy tapaka izao ilay vehivavy sy ny zanany lahy ary ny zafikeliny roa vavy.

 Nanasa ny mpiray tanàna sy ny mpiara-miasa taminy ary olon-kafa ny mpiara-manompo tany, mba hanatrika ny lahatenin’ny besinimaro tamin’ny vidéoconférence. Miasa ao amina hopitaly iray ao amin’io tanàna io ihany i Ellaine. Tsy sahy nanasa ny mpiara-miasa taminy izy tamin’ny voalohany. Nieritreritra izy hoe tsy tia Vavolombelon’i Jehovah ny dokotera sasany. Nanasa ny dokotera tany amin’ny hopitaly ihany anefa izy. SMS no nandefasany an’ilay fanasana. Mpivady dokotera izay no tena tsy sahin’i Ellaine nasaina. Nandefasan’i Ellaine fanasana tamin’ny SMS ihany anefa ry zareo rehefa avy nieritreritra tsara sy nivavaka momba an’ilay izy i Ellaine. Hozy ilay vehivavy nasainy: “Tadiavinao hivadi-pinoana izany aho dia ho lasa Vavolombelon’i Jehovah a?” Dia nanazava i Ellaine hoe natao ho an’ny olona rehetra ilay fivoriana, fa tsy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany. Gaga be i Ellaine ny ampitson’iny nahita azy mivady nanatrika an’ilay fivoriana tao amin’ilay video conférence, sady tafiditra aloha tao. Hoy izy: “Naharay SMS tamin’ilay vehivavy aho talohan’ny nifaranan’ilay fivoriana hoe: ‘Izay aho vao nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay! Tsara be ilay izy. Misaotra nanasa an’ahy fa tena tiako be ilay izy.’”

Ellaine

 Nanasa dokotera 20 i Ellaine mba hanatrika an’ilay fivoriana. Faly erỳ izy fa 16 no nanatrika! Hoy izy namerina ny tenin’ny apostoly Paoly: “Faly aho fa ‘sahy nitory ny vaovao tsara’ tamin’ny mpiara-miasa tamiko.”​—1 Tesalonianina 2:2.

 Mafy be tamin’ny olona rehetra ilay valanaretina. Mbola nahavita falifaly sy nanana toe-tsaina tsara foana anefa ny rahalahy sy anabavy tany amin’io nosy io sy tany amin’ny tany hafa. Mbola niezaka nanao izay vitany ihany ry zareo mba hampiononana sy hampaherezana olon-kafa.​—Asan’ny Apostoly 20:35.

a Mankatò an’izay lalàna momba ny fiarovana ny fanazavana mahakasika ny olona itoriany ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa manao ny fanompoany.

b Ny atao hoe mpisava lalana dia Kristianina mitory sy mampianatra manontolo andro.