Hijery ny anatiny

Tena Nahavariana Azy ny Vokany

Tena Nahavariana Azy ny Vokany

 Mipetraka any Venezoelà i Desicar, ary mitaiza irery ny zanany izy. Te hanitatra ny fanompoany izy dia hanao mpisava lalana maharitra, nefa mikorontana be ny toe-karena any amin-dry zareo. Na izany aza anefa dia nanapa-kevitra ny hanao mpisava lalana ihany izy. Falifaly erỳ izy nanao mpisava lalana, saingy tampoka teo dia nanomboka niparitaka ny valanaretina COVID-19.

 Nisy fomba vaovao nitoriana rehefa nanomboka ny COVID-19, dia sarotra tamin’i Desicar ny nampihatra an’ireny. Sarotra taminy, ohatra, ny nanoratra taratasy. Ankoatra an’izay, dia tsy afaka nampiasa vidéoconférence izy rehefa nanompo satria lafo be ny Internet any amin-dry zareo. Hoy izy: “Kivy be aho. Tampoka teo mantsy aho dia tsy afaka nitory hoatran’ny taloha intsony, dia hoatran’ny hoe tsisy naha mpisava lalana ahy akory.”

 Nanaiky ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Venezoelà, tamin’ny Janoary 2021, hoe hanao ezaka manokana ny mpitory any. Nisy faran’ny herinandro dimy tamin’io volana io, dia natao ny fandaminana hoe hisy lahateny ara-baiboly halefa amin’ny radio 60 sy tele 7 eo ho eo amin’ireo faran’ny herinandro ireo. Nampirisihina ny Vavolombelona mba hanasa ny olona liana hihaino sy hijery an’ireny fandaharana ireny. Nanome fanontaniana sy andinin-teny mifandray amin’ny lahateny tsirairay ny sampana, mba hampiasain’ny mpiara-manompo rehefa mitory an-taratasy sy an-telefaonina ry zareo. Nampirisihina be koa ny mpitory mba hitory amin’ny alalan’ny SMS. Vaovao be tamin’ny Vavolombelona maro any Venezoelà io fomba fitory io.

 Nazotozoto be i Desicar handray anjara amin’ilay ezaka manokana. Na dia mbola tsy nitory tamin’ny alalan’ny SMS mihitsy aza izy dia nanapa-kevitra ny hanandrana ihany. Mbola nila fanampiana anefa izy. Tsy dia mahay mampiasa teknolojia mantsy, hono, izy. Niangaviany ny zanany vavy mba hampianatra azy, dia taoriana kelin’izay izy dia vonona handray anjara tamin’ilay ezaka manokana.

Desicar

 Be dia be ny olom-pantatr’i Desicar nandefasany SMS, dia nasainy nihaino an’ilay lahateny. Tena nahavariana azy ny vokany. Be dia be tamin’ny olona nasainy mantsy no nihaino an’ilay lahateny sady nametraka fanontaniana. Ny sasany indray tsy afaka nihaino fa nanontany azy hoe inona no noresahina tao amin’ilay lahateny. Nitantara i Desicar hoe: “Nandray an-tsoratra aho dia ireny no noresahiko an-dry zareo. Hatramin’izay dimy ihany fara fahabetsany ny fiverenana mitsidika vitako ao anatin’ny volana. Tamin’ity ezaka manokana ity anefa aho nahavita 112 be izao!” a

 Nasain’i Desicar nihaino an’ilay lahateny tamin’ny radio koa ny rahavaviny tsy Vavolombelona. Mifanakaiky ihany ny tranon’izy sy io rahavaviny io. Hoy i Desicar: “Gaga be aho hoe nanaiky hihaino izy. Dia isaky ny Alahady amin’ny valo maraina aho mankany an-tranony, dia miara-mihaino eo izahay mirahavavy. Nametraka fanontaniana be dia be izy, na taloha na taorian’ilay fandaharana.” Nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny alalan’ny vidéoconférence ilay rahavavin’i Desicar. Navelany nampiasa ny Internet-ny koa i Desicar rehefa nanompo.

 Hoy i Desicar: “Tena misaotra an’i Jehovah aho. Misaotra ny anti-panahy koa aho satria tena nampahery ahy ry zareo. Nampian-dry zareo aho mba hankafy ny fanompoana indray.” (Jeremia 15:16) Mbola mpisava lalana foana i Desicar hatramin’izao. Mbola mampianatra an’izay olona liana nitoriany tamin’ny SMS koa izy.

a Mankatò ny lalàna momba ny fiarovana ny fanazavana momba ny olona tsirairay ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory sy mampianatra.