Hijery ny anatiny

Nahoana no Tsy Mamaly ny Vavolombelon’i Jehovah Rehefa Misy Manendrikendrika Azy Ireo?

Nahoana no Tsy Mamaly ny Vavolombelon’i Jehovah Rehefa Misy Manendrikendrika Azy Ireo?

 Manaraka ny torohevitry ny Baiboly izahay Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy hoe mamaly foana isaky ny misy manendrikendrika sy maneso anay. Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe: “Manala baraka ny tenany izay manitsy ny mpaniratsira.” (Ohabolana 9:7, 8; 26:4) Ny mampifaly an’Andriamanitra no tena tianay, dia aleonay mifantoka amin’izany toy izay manahy be loatra momba ny fanendrikendrehana anay ka lasa mifamaly amin’olona.—Salamo 119:69.

 Marina anefa ilay hoe “misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.” (Mpitoriteny 3:7) Mamaly ny fanontanian’ireo olona tena te hahafantatra ny marina izahay, fa tsy midikiditra amin’ny adihevitra tsy misy antony. Manaraka ny fampianarana sy ny modely nomen’i Jesosy sy ireo Kristianina voalohany izahay rehefa manao an’izany.

  •   Jesosy: Tsy namaly izy rehefa nisy nanendrikendrika azy teo anatrehan’i Pilato. (Matio 27:11-14; 1 Petera 2:21-23) Nangina koa izy rehefa nendrikendrehina hoe olona mpimamo sy tendan-kanina. Navelany ny olona hahita izay nataony, dia izy ireo ihany no hahita hoe marina ve izany sa tsia. Nanaraka an’ity toro lalana ity mantsy izy: ‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony.’ (Matio 11:19) Nisy fotoana anefa izy tsy nisalasala mihitsy namaly an’ireo nanendrikendrika azy, rehefa nilaina izany.—Matio 15:1-3; Marka 3:22-30.

     Nampianatra ny mpianany i Jesosy hoe tsy tokony ho kivy izy ireo rehefa misy manendrikendrika. Hoy izy: “Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary amoronany lainga ka lazainy fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko.” (Matio 5:11, 12) Nilaza koa anefa izy hoe ho afaka hitory ny mpianany rehefa mitranga izany. Amin’izay izy dia ‘hanome azy ireo vava sy fahendrena izay tsy hain’ny fahavalo rehetra resena na toherina.’—Lioka 21:12-15.

  •   Apostoly Paoly: Nanoro hevitra an’ireo Kristianina izy hoe tsy tokony hiady hevitra tsy amin’antony amin’ny mpanohitra izy ireo. Nilaza izy fa “sady tsy mahasoa izany no zava-poana.”—Titosy 3:9; Romanina 16:17, 18.

  •   Apostoly Petera: Nampirisika ny Kristianina izy hoe tokony hiaro ny finoany izy ireo rehefa azo atao izany. (1 Petera 3:15) Niaiky anefa izy hoe matetika no tsara kokoa raha izay ataontsika no iarovantsika ny finoantsika, fa tsy izay lazaintsika. Hoy izy: ‘Manaova izay tsara mba hampanginanareo ny vavan’ny olona tsy misaina.’—1 Petera 2:12-15.